RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Ny Rado Rafalimanana: "Ny kandidà Dokotera Jean-Louis Robinson no tsapako fa hitondra fanafody ho an’ity Tanindrazana iombonanantsika ity"


    ny-rado-rafalimanana-RobinsonJL.jpg


    « Ny kandidà Dokotera Jean Louis Robinson no tsapako fa hitondra fanafody ho an’ity Tanindrazana iombonanantsika ity. Ny kandidà Dokotera Jean Louis Robinson no hitako fa afaka hanatanteraka ny hetahetan’ny Malagasy »

    hoy Ny Rado Rafalimanana mpitarika ny « Fanahy Maha Olona ». Nambarany fa masina ny safidy izay nataon’ny Malagasy tamin’ny 25 oktobra 2013 ka tokony hajain’ny rehetra satria ny safidin’ny maro an’isa mira feon’ny vahoaka.

    Naneho ny Malagasy fa mangetaheta fiovana sy fahalalahana ary maniry fampandrosoana eo amin’ny tontolo misy azy ireo.

    Mangataka fanjakana tan-dalàna mametraka vahoaka sambatra am-po sy sambatra ara-batana ary ara-panahy ihany koa ny fahatongavan’ny mpifidy maro tamin’iny fotoana iny.

    "Filoha hanatanteraka ny safidy sy ny fanirian’ny Malagasy".

    "Filoha hitondra fitoniana, Filoha hametraka fampihavanana sy ny soatoavina Malagasy."

    Filoha hanova ny ratsy sy ny tsy nety ka hitondra ny firenenana ho any amin’ny tsara no hofidian’ny Malagasy amin’ny fihodinana faharoa izay hatao ny 20 desambra izao.

    Nilaza Ny Rado Rafalimanana fa hitondra ny anjara-birikiny eo amin ny lafiny ara-toe-karena indrindra fa ny fiarahana amin’ireo mpiara-dia amiko eo amin ny sehatra iraisam-pirenena. Hotontosaina amin’ izany ireo “Plan Marshall” na ireo planina entina hampandrosoana ny firenena.

    Nanangona : Fano Randrianandrasana.

    Ny Vaovaontsika - Sabotsy 23 Novambra 2013

    2 commentaires:

    1. Mankasitraka Ny Rado Rafalimanana.Adidintsika rehetra ny manavotra sy manarina indray ity Tanindrazantsika ity.Ny hery tsy mahaleo ny FANAHY e!

      RépondreSupprimer