RADIO LONGO MADAGASIKARA
"Neny" Lalao Ravalomanana teny an-kianja (andian-tsary+ VIDEO)
Tamin-kafaliana sy haravoana feno fanantenana tanteraka no nandraisan'ireo vahoaka maro be mpanohana an'i "Neny" tetsy amin'ny kianjan'ny Finoana Magro ny sabotsy hariva teo.Namelona sy nampiredareda tanteraka ny afom-pitiavan-tanindrazana tsy nety maty tao am-pon'ny vahoaka ny fahitàna an'i Neny teny an-kianja.Tafaray ny tia sy ny manina satria efa ela niandrasana ny vahoaka ary tonga tamim-pahavononana tanteraka i Neny Lalao Ravalomanana Rakotonirainy.
Fotoana koa io andro io niarahabàna an'ity kandidà ofisialin'ny movansa Ravalomanana ity noho ny fitsingerenan'ny taona nahaterahany.Tsy adinon'ireo zanak'i Dada sy ireo vahoaka maro be tonga tao ny nanolotra mari-pahatsiarovana an'i Neny ho marik'izany andro izany.Fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny dingana lehibe sy goavana hiarahan'i Neny sy ny vahoaka Malagasy makany amin'ny fandresena manomboka eto.
Ho an'ireo vahoaka maro be velon-kira sy feno fifaliana dia "1er tour dia vita".Ny azo antoka dia tokana ny tanjona : FANDRESENA MIARAKA AMIN'I NENY !
Isaorana lehibe ireo namana naka ny sary: Nadia Raonimanalina / GTT miaraka amin'ny Filoha Ravalomanana
D.R.
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire