RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Dr Robinson Jean-Louis: Babony avokoa ny rehetra


    robinson-vital-rabetsaroana.jpg

    Voaporofo indray omaly ny maha kandidan’ny firaisam-pirenena tokoa an’ny Dr Robinson Jean Louis.

    Ankoatra ireo tonga nivantana nanotrona azy teny an-kianjan’ny Magro Behoririka tamin’ny andro voalohan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fihodinana faharoa toa an-dry Noelson William kandida tamin’ny fihodinana voalohany, ny minisitra lefitra nisahana ny fampianarana ambony teo aloha Ying Vah Zafilahy … dia nanao ranolava koa omaly ireo fanambarana fanohanana fa resy lahatra ka miantso ireo mpomba azy hifidy an’ny Dr Robinson Jean Louis. Anisan’ireny ny praiminisitry ny tetezamita teo aloha ny jeneraly Camille Vital, kandidan’ny «Hiaraka isika» sy Rabetsaroana Sylvain, kandidan’ny «PNJ Mazava» tamin’ny fihodinana voalohany.

    Tao amin’ny Magro Behoririka moa dia notsorin’i Dadarôby fa efa miaraka aminy avokoa ny rehetra, eny fa na ireo nanohana an’i Hajo Andrianainarivelo aza… sy ireo efa nilaza fa hanohana azy amin’ity fihodinana faharoa ity ireny toa an-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa. Niforona koa izao ny KMDR (Komity Manohana an’ny Dokotera Robinson) izay vovonana mpanohana azy manerana an’i Madagasikara. 

    Feno ny ekipa na dia tsy mbola tonga aza ny kapiteny (Marc Ravalomanana) izay tsy maintsy hampodiako, hoy ny Dr Robinson. “Tsy miova amin’ny teniko aho”, hoy izy nanamafy. Tsy hiasa irery anefa aho fa fidio ny solombavambahoaka hahazoana ny maro an’isa ka i Neny no ho praiminisitra. Vonona ara-pahasalamana aho, hoy radoko ary ara-tsaina koa. Handresy isika, hoy izy. Na izany aza dia niantso ireo mpanohana azy ho mailo izy manoloana ireo mitetika ny hangala-bato. Tandremo fa mandady ny trambo, hoy izy. Toy ny tamin’ny fihodinana voalohany dia fiaraha-niombom-bavaka tao amin’ny Magro Behoririka no nisantaran’ny kandida Dr Robinson Jean Louis ny fampielezan-keviny amin’ity fihodinana faharoa ity. 

    Nitohy tamin’ny fitetezana ireo Boriborintany teto Antananarivo izany avy eo, fotoana nampahafantarana ireo kandida hirotsaka solombavambahoaka miara-dia aminy. Niara-dia aminy hatrany i Neny Lalao Ravalomanana sy ny talen’ny fampielezan-keviny Mangalaza Eugène.


    RHR

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire