Na eo aza ireo sakantsakana isan-karazany etsy sy eroa dia mizotra tsara anaty fahombiazana tanteraka ary mitohy am-pilaminana sy am-pinoana ny dia sy fitsidiam-paritra ataon-dRamatoa Lalao Ravalomanana.
Omaly dia anjaran’i Tsiroanomandidy sy Analavory indray no nihaona sy nandray an’i “Neny”;ary toy ireo faritra maro efa notsidihany dia vahoaka faly sy ravo ary velom-panantenana tanteraka hatrany no nitsena sy nadray azy.
Raha tao Tsiroanomandidy manokana ohatra dia kilaometatra maro tsy hidirana ny tanàna dia efa feno olona manamorona ny làlana niandry sy nitsena ireo “delegasiona mafonja” notarihan’i Neny Lalao Ravalomanana.
“Vonona aho hanarina ny rava, vonona ho an’ny fireneko, ary izany dia tsy adidiko izaho samy irery fa adidiko izaho sy ianao.” Hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana raha nadray fitenenana.Ireo vahoaka izay mahatsiaro mangirifiry sy mijaly vokatry ny krizy lavareny kosa tetsy andaniny dia vonona tanteraka ihany koa hanohana sy hifanome tànana amin’i Neny.Araho ato amin'ny antsipirihany ny kabarin'i Neny.
Fehiny dia tafaray ny tia sy ny manina: Ny vahoaka tokin’i Neny,i Neny kosa tokin’ny vahoaka.
Lesona sy Hafatra goavana koa izao ho an’ireo rehetra izay tsy mitsahatra mivoy tato ato ny fanilihana sy faminganana an’ity kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana ity;indrindra ho an’ilay firenen-dehibe vahiny mialokaloka (sy manao fitaovana ?) ao ambadiky ny vondrona iraisam-pirenena: Demokrasia sy safidin’ny vahoaka Malagasy tokoa ve no tiana hanjaka sy tanteraka eto Madagasikara?
Fanontaniana sy fanamarihana mipetraka ihany io fa ho an’ny maro dia efa mazava ny lànana sy vahaolana: Ampy izay! Mitohy ny dia sy dingana lehibe vaovao miaraka amin’i Neny Lalao Ravalomanana.
Indro zaraina amintsika ireo andian-tsary maro nanamarika sy mitantara ny fihaonan’i Neny sy ireo vahoaka tao Tsiroanomandidy sy Analavory.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire