RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Filoha Marc Ravalomanana: " (...) Tsia !Tsia hoy aho, tsia !Mila miova isika, ary mila mijoro isika, sahia ry Malagasy, sahia ry mpifidy manapa-kevitra hifidy an’i Dokotera Robinson Jean-Louis"


    ravalomanana-jlrobinson20-12-2013.jpg
    "Mila miova isika, (...) Sahia ry Malagasy!"

    Indro ny hafatra sy toro-marika avy amin'ny filoha Marc Ravalomanana manoloana ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana solombavambahoaka ny faha 20-n'ny volana desambra 2013 ho avy izao.

    Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa dia vonona hiroso amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, ary vonona ihany koa amin’izay fifidianana solombavambahoaka na "députés" amin’ny faha 20 volana desambra ho avy izao.


    Misaotra an’Andriamanitra isika hoy aho aminareo, fa dia misaotra ihany koa ny vahoaka malagasy indrindra fa ny mpifidy izay nanaraka tsara ny toro-marika ka dia nahatonga antsika ho tafita amin’ny fihodinana faharoa.

    Manan-kambara aminareo aho, ary misy hafatra lehibe tiako ho lazaina amin’izany satria ity fifidianana izay hatrehintsika amin’ny 20 volana desambra ho avy izao ity, amin’ny zoma izany, dia tsy mitovy amin’ny fifidianana rehetra, miaraka ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika sy ny fifidianana izay ho députés.Ka araho tsara satria tena hiankinan’ny hoavin’ny firenentsika ,iankinan’ny hoavinao ary indrindra indrindra iankinan’ny hoavin’ny taranantsika.

    Kihon-dalana iray amin’ny tantaran’i Madagasikara, ary hamaranana tanteraka izao fahasahiranana ara-politika mianjady amin’i Madagasikara nandritra ny efa-taona sy tapany izao.Faranantsika amin’ny fifidianana amin’ny faha 20 volana desambra ho avy izao ny fangirifiriana, ny fijaliana, fampihorohoroana, fanagadràna, eny fa namohizana ny ain’ny mpiara-mitolona amintsika aza.

    Mafy,azoko sary an-tsaina, azonao sary an-tsaina ny nanjoa nandritra izay efa-taona sy tapany izay.Dia mbola hijanona amin’izay ihany ve? Tsia !Tsia hoy aho, tsia !Mila miova isika, ary mila mijoro isika.Sahy ohatra ny nataon’i Tpklahy Mandela.Tsy mihemotra mihitsy,tsy milefitra,tsy milavo lefona !Ka dia sahia ry Malagasy, sahia ry mpifidy manapa-kevitra hifidy an’i Dokotera Robinson Jean-Louis fa izy ihany no favori.Afaka hampihavana ny vahoaka malagasy izy, afaka hampandroso an’i Madagasikara izy ary hananan’ny mpiara-miombon’antoka amintsika sy ny mpamatsy vola fatokisana.Tsy mba voaroiroy tamin’ireo mpanongam-panjakàna mantsy izy.

    Isika koa anie tsy afaka miolonolona e !ka hoe tsy mila ny vondrona eropeana na vondrona afrikana e.Mila ny vondrona eropena isika amin’ny fanampiana ara-bola, ary tsy afaka miala amin’ny vondrona afrikana isika satria efa nanaiky ary nanao sonia ilay « charte de l’union africaine pour la démocratie des élections et de la gouvernance, art 25.4.

    Maninona aho no mamerimberina anareo an’izany ?Voalaza mazava tsara ao anatin’izany “charte” izany fa ny olona izay nandray anjara na mitarika amin’ny fankàna an-keriny, tsy tamin’ny fomba demokratika ny fahefàna dia tsy mahazo mirotsaka na mandray anjara amin’ny fifidianana amin’ny famerenana ny demokrasia amin’ny tany izay niaviany.Ka dia hoy aho aminareo hoe : Zava-dehibe loatra ity fifidianana izay ho avy ity.Koa fidio tsara ireo olona misy amin’arivony ireo.Roa arivo mahery hoya ho aminareo.Mahaiza mifidy, fidio ireo kandidà tohanan’ny movansa Ravalomanana, fidio ireo satria fantatro tsara ; fantatro ireto amin’ny ankaviako ireto, fantatro ihany koa ireto amin’ny ankavanana ireto ary dia nanampy an’izy ireo aho rehefa nanaiky fa hanohana azy tamin’ny fitaovana entiny hanaovana fampihelezan-kevitra ary tamin’ny hevitra izay olona afaka niseraka tamiko amin’ny telephone.Naniraka olona nakany Madagasikara aho, mety tsy ho hitanareo angamba, mba hiresaka amin’izy ireo, hifampidinika amin’izy ireo.Ary mbola manana hevitra entina hampihofanana an’izy ireo ihany koa mba tena ho matihanina marina araka ny maha solombavambahoaka azy.Hahalala tsara ny zavatra tokony hatao eo amin’izany toerana sy andraikitra misy azy izany.

    Misaotra an’Andriamanitra fa tamin’ny fihaonako tamin’ireo filoham-pirenena ireo dia nisy dia nisy tokoa ireo firenena na olona hanampy antsika, afaka hanampy antsika toy ny Suède, Danemark, Norvège.Afaka hanampy amin’ny fampihofanana hahatonga azy ireo ho matihanina.Misaotra an’Andriamanitra.

    Koa hoy aho aminareo hoe tandremo tsara fa tsy kely làlana ny ratsy.Mbola misy mihevitra anie e!fa mbola te haka ny toeran’ny praiminisitra ihany hono ireo mpanongam-panjakàna ireo e !Loza, tena loza mitatao amin’ny firenentsika izany, ary loza mitatao amin’ny kaontinanta afrikana mihitsy ka tandremo tsara.Izay ilay nolazaiko hoe na ny olona tohanany aza,mahaiza tsara ianareo mifidy.


    Olo-kendry ny vahoaka malagasy,mahalala izay tokony hataony ka dia ampy aloha izay ny androany ka hoy aho hoe : Fidio Dokotera Robinson Jean-Louis fa izy ihany no favori.Fidio koa ireo députés tohanan’ny movansa Ravalomanana sy ny AVANA.Manome toky aho fa dia ataontsika lahara-pahamehana ny fandriam-pahalemana, ataontsika laharam-pahamehana ny fampihavanana ny samy malagasy.Ary tsy ho ela hoya ho aminareo dia hiverina ny fifampatokisana amin’ireo mpamatsy vola sy ny firenen-drehetra eran-tany rehefa mahazo ny fankatoavana izay voka-pifidianana eo, izay mpitondra vaovao.Aza matahotra, minoa fotsiny ihany, ary manàna fanantenana mandrakariva.Ho voaverintsika amin’ny tany tan-dalàna i Madagasikara ary hanaja ny lalam-panorenana, hamerina indray ny soatoavina maha malagasy.Misaotra anareo aho ry vahoaka malagasy, misaotra anareo aho ry mpifidy.

    Samy ho tahian’Andriamanitra.

    Marc Ravalomanana







    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire