RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Neny Lalao Ravalomanana: " Antoky ny ho avin'i Madagasikara ny zaza ankehitriny..."


    andro_zaza_neny-ravalomanana.jpg

    Nanararaotra ny andro atokana maneran-tany hiadiana amin'ny fampiasana zaza androany Ramatoa Lalao RAVALOMANANA. Nantitranteriny fa zava-dehibe ho an'i Madagasikara ny miaro ny zaza  ary ny manaja ny zony hahazo fanabeazana mendrika sy hiaina feno ny fahazazany.


    "Matotra hatrany ny hevitsika teto Madagasikara hatramin'izay amin'ny fanoherana ny fampiasana zaza madinika. Hentitra ny famaizana miandry ireo manararaotra ny herimpon'ny zaza madinika hitadiavam-bola. Mila fepetra mihoatra noho izany ny ady hamongorana ireo endrika faran'izay tsy mendrika amin'ny fampiasana ny zaza. Tohizintsika izany fepetra hentitra izany na sahirana manao ahoana isika amin'ny fihariana. Zava-doza io tsy maintsy foanana io ary tsy maintsy ataontsika azo antoka ny fiarovana ny zanatsika".

    " Antoky ny ho avin'i Madagasikara ny zaza ankehitriny. Loza mitatao ho an'ny fampiroboroboana ny fihariana sy ny fampandrosoana ny tanintsika kosa raha tsy manao fanabeazana manandrify an'izany isika. Aoka isika tsy hifetsy ny herimpon-jaza ka hampandamoka ny fanantenana sy ny nofinofin'ny firenentsika"

    "Zon'ny zaza tsirairay avy ny hahazo hiandrandra ho avy feno fanantenana ary fady lavitra ny mpanararaotra. Mitsinjo lavitra ho an'ny taranaka maro mifandimby isika rehefa manangana fa tsy manaiky ho sodokan'ny antomotra manimba ny ho avy. 1,8 tapitrisa tamin'ny 2009 ny zaza 5 hatramin'ny 17 taona miasa anaty sehatra mosalahy raha ny hitan'ny Fikambanambe Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT, Organisation Internationale dy Travail). Tonga izao ny fotoana andraisantsika ny andraikitra hiaro ny ankizy eto Madagasikara".

    "Fanantenana no entiko izaho izay atolotry ny Ankolafy Ravalomanana hofidiana ho Filoham-pirenena fa hahazo vahana amin'ny fitondrana hotarihako ny ady amin'ny fampiasana zaza. Hataontsika izay rehetra mety ho efa hampihena isa ny ankizy voatery miasa ary hahazoana miantoka fanabeazana tandrify ho an'ny tanora rehetra".


    "Manohana ny ezaka ataon'ny Firenena Mikambana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny Ankolafy ary miaiky fa tsy hahita fiovana mivaingana raha tsy ny firaisankinantsika rehetra. Aoka ho tena Firenena iray mivondrona isika amin'ny fotoanan'ny fifidianana hanavotana ny hoavy sarobidin'ny tanintsika".

    1 commentaire:

    1. Misaotra betsaka anao Mme lalao Ravalomanana manome fanantenana sy mitsinjo ny zaza malagasy.Raha ny isan'ny ankizy votery niala an-tsekoly vokatr'izao krizy izao dia efa tsy voatanisa intsony fa tena mankarary fo sy mampalahelo tanteraka.Indrisy fa tsy mba ny ho avin'ny zaza sy tanora malagasy no imasoan'ireo manandratra ny tenany ho mpitondra ankehitriny fa zavatra hafa;nefa dia ny ankamaroan'ireo ao @ fitondrana reo ihany no nanongam-panjakana teto ka nahatonga izao krizy tsy manam-paharoa lalovan'ny Firentsika izao ary mahatonga ireo zaza maro be votery mitady vola sy miasa manampy ny Ray aman-dreniny.

      Hanampy anao anie ny Tompo ry Neny amin'ny adidy lehibe izay miandry anao eto @ Tanindrazantsika.Mahereza fa momba anao Andriamanitra.

      RépondreSupprimer