Marovoay, Port Berge, Mandritsara, Befandriana Avaratra, Antsohihy no
toerana notsidihan’ny kandida Jean Louis Robinson omaly talata 8
Oktobra 2013. Vahoaka marobe hatrany no tonga nanatrika ny hetsika
tamin’ireo toerana ireo.
Ny kandida Robinson no nitarika ny delegasiona. Nanotrona azy ihany koa i Neny, ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot, sy Lanto Rabenantoandro mpikambana CST. Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby avy atsy Afrika Atsimo Atoa Marc Ravalomanana ka nanafatra ny vahoaka. Tsotra sady mazava ny teniny : fidio ny Dr Robinson laharana faha 33 ao amin’ny bileta tokana amin’ny 25 oktobra izao. Tongava mifidy, hoy izy na lahy na vavy fa izay no antoka hampody ahy. Entano daholo ny olona handeha hifidy, hoy hatrany i Dada. Hotohizana, hoy izy, ny tetikasa tsara tamin’ny fotoan’androny izay voalaza tao anatin’ny MAP. Nampanantena ny filoha Ravalomanana tamin’ireo faritra tsirairay ireo fa hojerena manokana rehefa tonga eto ny tenany. Ramatoa Lalao Ravalomanana kosa dia nilaza fa tena faly dia faly mahita ny vahoaka marobe. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny Avana isika hoy izy fa izay no fahombiazana.
Noho izany dia tsy mitsahatra isika ny mitondra am-bavaka satria ny vavaky ny marina manova zavatra. Ny kandida Robinson dia mampahafantatra hatrany ireo vahoaka ny fandaharan’asany hitondrany ny firenena rehefa lany ho filoham-pirenena ny tenany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampandehanana ireo hopitaly sy fanokafana ireo CSB II nakaton’ny “Foza”. Atao maimaimpoana ny fampianarana ambaratonga voalohany mba hahafahan’ny zaza malagasy miditra an-tsekoly, averina ihany koa ny kits scolaire, ary ampiana kiraro ihany koa izany. Averina ny AGOA ahitan’ny tanora asa, atsangana ny fitsarana afaka mitsara ireo mpitondra … Nahaliana tokoa no sady nahavelombolo ny olona nanatrika ny fampielezan-kevitra izany toky hanatanteraka asa izany. Fahombiazana hatrany araka izany ny hetsika fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Jean Louis Robinson izay natolotry ny movansy Ravalomanana sy ny Avana na dia teo ihany aza ny havizanana nahazo an’i Neny izay vao nandalo fahoriana vao tsy ela izay.Omaly hariva moa dia tao Antsohihy no namaranana ny hetsika.
RTT
http://tiatanindrazana.com/

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire