RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Izaho Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa...




    VELIRANO 1

    Tsy zarizary ny fanabeazana ny zaza malagasy. Tandindonin-doza ny ho avin’ny tanora. Vitsy ny tafiditra an-tsekoly. Vitsy tahaka izany koa ny mpampianatra amin'ny ambaratonga rehetra. Sahozanina ny fampianarana eto Madagasikara.

    Izaho Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa hijery akaiky ity FANABEAZANA ity


    -Tsy andoavam-bola ny fanabeazana fototra
    - Hanatsara ny karama no sady hanofana ireo mpampianatra
    - Hanorina sekoly hampidirana ireo zanatsika mirenireny
    - Hanamaivana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fanomezana kit scolaire sy famerenana indray ny cantine scolaire haingana araka izay azo atao




    VELIRANO faha-2

    Tokony handray anjara mavitrika ao amin’ny fiainam-pirenena ny Tanora

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa hijery akaiky ny fomba rehetra hananan'ny Tanora toerana manan-danja eo amin’ny fampandrosoana ny Firenena.
    - Hanangana sekoly fianaran’asa mifanandrify amin'ny izay takian’ny Faritra tsirairay mamokatra.
    - Hanangana toeram-pibeazana ara-panatanjahan-tena avo lenta.
    - Hanampy ireo mpanakanto sy mpana-talenta hahay hivarotra ireo zavatra vokariny




    VELIRANO faha-3

    Mitombo izay tsy izy ny fahantrana satria maro no very asa ny olona

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa :
    - hamerina ireo fotodrafitrasa lehibe toy ny fananganana sekoly, hopitaly, fanamboaran-dalana…, miteraka asa tsara karama sady mampivoatra an’i Madagasikara.
    - hanangana banky fampandrosoana raha mety sy ilaina ny hanaovana izany.



    VELIRANO faha – 4

    MARO DIA MARO NY KILEMAINA SY SEMBANA ETO AMINTSIKA

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velireno fa:
    - hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny sembana sy ny kilemaina
    - hanao izay ahazoan’izy ireo ny toerana sahaza azy na eo amin'ny seha-pampianarana na eo amin'ny seha-pamokarana
    -hampanjaka ny fitovian-jo araka izay azo atao.




    VELIRANO faha – 5

    Ho fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara.

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa HANANGANA RAFITRA MANOKANA hijery akaiky ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara



    VELIRANO faha – 6

    Miovaova ny toetr’andro; maro ny olana amin'ny fananan-tany; mitombo tsy an-kiato ny filàna angovo; ao koa ny fitantanana ny harena voa-janahary… .

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa hametraka fepetra tsotra 05 amin'izay fifanarahana amin'ny any ivelany:
    - Tsy tombontsoan’olombitsy no jerena;
    - Manamora ny fidiran’ny zaza malagasy an-tsekoly;
    - Manamora ny ahazoan’ny Malagasy fahasalamana:
    - Manamora ny ahazoan’ny Malagasy asa ivelomana
    - Ary indrindra tsy manohintohina ny FIANDRIANAM-PIRENENA



    VELIRANO faha – 7

    Isan’ny tena mampimenomenona ny olona ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary apetrany mihitsy ho fototry ny krizy hatramin’izay nahazoana ny fahaleovantena izay.

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa
    - hijery akaiky ny momba ireo mpiasam-panjakana: ny toerana tony hisy ny tsirairay araka ny fari-pahaizana ananany; ny hamerenana ny hasin’ireo « inspecteurs » na eo amin'ny ladoany, na ny « tahirimbola, na ny fampianarana na ny fahasalamana.
    -hanao vain-dohan-draharaha ny fampitaovana informatika ny sampan ’asa rehetra.



    VELIRANO faha – 8

    Sehatra telo no tena malaza fa anjakan’ny kolikoly: ny fitsarana; ny zandarmaria ary ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa:
    - hijery akaiky ny fomba rehetra hananana fitsarana madio eken’ny vahoaka;
    - hamerina ny toerana sy hasin’ny zandarmaria mpanompon’ny tanindrazana
    - hametraka mpitantana ny faritra itokisan’ny vahoaka.


    VELIRANO faha – 9

    Tsy dia mbola azon’ny mpiara-monina tsara ny mombamomba ity fiaraha-monim-pirenena ity.

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa
    - hihaino ny feon’ny fiaraha-monim-pirenena ho toy ny feom-bahoaka te hanatsara ny fiaianan’ny rehetra;
    - handary azy ho toy ny mpiray ombon’antoka amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny ny fitantanana ny raharaham-panjakana



    VELIRANO faha – 10

    Tena mbola lavitr’ezaka ny miralenta eto Madagasikara.

    Izaho Dr Dr Robinson Jean-Louis dia manao velirano fa
    - tsy hanao an-kilabao ny vehivavy malagasy
    - hamporisika azy ireo hianatra ahazoany mandray anjara amin'ny sehatra rehetra ao amin'ny ny fiaraha-monina, indrindra amin'ireny toerana sy andraikitra tazonina amin'ny alalan’ny fifidianana.



    Fehiny

    Maro ny lesona azo tsoahina amin’ireto velirano ireto
    - Mahalala ny mianjady amin’ny Malagasy i Dokotera
    - Manana ny saina sy ny fahendrena hanasitranana izany koa
    - Vonona hisedra ny mafy rehetra matoa SAHY manao VELIRANO

    http://robinson2013.mg/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire