RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Dr Robinson Jean Louis :Tonga ireo helikoptera hampiasainy




    Sahy matoa mifaninana ! Tonga omaly tamin’ny 5 ora hariva teny Ivato ireo helikoptera roa, miloko mena sy manga, avy any Afrika Atsimo hanampy ireo hampiasain’ny kandida Dr Robinson Jean Louis amin’ny fitetezam-paritra hataony mandritra ny propagandy.

    Efa niseho sahady anefa ny karazana antsojay ataon’ny manampahefana sasany satria dia nisy ny filam-baniny momba ny toerana tokony hametrahana ireto angidimby ireto. Ary atsy ho atsy dia mety ho avy koa ny filam-baniny isan-karazany tahaka ny hoe tsy mahazo mampiasa mpanamory vahiny, na tsy mahazo miasa satria tsy mbola mitondra ny laharana (immatriculation) eto Madagasikara. Izay tranga efa tsy dia mahagaga firy satria izay rehetra mamofompofona Marc Ravalomanana dia tena ankahalain’ireo vondron’olona manampahefana anatin’izao tetezamita izao mihitsy. Efa manana helikoptera iray fampiasany amin’ny maha tompona toeram-pitsaboana azy moa ny Dr Robinson Jean Louis, ka dia ho helikoptera telo no hampiasainy, izy sy ny ekipa rehetra miara-miasa aminy hanaovana propagandy. Mazava ny tenin’Atoa Marc Ravalomanana fa tsy maintsy atao izay handresen’ny kandida Jean Louis Robinson ary efa manana ny paikady sy ny fitaovana ampiasaina ho amin’izany ny Avana sy ny ankolafy Ravalomanana. Tsy sangisangy na kivazivazy no atao fa tena tolona ho fanavotam-pirenena tokoa, ka rehefa hanao ihany dia atao tsara ary tanjona ny hahalany an’ny Dr Robinson Jean Louis amin’ny fihodinana voalohany… «1er tour de vita».

    Efa porofo mivaingana amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany sahady ny fahatongavan’ireto helikoptera roa ireto, ary tsy maintsy hitety ny faritra, Distrika, Kaominina, Fokontany manerana ny Nosy ity kandida ity mba hahafahany mifanatri-tava amin’ny Malagasy, miresaka sy manazava amin’izy ireo ny fandaharanasany miainga amin’ny MAP (Madagasikara Am-perinasa) nasiam-panatsarana sy ny eritreriny hampandrosoana an’i Madagasikara sy hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy. Efa nanambara mazava ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa hanampy an’i Jean Louis Robinson ka dia io tonga io izany ny helikoptera roa. Azo antoka fa mbola ho avy ny fanampiana sy fanohanana hafa mba tena hampalavorary ny fampielezan-kevitra sy hahatafita tsara any amin’ny mpifidy ny maha zava-dehibe ny hifidianany ny Dr Jean Louis Robinson. Izy rahateo dia kandida akaikin’ny vahoaka, araka ny filamatra hoe : «Ny vahoaka aloha no andrianina» ka ny tonga miaraka dia fanombohana ary ny miasa miaraka no fahombiazana !

    RTT

    Dr Robinson Jean Louis : Akaiky ny vahoaka indrindra


    Ny Distrikan’Avaradrano no nanohizan’ny kandida Robinson Jean Louis ny fidinana ifotony omaly tontolo andro, nifampiresahany nivantana tamin’ny vahoaka ka nilazany fa hanarina ny rava izy, ary efa vonona ny MAP na ny Madagasikara Am-perinasa hanatanterahana izany miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Voatetiny i Talatavolonondry, Sabotsy Namehana nipaka hatreny Ankadindratombo-Alasora.

    Niara-dia taminy hatrany i Neny Lalao Ravalomanana sy ireo delegasiona mafonja avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko Avana. Vory lanona hatrany ny olona tamin’ireo toerana rehetra nalehany. Voaporofo indray omaly ny maha kandida “favori” sy akain’ny vahoaka indrindra ny Dr Robinson Jean Louis. Tsy manadino an’Avaradrano ny tenako, hoy ity farany. Tanjon’ny Avana (antokony) rahateo ny fampihavanana izay manomboka amin’ny famerenana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Mila an’i Marc Ravalomanana aho, satria izy no môtera hampiainga ny firenena, hoy ny Dr Robison Jean Louis. Tohizana ny lalantsika, raha nampahafantatra ny fandaharanasany izy. Hataontsika mahita ranomasina ao anatin’ny adiny iray i Talatavolonondry, ka hasiana «Autoroute» miainga ao Anjozorobe mipaka any Vavatenina, hoy izy. Ho maimaimpoana ny fampianarana amin’ny ambaratonga voalohany, miaraka amin’izany ny “kit scolaire”. Haverina ny asa very vokatry ny fanonganam-panjakana ary hampiana hahaleotena ny fitsarana ary mila tafika mahomby isika. Hiaraka hiady amin’ny kolikoly isika. Ampahany ihany ireo. Niditra nivantana hatrany tamin’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo ny filoha Marc Ravalomanana. “Averintsika apetraka ny fahamasinana sy fahamarinana. Vitaina ny efa nimatimatesana ary hatsaraina”, hoy izy. Fantatro fa Avaradrano no tsara salan’isa indrindra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2006, ka avereno izany amin’ny Dr Robinson Jean-Louis araka ny toromarika nomeny ireo mpomba azy, hoy i Dada. Hiaraka hiasa isika hanatrarana izany, hoy i Neny Lalao Ravalomanana nanamafy. Fantatra fa hihazo an’i Mahitsy, Ambohidratrimo ary Ivato iny ny kandida anio.

    RHR

    2 commentaires:

    1. Misaotra indrindra Atoa Filoha !Andriamanitra anie homba anao sy ny Firenentsika mandrakariva.Tsy maintsy mandresy ny tolona e!

      RépondreSupprimer
    2. Tsy maintsy mandresy ny kandida tohanantsika e !! na inon-kidona na inon-kiatra, maharesy no fantatsika

      RépondreSupprimer