RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Dr Robinson Jean-Louis: "Tonga ny fandresena" - "«Telo herinandro sisa dia hiova ny tantaran’i Madagasikara ka hifarana izao krizy izao»"


    antsirabe-robinson-fandresena.jpg

    Nitorajofo tanteraka indray i Antsirabe nandritra ny fandalovan’ny kandida Dr Robinson Jean Louis ny sabotsy 30 novambra teo. Rakotra olona ny kianjan’ny Piste Vatofotsy nifamotoanany tamin’ny vahoaka tao an-toerana.


    Nisaotra an’Andriamanitra i Neny Lalao Ravalomanana nanome fotoana nahafahana mihaona toy izao indray. Nisaotra ny vahoakan’Antsirabe ihany koa izy tamin’ny vato natolony ho an’ny Dr Robinson.

    Hifarana afaka andro vitsivitsy ny taona ka hiditra ny taona vaovao isika, hoy i Neny, hahazo filoha vaovao i Madagasikara ary hifarana hatreo ny krizy. Narary ny firenena ka nahay nisafidy isika nifidy an’ny Dokotera Robinson hitsabo azy mba ho afaka hianatra avokoa amin’izay ny kilonga, hiverina ny asa ary hiasa mafy ny lehilahy ka ho tonga firenena vanona indray i Madagasikara, hoy hatrany i Neny. Nentaniny ny vahoaka mba hifanentana ny hifidy ka ho be kokoa noho ny tamin’ny fihodinana voalohany ny vato ho an’ny kandidà Dr Robinson. Itsy farany tetsy an-kilan’izay dia nilaza fa «telo herinandro sisa dia hiova ny tantaran’i Madagasikara ka hifarana izao krizy izao». Nisaotra ny vahoakan’i Vakinankaratra izy satria anisan’ny nahazoany vato be ity Faritra ity. Notsahiviny fa ho fampihavanam-pirenena tena izy dia anisan’ny maika ho azy ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Nisy ny fangatahana maromaro nataon’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny taratasy novakiany ka nambarany fa hotanterahina izany toy ny famerenana ny asa eto Madagasikara, ny fanokafana ireo orinasa nikatona toy ny Magro, Tiko, ny AGOA ary ny fanolorana an’i Neny ho Praiminisitra.

    Nentaniny ny vahoaka ho tonga maro hifidy, indrindra ireo izay nisalasala teo amin’ny fihodinana voalohany iny ary koa ho hentitra amin’ny fiarovana ny safidy amin’ity indray mitoraka ity satria ady farany ity. Ho zava-doza raha tsy vita izay fiarovana ny hala-bato izay. Ankoatra izay dia nentanin’ny Dr Robinson Jean Louis ihany koa ny olona hifidy ireo kandidà Depiote marobe manohana azy, izay najorony teo avokoa ny kandidà rehetra tsy an-kanavaka. Nambaran’ity kandidan’ny AVANA tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ity fa miaraka aminy avokoa amin’ity fihodinana faharoa ity ny ankamaroan’ireo kandidà nifaninana taminy ka nilazany fa tsy maninona mihitsy fa raisina an-tanan-droa ihany koa i Hery Rajaonarimampianina raha hanohana azy koa. Nitohy tany Fandriana, Ambohimandroso, Ambohiborona (Faratsiho) ny fitsidihana nataon’ny Dr Robinson ny sabotsy teo.

    Caîus Raharison

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire