![]() |
| Nivadika hatramin'ny sainam-pirenena... |
Ny lasa tsy fanadino mba hibanjinana ny ho avy , ary ny tsy
fanadinoana ny tantara dia efa anjara birika lehibe iray hampandrosoanao ny
Firenenao sy mariky ny fitiavanao azy.
Zovy no tsy vaky fo, iza no tsy malahelo, ary tsy vitsy no mitomany
mahita ny faharavàna sy fahapotehana ary zava-doza mahazo ny Tanindrazana
ankehitriny.
Lasa fahazaran-dratsin’ny malagasy sisa ny maheno fa ny Fireneny no anisan’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ,zary lasa tandra vadi-koditra sy sakafo isan’andro ny tsy fandriam-pahalemana ,ny herisetra,ny fanararaotam-pahefàna…
Toa jerem-potsiny sisa ireo harem-pirenena maro be izay
mampiavaka ity Nosy ity hanjakàn’ireo vahiny sy ireo olom-bitsy milaza fa
tompom-pahefàna ary migoka ny tombotsoa mihoa-papana azo avy amin’izany haren’ny
Malagasy izany.
Ny 95%n’ny malagasy dia fadiranovana sy zara raha misakafo
tapa-kibo sisa ary mangetaheta ambony lakana mitsiriritra ity harem-be
viravirain’ireo tsy mataho-tody !Moa tsy tompony mangataka atiny va ?
Santionany fotsiny amin’ny jaly sy fahoriana mahazo ny
firenena sy ny vahoaka Malagasy ireo ary tsy tongatonga ho azy fa niniana natao
noho ny haitraitra sy fitiavan-tena ary tsy fiheritreretan’ireo olom-bitsy sasany izay migoka ny tombotsoa goavana eo
ambonin’ny fahantran’ny vahoaka malagasy ankehitriny.
Nopotehina sy nahongana tamin-kery feno herisetra sy
habibiana ny fitondrana teo aloha fa tsy nahavita azy hono sady tsy nahay
nitantana firenena ary nampahantra ny malagasy.
Ny tena marina matoa manongana dia mahavita tsaratsara kokoa
noho ny teo aloha, matoa manongana mahavita mampandroso bebe kokoa noho ilay mpitondra nahongana.
Inona nefa
ny zava-misy ankehitriny ? Dimy taona izao ny fitondràn’ny mpanongana no
teo fa mba nahavita tsara lavitra noho ilay fitondràna nahongana izay nohendrikendrehana
fa fototry ny raty rehetra tamin’izany fotoana va?
Aiza ho
aiza ny toerana misy an’i Madagasikara ankehitriny,dimy taona aty aoriana,
ara-toe-karena ,sosialy,ary politika?
Firy isan’andro
ireo zaza Malagasy miala an-daharana sy tsy miditra an-tsekoly intsony ? Lasa
manampy ireo Ray aman-dReniny eo amin’ny sehatry ny fitadiavana!
Firifiry
ireo Malagasy tsy an’asa ankehitriny vokatry ny krizy lavareny ?
Firifiry
ireo vaki-trano sy vono olona tsy mitsaha-mitombo isan’andro ary tsy mampandry
andro,tsy mampandry alina ny fiaraha-monina izay lasa mandry an-driran’antsy
lava noho ny tahotra sy horohoro?
Aza adino
fa tamin’ity fitondràna mpanongam-panjakàna ity no nisy hainoamanjery (radio sy
televiziona) nakatona sy nihidy be indrindra tamin’ny tantaran’i Madagasikara.Maherin’ny
80 isa izany manerana ny Nosy.Ankoatr’ireo izay nodorana sy nopotehina tamin’ny
andron’ny alatsinainy mainty.
Aza adino
fa tamin’ity fitondrana mpanongam-panjakàna ity no nisy mpanao gazety,mpitondra
fivavahana,miaramila,olon-tsotra,sns…betsaka indrindra nigadra (fonja mora)
Aza adino
fa i Madagasikara no anisan’ny firenena vitsy misy mpanongam-panjakàna nibodo
toerana sy fahefàna ela indrindra teo amin’ny fitondràna (dimy taona) ,ary anisan’ny
firenena vitsy,mba tsy hilazàna hoe tokana manana mpanongam-panjakàna voasazy
iraisam-pirenena nefa afaka milatsaka hofidiana (filoham-pirenena sy
solombavambahoaka) ihany avy eo.
Ny galona
na girady betsaka indrindra tao anatin’ny fotoana fohy indrindra niakatra ho an’ireo
miaramila tsy tanisaina intsony…
Ankehitriny
mandalo kihon-dalana vaovao ny Firenena.Kihon-dalana hafa kely satria dia
manomana fifidianana hafa kely tsy toy ny mahazatra.
Eo
indrindra no tiana hanairana sy hamohazana ny saintsika vahoaka Malagasy rehetra.
Aoka re mba
tsy handrihandry manan’aretina isika!!!
Aoka re mba tsy ho varimbarian’ny
lavitra isika ka tsy hahita ny zava-doza izay efa nikiky maharitra ny
Firenena!!!
Aoka re mba
samy hijoro ho tompon’andraikitra amin’ity Tanindrazana iombonana ity isika
rehetra ka samy hifoha daholo amin’izay ary hisoroka ireo loza rehetra izay
mety ho avy sy mananontanona!!!
Aoka mba
samy tsy ho voarebireby sy voaraikiraikin’ireo vola be mifafy etsy sy eroa izay
aparitak’ireo efa zatra mividy fahefàna sy matahotra safidim-bahoaka!!!
Indrindra
indrindra,aoka mba samy hahatadidy tsara ny tantara sy ny zava-misy teto isika
ka tsy hamerina intsony izay fahadisoana efa vita sy lasa.”Ny lasa hono tsy
fanadino mba hibanjinana ny ho avy”
Aza adino
ny tantara, ary raiso an-tanana ny ho avinao sy ny Firenenao.Sahia mijoro ho
olom-pirenena tompon’andraikitra sy tia tanindrazana marina satria isika
rehetra no tompon’i Madagasikara ary isika rehetra no afaka hanarina sy
hanavotra azy indray!
Mahaiza
mifidy, Tsy amidy ny safidy!
Madagasikara
saro-bidy!
*Ny
tranonkala Madagasikara Malalako dia anisan’ireo tranonkala nanoratra sy
nahatahiry ny tantara nisy teto amin’ny Firenena nandritra izay dimy taona
izay. Betsaka ny tsara ho fantatra sy tsy tokony hadino amin’izay voarakitra sy
voasoratra ato koa manasa anao indrindra ho an’ireo namana izay vao nitsidika
ity tranonkala ity tsy hisalasala hanao jery todika vetivety sy hamadibadika
ireo pejy vitsivitsy maromaro ato.”Ny teny mandalo,ny soratra mitoetra”
D.R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire