Vokatry ny fihaonam-bahoaka nataontsika dia nazava fa momba ny hevitsika ny vahoaka. Asa tena mafy no vitanareo. Ary fantatro ny fahafoizan-tena sy ny fihafianareo rehetra mba hitondrana anjara biriky tamin'ity fampielezankevitra ity. Misaotra anareo aho ny amin'ny filofosanareo feno dia feno. Ilay toe-tsain'i Madagasikara amin'ny tena izy no hitako teo aminareo. Isika dia vahoaka mahavita miray hina rehefa misy ny tanjona iombonana. Ny handresy amin'ny fihodinana voalohany no tanjontsika tamin'ny fampielezankevitra. Mino aho fa handresy isika. Na sanatria mila mandalo fihodinana faharoa aza isika, fantatro fa isika no handresy amin'ny farany … tsy maintsy mandresy isika satria isika no mpitondra fanevan'ny fahafahana, ny demôkrasia ary ny rariny sy hitsiny. Misaotra anareo rehetra aho."
Hoy ny nanampin'i Dokotera rehefa nanontaniana momba ny fizotran'ny fampielezankevitra izy: "Notetezinay ny vazantany efatra teto amintsika. Fihaonam-bahoaka goavana no hita tamin'izay rehetra naleha. Tanatin'ny fifankatiavana sy ny filaminana izany rehetra izany. Tiako ny misaotra sy mankasitraka etoana ny pôlisy, ny mpitandro filaminana, ny CENIT sy ny vondron'asa rehetra izay nanao be tokoa hatreto hampahomby ny fampielezankevitra. Niara-niasa ny mpomba ny AVANA sy ny TIM ary ny Ankolafy RAVALOMANANA ary niray hina hampahomby ny fampielezankevitra. Olona an-tapitrisany no nahatsikaritra an'izany firaisankina izany ka fantany fa ny fiarahantsika ihany no hampivitrana ny firenena. Irariako hizotra milamina ny fifidianana amin'ny zoma ary handeha amim-pahamarinana tsy mitanila ny fanisam-bato. Tsy mbola nanan-danja tahaka izao ny vato harotsakareo satria eo am-pelatànanareo ny fahafahan'ny firenentsika. Ny vato singany iray ho an'ny nomerao 33 dia vato iray mankany amin'ny fanovàna ho soa kokoa."

Dr Robinson Jean Louis

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire