RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Dr Robinson Jean Louis :Miroso amin’ny fandresena


    Robinson_Ravalomanana-fampihelezan-kevitra2013

    Manaraka akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara ny any ivelany amin’izao vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra izao.

    Re izao fa misy firenena roa mpiara-miasa amintsika nanao tsapan-kevitra (sondage) nombana fanadihadiana ka nitovy ny vokatra azon’izy ireo, fa dia tafiditra laharana voalohany, izany hoe mahazo ny isam-bato be indrindra amin’ny fihodinana voalohany ny Dr Jean Louis Robinson, ao amin’ny laharana faharoa i Hery Rajaonarimampianina, manaraka avy eo Roland Ratsiraka sy Hajo Andrianainarivelo. Raha io fanadihadiana io izany no raisina dia hiatrika ny fihodinana faharoa, hatreto aloha, ny kandida tohanan’ny ankolafy Ravalomanana sy ny kandidan’ny fikambanana Hery Vaovao izay efa sokajian’ny rehetra fa kandidam-panjakana sy tohanan’ny filohan’ny tetezamita. Miseho eto indray izany ilay sary ifanandrinan’ny ankolafy roa nipoiran’ny krizy politika tamin’ny 2009. Tany aloha dia efa nisy ihany koa ny fanadihadiana natao ka nilaza fa raha toa ka kandida teo Atoa Marc Ravalomanana dia lany tsy nisy adihevitra, tahaka izany ihany koa tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana. Samy tsy nisy afaka nandray anjara tamin’ny fifidianana moa izy mivady fa dia nailika tamin’ny fomba mamohehatra, araka ny fomba fiteny. Mazava anefa ny resaka izao fa mbola ny olona tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ihany no hivoaka ho mpandresy amin’io fifidianana ho avy io.

    Ny antony dia tsotra be : efa leon’ny nataon’ny fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina sy ireo niara-nanongam-panjakana taminy ny Malagasy, ary nahatsapa fa tena niasa sy nahavita be ho an’ny firenena ny fitondrana Ravalomanana. Tsikaritra ihany koa fa manana mpanohana mbola tena matanjaka ny ankolafy Ravalomanana, ary hita mihitsy tato ho ato fa mifaninana ny faritra maneho ny fahavononany hampandany ny kandida Dr Robinson Jean Louis satria io no lalana hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Raha ny hamaroan’ny olona tany Fandriana toy izany koa ny tao Ambohimandroso sy Faratsiho nitohy tao Antsirabe, ary ny teny Antanikatsaka Itaosy (Atsimondrano) sy Ambohidratrimo, raha ny tamin’ny faran’ny herinandro teo fotsiny, dia tsapa fa ho mora an’ity kandidà «Favori» natolotry ny Avana sy tohan’ny ankolafy Ravalomanana ity ny handrombaka ny fandresena, dieny fihodinana voalohany.

    RTT

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire