Vonona
tanteraka amin’ny dingana lehibe vaovao izay hiarahany amin’ny vahoaka Malagasy
i “Neny” Lalao Ravalomanana.Tsy mihemotra fa dia miroso am-pinoana ny diany na
dia eo aza ny fanambaràna sy sakantsakana etsy sy eroa.
Nanomboka omaly
ary dia nihazo ny renivohitr’i Boeny indray i “Neny.Teny andalana dia nandalo
tao amin’ny Commune Ambalanjanakomby Maevatanana ity kandidàn’ny Ankolafy
Ravalomanana ity.Ary toy ireo toerana maro izay efa nandalovany dia vahoaka
feno hafaliana sy fanantenana tanteraka ihany koa no nandray sy nitsena azy
tao.
Marihina fa
anisan’ireo fandaharam-potoan’i Neny amin’izao diany any Mahajanga izao ny
famaliana ny fanasan’ny Synodam-paritanin’i Boina amin’ny famaranana ny
fiofanana diakona sy loholona ao.
Indro andian-tsary nanamarika ny fotoana.Isaorana manokana ireo namana naka sy tompon'ny sary.
crédit photos: Daniel Rakotoarisoa/Voara
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire