Dia
mahagaga sady mampalahelo ny fahasahian’ireto kandidà maro be mampanantena
fandrosoana sy filaminana ho an’i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy.Nandritra
ny efa-taona anefa dia ny ankamaroan’izy ireo ihany no nampandohalika sy nandrotidrotika
tanteraka an’ity Firenena ity ka mahatonga ny Malagasy hiaina tanteraka anaty
fahantràna sy tsy fandriampahalemana manara-penitra ankehitriny.
Tsy tahotra
tsy henatra dia mahasahy mamerina ny fisolokiana sy fanambakàna ny mpiray
Tanindrazana aminy indray toy ny nataony efa-taona lasa izay ry
mpanongam-panjakàna isany.
Tao anatin’ny
efa-taona monja dia nitotongana izay tsy izy ny farim-piainan’ny ankamaroan’ny
Malagasy.Mahatratra an’hetsiny maro ireo mpiray Tanindrazana very asa tsy
fidiny vokatry ny krizy sy ny fanonganam-panjakàna,ary torak’izany koa ny isan’ireo
ankizy mpianatra izay voatery mandao tsy fidiny ny sekoly ary lasa manamaro isa
ireo Ray aman-dReniny eo amin’ny sehatry ny fitadiavam-bola.
Ny horohoro
sy tebiteby isan’andro tsy lazaina intsony fa dia mandry andriran’antsy tsy
tapaka ny fiaraha-monina vokatry ny tsy fandriam-pahalemana mahazo vahana
tanteraka ankehitriny.
Etsy
ankilan’izay ireo mpanongam-panjakàna nampanantena mana sy edena teny an-kianja
vao nahazo ny seza sy fahefàna notadiaviny dia ny tombotson’izy ireo sy ny
paosiny no nofenoiny mialoha.Tsy nanao PMU ireo na nanao lalao hafa mba
hahazoana vola be kanefa dia volana vitsy monja nandrombahany ny fitondràna dia lasa mpanefoefo sy miliaridera avokoa.Dia gaga ianao hoy ny fitenin’ny
tanora izay!
Efa betsaka
ny rano-mainty lany sy ady hevitra vita mikasika izany nandritra izay efa-taona nisian’ny
fanjakàn’i Baroa izay ka tsy asiam-panazavàna be intsony.Tsy ringana ho azy
amin’izao tsy akory ireo harem-pirenena sy andramena (bois de rose)
Malagasy,ary tsy nihitatra ho azy amin’izao koa ny tetezamitatra fa nisy antony
tao.
Ankehitriny
dia tonga ihany ity ny fifidianana (raha tsy hisy indray ny teti-dratsin’ireo
olom-bitsy matahotra safidim-bahoaka).Fifidianana madio sy mangarahara tokoa ve
nefa no hisy? Hanana ny safidiny malalaka tokoa ve ny vahoaka Malagasy?
-Hatreto
mantsy dia mbola ny ankamaroan’ireo mpanongam-panjakàna indray koa no mbola
mameno lisitra hosafidianin’ny Malagasy,ary hanao izay fomba rehetra
handrombahana fahefàna indray.Ankoatra ny fanaovana fampihelezan-kevitra
mialohan’ny fotoana nandritra izay efa-taona izay dia eo koa ny fampiasàna sy
famafazana ireo vola be tsy fanta-piaviana sy voahangona nandritra ny tetezamitatra.
Mora tokoa ny mizara sy mandany vola rehefa tsy nisasarana sy tsy
nitsembohana ny nazahoana azy…Ary dia voavidiny sy voatampiny maso daholo
hatramin’ireo mba noheverin’ny vahoaka ho hitsikitsika nivavahana.Tao ireo mba
noheverina ho Ray aman-dReny sy kitro nifaharana amin’ny fampanajàna lalàna
kinanjo lasa mpanao majia sy kajy sampontsampona toy ny hoe "49=50" ireo mba
nantenaina ho tandroka aron’ny vozona kinanjo ireo fahavalon'ny fandrosoana indray no narovany.
-Ankoatr’izany
dia amin’ny fomba ahoana moa no hisian’ny fitovian-jo eo amin’ireo kandidà
mpifaninana raha toa ka ireo lazaina fa avy amin’ny fanjakàna dia afaka mampiasa
Hainoamanjery (Radio sy Fahitalavitra) am-polony maro eo an-tanany ary afaka
manampatra sy mivalapatra amin’izany amin’ny ora sy fotoana hitiavany azy.Ireo
kandidà izay lazaina fa mpanohitra kosa dia tapenam-bava tanteraka ary tsy re
feo sy tsy hita sary akory na dia any amin’ny Hainoamanjery lazaina fa fanjakàna
aza (RNM,TVM).Tsara ny manamarika sy manantitrantitra fa mahatratra 77 isa
mahery ireo Hainoamanjery nakaton’izao fitondràna tetezamita izao nandritra
izay efa-taona nanjakàny izay.
Na dia eo
aza anefa izany tsindry hazo-lena sy mizàna tsindrian’ila izany dia soa ihany
fa misy ny olona sahy sy vonona tanteraka hanarina sy hanangana indray ity
Firenena efa mandohalika sy potika tanteraka ity.Tamin’ny fomba feno habibiana
sy herisetra no nanalàna sy nanosihosena ny zo sy safidin’ny vahoaka Malagasy
efa-taona lasa izay.Efa-taona ihany koa nanjakàn’ny safidy sy feom-basy izay tsy
nanao hafa tsy niaro sy nametraka fahefàna tsy ara-dalàna teo ambony fahoriana
sy fahantràn’ny Malagasy.
Ankehitriny
tonga ny fotoana hanambaran’ny Malagasy indray ny hery sy firaisan-kinany mba
hanovàna ny tantara sy hanavotana an’i Madagasikara.Ny toky fitaka fa ny atao
no hita ary anjaran’ny tsirairay no misintona lesona tamin’ny lasa rehetra mba
hanamboarana sy hibanjinana indray ny ho avy vaovao.
Hoy Ramatoa
Lalao Ravalomanana hoe: "Vonona aho hanangana ny rava,andao isika
hiara-dia.Tsy adidiko samirery anefa fa adidiko Izaho sy Ianao."
Madagasikara Malalako

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire