RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Lalao Ravalomanana : Mahafeno fepetra


    lalao-ravalomanana-filoha.JPEG
    Ny tombontsoa ambonin’ny firenena no nahatonga ny ankolafy Ravalomanana nanapa-kevitra fa Rtoa Lalao Ravalomanana no kandida atolotra hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena.


    Mazava ho azy fa manaiky ny datim-pifidianana navoakan’ny CENI-T izany ity ankolafy ity ary handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana rehetra (filoham-pirenena, solombavambahoaka, Ben’ny tanàna) hotanterahana amin’ity taona ity. Mahafeno ny fepetra Rtoa Lalao Ravalomanana matoa niantefa tany aminy ny safidinay, hoy ireo delegasiona niondrana tany Pretoria – Afrika Atsimo, nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. Tsy maintsy nisy ny fifanakalozan-kevitra, nodinihana tsara ny zava-misy rehetra, nalaina ambony nalaina ambany ny ary dia nifanaiky fa i Neny no mahavita azy.

    Hitondra aina vao


    Afaka mampivondrona ny Malagasy rehetra izy, afaka mifandray tsara amin’ny mpanao politika ihany koa ary azo antoka fa hitondra aina vao ho an’i Madagasikara sy afaka hamerina haingana ity firenena ity eo amin’ny toerana sahaza azy eo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Fantatra fa tsy maintsy mbola hisy, ny fanazavana ara-teknika sy araka ny lalàna ary ara-politika momba ny mahamety sy maha ara-dalàna ny filatsahan-kofidian-dramatoa Lalao Ravalomanana. Miandry an’io ny rehetra, indrindra fa ny mpanao gazety. Noho ny antony maro samihafa moa dia tsy mbola hita na re nanao fanambarana politika mihitsy ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana fa kosa mikarakara am-pitoniana ny taratasy rehetra takian’ny lalàna momba ny filatsahan-kofidiany.

    Koa inoana fa amin’ny fotoana hanaterany ny dosie eny Ambohidahy no mety hahazoana fanampim-baovao misimisy kokoa. Betsaka ny resaka mandeha etsy sy eroa, misy ny mpanisy sira, ao koa ny mpanatsatso, misy koa ny mpanaratsy sy mamafy lainga tsotra izao. Efa natomboka koa ny fandemen-tsaina ireo zanak’i Dada fa hoe tsy afaka milatsaka hofidiana izany (hono) i Neny fa mety filam-baniny fotsiny no ataon’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy ho avy aty aminay mihitsy no hipoiran’ny korontana, hoy ny ankolafy Ravalomanana, ary matoa iny ny fanapahan-kevitra noraisina dia iny no mety, ary efa voadinika sy voakajy tsara ny ho tohiny rehetra. Mitaky ny hisian’ny fifidianana madio, demokratika, mangarahara ary hahafahan’ny rehetra mandray anjara ny vondrona politika eto amintsika sy ny sehatra iraisam-pirenena, ary matoky ny hahatanterahan’izany sy ny fandraisany anjara ny ankolafy Ravalomanana.


    RTT

    1 commentaire:

    1. comment réagissez vous sila candidature de Lalao se voit refusée par la HCC !

      RépondreSupprimer