RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • "Vonona aho" : Lalao Rakotonirainy Ravalomanana (Sary + Vidéos)


    lalao-rakotonirainy-ravalomanana1.jpg
    Tafapetraka soa aman-tsara anio maraina tetsy Ambohidahy ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana Filoham-pirenen-dRtoa Lalao Rakotonirainy Ravalomanana.Vahoaka sesehena faly sy ravo ary velom-panantenana no nanontrona azy tamin’izany.


    Velom-bolo sy velon-kira ny rehetra ary tsy nitsahatra niredona hoe : “Lalao e!,Lalao a!...” ; fa indrindra ny tsy afaka tao am-bavan’ny maro dia ny hoe: “ 1er tour dia vita”.

    « Vonona aho » hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana ; ary tsy adinony ny nanentana ny vahoaka Malagasy mba hisoratra anarana sy hanamarina ny anarany any amin’ny biraom-pokontany misy azy tsirairay.

    Ny azo antoka dia faly,tena faly ireo vahoaka maro be nanontrona an'i Neny androany, ary Dingana lehibe vaovao no miandry an'i Neny sy ireo vahoaka Malagasy manomboka eto...

    Andian-tsary sy HORONAN-TSARY nanamarika ny andro androany.








    Sary: Nadia Raonimanalina / Ny Soatiana Rajoelisoa / Terre de Progrès
    Horonan-tsary: Terre de Progrès / http://www.tim-madagascar.org/

    2 commentaires:

    1. Misaotra Neny a, mankasitraka é, tsisy miala aminao eo, homba anao mandrakariva anie Andriamanitra fa MAHEREZA

      RépondreSupprimer
    2. Vonona izahay hanohana anao Neny a! Dieny izao isika dia tokony efa hanentana ny isan-tokantrano e! "Lalao e! Lalao a! lalao e ny any aminay Lalao a!"... Mety ho lasa hira filamatra io an!

      RépondreSupprimer