Fetin’ny Reny anasan-dRamatoa Lalao Ravalomanana antsika rehetra (Ray, Reny, Zanaka) ao amin’ny kianja Madera Anosivavaka,ny alahady 26 May 2013 amin’ny 3 ora tolakandro.
Fanompoam-pivavahana anasana ahy sy ianao hiaraka hivavaka ho an’ny RENY.
HAFATRA SY FIARAHABANA AVY AMIN'I "NENY" LALAO RAVALOMANANA
Izany teny nataon’ny anjely tamin’ny renim-pianakaviana iray dia i Maria izany no entiko iarahabana ny reny rehetra manerana ny nosy, amin’izao andro natokana ho an’ny RENY izao.
Mankalaza ny fetin’ny Reny tokoa isika ary miombom-pifaliana miaraka amin’ny Reny rehetra, satria nanao zava-dehibe ny renim-pianakaviana Andriamanitra, nomen’ Andriamanitra anjara toerana lehibe manokana sy mahagaga tokoa ny renim-pianakaviana teo amin’ny sehatra rehetra misy eto amin’izao tontolo izao: na ny fiaraha-monina,na ny fianakaviana, na ny firenena; ary ho antsika Malagasy manokana dia efa hatry ny ela no natao ho fototry ny firenena ny RENY, mahagaga tokoa satria ny fototenin’ny firenena dia hoe : RENY , ary hitantsika amin’izany fa tsy manam-paharoa tokoa ny RENY.
Koa izao fetin’ny RENY izao ary no tokony hanaitra antsika indray hampiasa ny fahatsaran’Andriamanitra amintsika RENY ka hamelomantsika ny voninahitr’Andriamanitra.
Fanamby apetraka ho antsika RENY rehetra ny :
-ho RENY filamatra sy modely ka ho reharehan’ny ankohonana ny fisiantsika.
-ho RENY miavaka azo hametrahana fitokisana eo amin’ny sehatra rehetra ka hazoto hiasa sy hampiasa ny talenta samy hafa eo ampelantanantsika.
-ho RENY mamiratra ka ny ho avin’izao firenena izao dia ho eo ampelantanantsika, mba ho fitaovana mahomby isika, hitondra fahombiazana sy fivelarana ary fandrosoana eto amin’ny firenena.
-ho RENY idealy ka hampiasa ny fahendrena sy ny fahalalana ananantsika amin’ny fomba fiteny sy ny asantsika rehetra.
Koa satria zava-dehibe loatra ny fananana Reny feno hery dia mangataka antsika tsirairay ihany koa hitondra am-bavaka an’ i Bebe Razay sy ireo reny rehetra mandalo tsy fahasalamana amin’izao vanin’andro izao.
Andriamanitra hanampy hery antsika RENY rehetra mba ho Voninahiny irery ihany ny maha RENY antsika tsirairay avy.
Lalao RAVALOMANANA
HAFATRA SY FIARAHABANA AVY AMIN'I "NENY" LALAO RAVALOMANANA
"Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao" Lioka 1/8

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire