Nilaza ny heviny momba ny fifidianana fihodinana faharoa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nitafa mivantana tamin’ireo mpanara-dia azy tetsy amin’ny Magro Behoririka ny talata lasa teo.
Tena mitebiteby ny Afrikana rehetra, indrindra fa ny SADC , ary vao aninkeho (ndlr: talata maraina) dia nampiantso ahy izy ireo ka niteny hoe ataovy haingana dia haingana ny hisian’ny porofo fa tena nandresy i Dr Robinson Jean Louis. Misaotra ny vahoaka Malagasy hoy i Marc Ravalomanana fa nampiseho fahendrena lehibe ary nampiaiky izao tontolo izao.
Ny ratsy tsy kely làlana fa mbola misy ihany ireo hosoka sy ny tsy rariny fanaparam-pahefana. Noho izany mijoroa ianareo ! Ankino amin’Andriamanitra ny asanareo, hoy hatrany i Dada ary aoka izy no hiambina ny vatotsika. Nohamafisiny ihany koa fa tsy miala eto amin’ny Magro isika raha tsy azontsika ny zavatra notakiantsika, dia ny tany tan-dalàna, ny fisian’ny fandriampahalemana, ny fihavanana, ary raha tsy tafaverina eto i Dada.

Nanome hafatra ho an’ny tompon’andraikitra ihany koa ny tenany. “Aoka ianareo hiara-hiasa, ary aza kivy fa raha misy hevitra dia hifanampiana”.Mazava ny hafatr’i Dada : «tsy maintsy miady amin’ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny isika ary tsy maintsy hijoro hatramin’ny farany amin’ny fahamarinana. Mivavaha ianareo !».
Nanatrika ny hetsika teny amin’ny Magro Behoririka ny talata 24 desambra lasa teo moa i Dr Jean Louis Robinson sy ireo mpitarika avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana.
RTT
http://tiatanindrazana.com/

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire