Ampy izay !Mifohaza ry Malagasy.Ny safidy sy
haitraitran’ny mpanongam-panjakàna sy ny firenen-dehibe reny malalany ve no
hatao eto sa ny safidin’ny vahoaka Malagasy ?
Nandritra ny efa-taona ny vahoaka Malagasy no natao takalon’aina
ara-politika noho ny fitiavan-tenan’olom-bitsy.Ary nandritra izay efa-taona
nanjombona feno fahoriana izay dia tsy tahotra tsy henatra fa dia miharihary toy
ny tafika andrefan-tanàna ny fanampiana sy fanohanan’i Lafrantsa ny olony nanomboka
tamin’ny fanonganam-panjakàna ny taona 2009 ka mandraka ankehitriny.
Ny azo antoka dia tsy maty tsy akory i Fransafrika fa tena
mbola manohy tanteraka ny asa-ratsy sy ny teti-dratsiny eto Madagasikara.Ny
fanonganam-panjakàna notohanan’i Sarkozy no tohizan’i Hollande ankehitriny;ary
ny politika maloton’i Jean-Marc Châtaignier ihany io hamafisin’ingahy
Goldbalatt hatramin’izao.
Raha ny lalàna sy ny tondro-zotra izay nalaza niaraka tamin’ny
SADC nandritra izay efa-taona izay no narahina sy tena nampiharina dia efa ela
no tsy teo amin’io fitondràna azo tamin’ny fanonganam-panjakàna io intsony
izany Rajoelina izany.Efa ela no tapitra ny tetezamitatra sy ny didi-jadon’olom-bitsy
miaraka aminy.Efa ela no voasazy na farafaharatsiny tsy nampitondra fahoriana
sy faisana ny Malagasy toy ny misy ankehitriny intsony ireo mpanongam-panjakàna
sy ny forongony.
Saingy indrisy fa nahazo faka lalina loatra ny tamba-jotran’i
Fransafrika ka hatramin’ny vondrona SADC avy tsy afa-bela amin’ny
aretin-dratsiny ary nanjary angady tsy matapak’ahitra intsony nandritra izay
efa-taona izay.Ny vola afafin’ny mpanongam-panjakàna sy ny reny malalany koa mikararàna
sy tsy tapaka ka tsy mahagaga raha maro sy tamana ireo milaza azy fa
manam-pahaizana mpanelanelan’ity vondrona ity no mivezivezy manao
fitsangatsanganana ara-diplaomatika eto Madagasikara.
Vokany,inona ny zava-misy nandritra izay efa-taona izay ?
Ireo mpanongam-panjakàna sy olo-meloka indray no mahazo vahana sy mihevitr’azy
ireo ho tompon’ny lalàna.Ireo mpanongam-panjakàna indray no miseho manome
lesona sy mananatra ny SADC.Fa indrindra ireo mpanongam-panjakàna lazaina fa
voasazy indray no nahazo tombotsoa mihoa-papana sy mpanefoefo tampoka tao
anatin’ny fotoana fohy ary mihevitra azy ho tsy maty manota tanteraka.Fa ireo
vahoaka Malagasy kosa ankoatra ny fanalàna ny zony sy fanosihosena ny safidiny
dia miaina tanteraka anaty fahantràna manara-penitra ankehitriny.Mipetraka
ihany ny fanontaniana hoe inona izany no tena nataon’ny SADC nandritra izay
efa-taona izay ?
Ny tsy tokony hadino sy tsy azo hidovirana dia fandraisana
anjara lehibe sy fanampiana goavana avy amin’i la Frantsa no
nahafahan-dRajoelina nanongana ny fitondran’ny Filoha Marc Ravalomanana
efa-taona lasa izay.Nandritra ny efa-taona dia izay sitra-po sy
haitraitran-dRajoelina hatrany no tanteraka sy voatery neken’ny Malagasy teto :Fandavana
ny sonia natao, Fanakatonana ireo Hainoamanjery maro be manerana ny Nosy,
Fanagadràna mpanao gazety sy miaramila ary mpitondra fivavahana, Fanondranana
antsokosoko sy fangalarana harem-pirenena sy andramena, Fanemorana fifidianana,
NOTAM, Tsy famelàna ny Filoha Ravalomanana sy ireo sesi-tany hody
an-tanindrazana…
Efa nandefitra tamin’ny lafiny maro ny Filoha Marc
Ravalomanana na dia teo aza ny zava-doza fanahy iniana natao tamin’ny
fianakaviany sy ny fananany ary ny fitondràny .Ary indrisy fa ny vahoaka
Malagasy koa dia miara-mizaka ny mafy sy ny fahoriana iainan’ity
Filoham-pirenena voafidy ara-dalàna farany teto amin’ny Firenena ity nandritra
izay efa-taona izay.Tsy asiana resa-be intsony ny amin’iny fa miteny ho azy ny
zava-misy eto Madagasikara ankehitriny.
Nanaiky ny tsy hilatsaka hofidiana Filoham-pirenena ny
Filoha Ravalomanana na dia zony tanteraka aza izany ary nanaiky ny tsy hiverina
an-tanindrazana koa raha tsy efa vita soa aman-tsara ny fifidianana.Ankehitriny
anefa dia miharihary sy voaporofo indray fa tsy Ny Filoha Ravalomanana irery
kay no atahoran’ny mpanongam-panjakàna sy ny reny malalany fa mampihorohoro azy
ireo ihany koa ny hisedra safidy sy fitsaram-bahoaka amin’ny alalan’ny
fifidianana miaraka amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana.
Eo anatrehan’izany dia miasa mafy toy ny mahazatra i
Fransafrika mampiasa ny tamba-jotrany ao amin’ny vondrona SADC sy Eropeana mba
hanakanana ny filatsahan-kofidian-dRtoa Lalao Ravalomanana.Ho an’ny
mpanara-baovao sy mpandinika politika dia sarimihetsika sy fandraikiraikena
ihany ny fampifangaroana ny anaran’ity vadin’ny Filoha Ravalomanana ity miaraka
amin’ny anaran’ny Filoha Ratsiraka sy Atoa Rajoelina mba hanamboarana ny sain’ny
vahoaka fa ny tena marina dia kajikajy ara-politika faran’izay maloto mba
haminganana sy hanalàna ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Lalao Ravalomanana no
tena antony sy tanjona.Tsy mila manam-pahaizana sy mpanao politika avo lenta
vao hatakatra izany.Raha atao amin’ny fiteny mahitsy kokoa dia fanaovana
tsinontsinona sy fiheverana ny vahoaka Malagasy ho adala sy vendrana tanteraka
izao ketrika sy tetika maloton’i Frasafrika sy ny mpanongam-panjakàna izao.
Aoka hazava ny resaka ary tsy mampaninona mihitsy ny
manantitrantitra izany mba tsy hahatompo-trano mihono ny Malagasy fa tahotry ny
Frantsay ny mbola tanjaka sy lazan’ny Filoha Ravalomanana eto amin’ny Firenena
no mahatonga izao krizy politika sy tetezamitatra tsy mety mifarana
izao.Manampy trotraka izany ny tsy fatokisan-tenan’ireo kandidà
mpanongam-panjakàna.Matahotra hiatrika fifidianana sy safidim-bahoaka ny
mpanongam-panjakàna sy ny reny malalany na dia teo aza ny fampihelezan-kevitra
mialohan’ny fotoana nandritra ny efa-taona sy ireo tombotsoa maro be ananany.
Mihezaka sy mitady ny hevi-dratsy rehetra hanilihana an-dRamatoa
Lalao Ravalomanana i Fransafrika ankehitriny amin’ny alalan’ny fanaovana
fitaovana ny vondrona SADC sy ny vondrona Eropeana.Nolazaina fa mety hitarika
korontana ny filatsahan-kofidian’ireo kandidà telo.Ny zava-misy sy hita aloha
hatreto dia izay toerana na faritra andalovan-dRamatoa Lalao Ravalomanana dia
tsy misy korontana velively.Ny mifanohitra amin’izany aza no misy satria dia
olona sy vahoaka faly mahita an’ity kandidàn’ny movansa Ravalomanana ity no
betsaka sy mameno ireo toerana rehetra andalovany.
Inona
marina ary no tena tanjon’ireo boloky sy saribakolin’i Fransafrika ? Iza
no mahazo tombotsoa amin’ny fisian’ny korontana sy fitaran’ny tetezamitatra eto
? Safidy sy izay sitrapon’ny mpanongam-panjakàna sy ny reny malalany hatrany no hatao
eto sa ny safidin’ny Malagasy ? Ampy Izay!!!Mifohaza ry Malagasy!!!
D.R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire