RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Tatitra sy tohin’ny fivoriana Komity Mampandresy an’i Jean-louis Robinson ho FILOHA


    Vita soa aman-tsara ny fananganana ny Komity manohana an’i Jean Louis Robinson aty andilambato izay natao tao Paris ny 10 novambra tolakandro.



    Misaotra antsika rehetra izay tonga tamin’izany, na ny avy lavitra na ny akaiky, naneho ny fahavononam-panahy sy fitiava-tanindrazana. Misaotra manokana an’i Bodo ihany koa izay nanome voninahitra izany fihaonana izany ka nizara ny fomba fijery ifotony sy nanoro hevitra antsika aty an-tany lavitra.

    Misaotra ihany koa ireo izay niditra tamin’ny alalan’ny skype ary maneho fialan-tsiny amin’ireo izay tsy voaray nohon’ny antony samihafa fa afaka mifampotoana amin’ny fotoana holazaina etsy ambany.

    Tapaka fa hovaina « Komity mampandresy an’i Jean Louis Robinson ho Filoha» ny anaran’ny Komity.

    Resy lahatra fa be ny asa ary be ny ezaka tsy maintsy hatrehina ka naneho fahavononana daholo hanao izay farahery amin’ity fihodinana faharoa ity.

    Andro vitsivitsy sisa dia hanomboka ny fampielezan-kevitra ary tsy manana zo handany fotoana mihitsy isika. 


    Koa amin’ny sabotsy 16 novambra 2013 tolakandro izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany dia hifampitaona ny rehetra, miaraka amin’ny tapaka sy namana, hanao ezaka fitadiavambola anatin’ny fialamboly (hirahira sy lalao), miaraka amin’i Bodo, izay tsara sitrapo sy namana rahateo anatin’ny tolona fanafahana an’i Madagasikara.

    Tandindon-doza i Madagasikara ankehitriny : raha tsy mihetsika isika Malagasy ampiseho firaisan-kina hanavotra ny Tanindrazana, dia ho very tanteraka ny fara-mandimby satria ho gejain’ny mpanjanaka sy ny saribakoliny mandritra ny taom-polo maro manaraka indray.

    Koa dia mitaona anao izay resy lahatra fa tokony hiaro ny safidy sy ny zon’ny vahoaka malagasy (fanomanana sy fanaraha-maso ny fizotran’ny fifidianana ary fisorohana ny hala-bato) hanala ireo mpanongampanjakana ary hampandresy ny Dr Jean-Louis Robinson ary hiverenan’ny tany tan-dalàna.

    Atreho ny adidinao, raiso ny andraikitrao, asehoy ny maha-malagasy anao, fa miankina aminao, amiko, amintsika ny ho avin’I Madagasikara.


    Ny Kômity mampandresy an’i Jean-Louis Robinson ho Filoha.
    Ny Mpandrindra : Atoa isany Bruno Rabenandrasana sy Jean-Luc Rabetrano.
    Salle Insomnia : 2 rue de Bretagne Brétigny-sur-Orge 91220.

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire