RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Komity mampandresy an'i Jean-Louis Robinson ho Filoha : Tolo-tànana tao Bretigny (Paris) - Ho Fiarovana ny zon'ny Malagasy!



    Vita soa aman-tsara ny hetsika nokarakarain’ny Kômity hampandresy an’i Jean-Louis Robinson aty ivelany ary nandraisan’i Bodo anjara mavitrika amin’ny maha-mpanakanto miandany amin’ny famerenana ny ara-dalàna azy.

    Misaotra ireo Malagasy namaly ny antso ary nahafinaritra ny lanonana satria nahitàna seho maro nanentanana ireo tonga mba ampiseho firaisankina amin’ny fiarovana ny zon’ny Malagasy hifidy amin’ny fiodinana faharoan’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny 20 desambra ho avy izao.

    Niditra mivantana tao koa moa ny filoha Ravalomanana ary nanamafy izany antso izany sady nitondràny fanazavàna ihany koa momba ny tokony hifandraisan’ny Malagasy Tanana indrindra amin’izao fotoana izao.

    Notsiahiviny fa tsy tokony ho 21% fotsiny ny salan’isa azon’i Jean-Louis Robinson hoy izy raha tsy nisy ny fanaovana hosoka sy hala-bato ary izany indrindra no tokony hanetsehan’ny Malagasy ny ambopony ary hanampiany ireo any an-toerana mba hametrahana délégués erak’ireo biraom-pifidianana rehetra manerana ny nosy.

    Amin'ity herinandro ity ihany dia efa hisy ny vola alefa any Madagasikara araka izay voalaza teo ampamaranana ny fotoana.

    Tapaka tao ihany koa fa ny 20 desambra ho avy izao, datin’ny fiodinana faharoa dia hifamotoana daholo ary hanaraka mivantana ny vokam-pifidianana ho raisina avy any Madagasikara.

    Fa mandra-pahatonga izany andro, dia hisy ny hetsika hanohizana sy hanamafisana ny fandresen-dahatra ny Malagasy mba hanao izay ho afany amin’izao fanavotam-pirenena izao fa ny ho avin’ny taranaka no tandrovana amin’izany. Holazaina manaraka ny andinindininy.


    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire