RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: "Ampy izay !"


    Tsotra, mivantana ary mahitsy. Izay no azo hamintinana ny hafatra sy toro-marika avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy teo. Ho an'ity filoham-pirenena voafidin'ny vahoaka malagasy indroa nisesy teo amin'ny fitondràna ity dia tsy mety intsony ny mitaza-potsiny ny fahavoazana sy fahapotehan'ny Firenena ankehitriny. "Ampy izay !" hoy izy!

    Toy izao manaraka izao raha fehezina tsotsotra izany hafatra sy toro-marika izany:

    « Misaotra an’ Andriamanitra isika fa mijery antsika izy na dia eo aza ny tsy fahamendrehana sy ny maha mpanota antsika dia tsy mamela antsika irery izy fa momba antsika. Matokia Azy fa mahavita zava-mahagaga tsy takatry ny sain’olombelona izy.

    Nandritra ny fotoana maro, dimy taona dia nanaiky ny zavatra nitranga sy ny fifandresen-dahatra isika na niafara tamin’ny « Ni… Ni… » na dia tsy tiantsika aza fa noho ny tombontsoan’ny firenena ary samy nanantena ny rehetra tamin’ny voka-pifidianana nivoaka fa hifarana hatreo ity krizy politika ity fa mba hiroso any amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

    marc_ravalomanana_conference_madagascar.jpg
    Marc Ravalomanana (sary tahiry)

    Tsy izay anefa no nitranga ankehitriny fa diso fanantenana tanteraka ny vahoaka Malagasy sy izao tontolo izao. Fantatro fa samy velom-panontaniana avokoa ny sasany raha nilaza ny fanapahankevitro aho tamin’ny heriny. Tsy maninona izany fa samy manana ny heviny, samy manana ny toerana misy azy ary indrindra ny andraikitra misy azy, ary afaka manambara ny hevitrareo ianareo.

    Ny antsika dia izao : “ampy izay”. Izay voalaza dia voalaza fa tsy miverina amin’izay intsony aho. Izao no mba tsarovy ary jereo amin’ny saina tsy miangatra sy amin’ny fo feno fitiavan-tanindrazana sy fahavononana tanteraka mba hamonjena ny tanindrazana sy ny namantsika. Fahadisoam-panantenana no misy eto Madagasikara. Ny vahoaka Malagasy hiajadian’ny fahantrana mangitsongitsika, mbola tsy nisy izany naha tany ny tany. Mbola tsy nisy ny vokatry ny tantsaha. Tsy namokatra araka ny hiheveranay azy satria tsy misy vola hividianany zezika sy masomboly. Ny varotra tsy mandeha araka izay hiheverany azy , betsaka ny zavatra manelingelina azy. Ny mpandraharaha dia fanina noho ny afitsoky ny mahitahita.

    Hoy aho aminareo mba jereo amin’ny saina tsy miangatra sy fo feno fitiavana ny zava-misy. Ny delestazy dia mahavalalanina, mahavalaketra ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Ny tsy fandriampahalemana dia loza mitatao isan’andro isan’andro. Làlana miha simba any amin’ny faritra. Ny tena mampalahelo ahy dia ny tsy fahafahan’ny zanaka Malagasy miditra any an-tsekoly.

    Tena malahelo aho, ireo no taranatsika, ireo no mahatonga ny firenena vanona, ary ireo no tena nimasoako. Tsy maintsy manana fahasahiana aho hiteny ary tsy maintsy manana fahavononana hamerina indray ny fanompoako ny vahoaka. Koa milaza aho amin’ny vahoaka Malagasy ho avy I dada. Ireo dia ampahany ihany fa misy dia misy ny manjo ny vahoaka.

    Diso fanantenana ihany koa ny fikambanana iraisam-pirenena sy mpamantsy vola satria samy nanantena fa hiverina amin’ny tany demokratika sy fanjakana tan-dalàna i Madagasikara rehefa vita ny fifidianana. Izay no nahatonga azy ireo nilaza tamiko hoe mba miangavy anao izahay, ndao re tohano. Tsy nanda aho satria natoky azy ireo ary izy ireo nahatoky ahy. Izaho mihitsy no nilaza ampahibemaso fa manohana tsy hoe fitiavako hiverina aty Madagasikara fa tena nanohana tamin’ny foko aho fa taty aoriana vao tsapako fa fihatsarambelantsihy no nisy.

    Misy fetrany ny zavatra rehetra na dia niezaka aza dia tsy nety. Lasa fiarahana tsikombakomba ny fahanginanana manoloana ny fahantranan’ny vahoaka Malagasy. Mitombo andro aman’alina ny antso an-tariby sy ny fifandraisako amin’ny olona aty.

    Tonga ny fotoana ilazako fa tsy hanohana intsony aho. Tsy misy fanantenan’ny vahoaka Malagasy ny hoe « bonne gouvernance », fanajana ny zon’olombelona , fampanjakana ny demokrasia, tsy misy antenaina ny amin’izany. Tena manetra aho raha nanasa ahy ny prezida Koller tany Nairobia izaho ange tsy manana pasipaoro ka tsy afaka mihetsika eto !!! Tena menatra aho. Vao omaly aho no tafaresaka tamin’ny vondrona eoropeana fa hanangana birao vaovao kaomisiona izy. Mazava aminay ny tianao atao hoy izy fa izahay ihany koa aza mahazo tatitra avy amin’ireo masoivohonay monina any Madagasikara dia mazava fa tsy araka ny tokony ho izy.

    Tsy anjarako ny mitsara fa mahita sy maheno ny zavamisy aho. Averiko eto indray, mbola be dia be ny zavatra horesahintsika. Ny masoivoho miasa aty madagasikara, ny 95% izy ireo dia nilaza ny zava-marina amin’ny firenena niaviany avy fa roa na telo ihany no tsy milaza. Samy nilaza izy ireo fa mitovy hevitra aminao izahay. Aza adinonao, aza adinontsika fa mihaona tsy tapaka amin’ireo masoivoho aty aho fa tsy mipetrapetra-potsiny. Tao Pretoria 146 no isany ka raha mahita roapolo amin’ireo fotsiny aho dia efa zava-dehibe. Matoa aho miteny izany dia tsy miteniteny foana fa hitovizako hevitra amin’ny mpiara-dia amintsika.

    Samy mahita daholo izao tontolo izao fa diso lalana tanteraka i Madagasikara. Zavatra telo ihany no misy eto ambonin’ny tany (Antony tsy mampandroso ny Firenena iray): Na ny tsy fahaizana mitantana, na misy ady , na misy zavatra mitranga tampoka toy ny horohorontany, na tondradrano...

    Anjaranareo no misafidy. Iza amin’ireo no mahazo an’i Madagasikara. Raha milaza isika fa manahirana be ny maheno ny tenin’i prezidà. Matoa aho miteny dia tsy miteniteny foana fa manana ny feon’ny fieritreretako aho. Ampy izay fa ny manova no mety. Nilaza aho tamin’ny herinandro fa hihaona amin’ny filoha Zuma. Mbola sahirana izy, tany Lesotho izy, nisy coup d’Etat tany. Vita omaly ny fifanarahana, taty afrika atsimo ary amin’ny volana febroary ny fifidianana. Ilazako aminareo izany fa maheno ny tantaran’izao tontolo izao aho fa tsy mipetrapetra-potsiny. Anjarantsika vahoaka no mandray andraikitra.

    Samy milaza ireo masoivoho fa tsy tafavoaka amin’izao i Madagasikara. Tsy maintsy mifanaraka amin’ny mpamantsy vola isika fa tsy ataotao foana. Ny fampandrosoana rehetra dia miainga amin’ny aty ivelany. Tsy hilaza aminareo aho fa tapa-bola dia vitako ny delestazy fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny mpamatsy vola isika.

    Niresaka tamin’i Etazonia aho fa nilaza izy fa tsy misy “base politika”. Tsy anjaranay izany fa anajaran’izy ireo. Niresaka tamin’ny filoha Kikwete aho , omeo fotoana ieritreretana. Mahatonga ny tsy fandriampahalemana dia ny tsy fisiana, tsy fahaizana mitantana. Mafy amiko dia zavatra roa: Ankizy tsy mianatra, mandeha ny taonany, fahatanorany, tsy mahalala ny tsy misy izy ireo. (...)

    Adidinao ray aman-dreny, adidintsika. Izay no nahatonga ahy nanome “kits scolaire” tany Vatomandry. Tsy vita fotsiny amin’ny resabe ny raharahampirenena sy fivezivezena eran-tany fa tsy maintsy arahina asa indrindra ny fifampitokisana. Amin’ity herinandro ity dia hiezaka aho hihaona amin’ny mpitondra eto, ny fanontaniana voalohany apetrako dia hoe rahoviana aho no hody fa raha ny any no anontaniana dia tsy hamela ahy mody”. (...)

    Vakio koa: Filoha Ravalomanana: Miantso ny tsirairay handray andraikitra manoloana ny fampahantrana mivandravandra ny firenena


    Loharanom-baovao: http://mydago.com/

    4 commentaires:

    1. Mitodika tanteraka any @ minisitra Rolland Ravatomanga sy ry députés Guy Rivo, Hanitra Razafimanantsoa,sns...ny mason'ny vahoaka.Hanaraka ny lôjika sy ny tenin-dRavalomanana ve ry zareo sa hitady fomba sy fanazavana hafa indray hifikirana @ sezany?Raha ny fanazavan'Ingahy Rolland ravatomanga farany teo aloha dia tena mampiahiahy sy feno fihatsaram-bela-tsihy an!

      RépondreSupprimer
      Réponses
      1. Guy Rivo izao no mbola azo atokisana hatreto fa ry Ravatomanga sy ny tariny ohatra ny efa ela no namalan-kira.i Me Hanitra indray tsy fantatra mihitsy.Ny tokony hataon'i Ravalomanana dia manao carte sur table une bonne fois pour toute miaraka am'ireo chefs milaza mpanohana azy ao @ mouvance Ravalomanana dia izay tapaka ao dia tapaka.Ahilika sy sarahana any izay mpamadika sy hypocrites rehetra.Aleo kely tsaratsara ny mpanohana toy zay be tsy andraofana sy mandefona ivoho fotsiny.Izay tena atokisan-dRavalomanana sy mampiseho fasahiana eo am'izay no tena atokisan'ny vahoaka ary handeha ho azy ny tolona avy eo.

        Supprimer
    2. Efa fantatry ny filoha Rajaonarimampianina anie fa raha tsy mody Ravalo tsy hisy famatsiam-bola mivoaka izany eo e!Fa dia ny tahotra sy ny hambo ary ny fanaovana tsinontsinona ny vahoaka no betsaka.Raha ny tena marina dia ny frantsay irery ihany sisa manohana io fitondrana io fa na ny Etats-Unis na ny UE, Allemagne sy ny sisa maro dia mitaky ny fanatanterahana ny feuille de route daholo ary voalohany amin'izany ny fodian-dRavalomanana.

      RépondreSupprimer
    3. Ka na hamadika an dRavalo nohon'ny fitiavan-tseza sy vola aza ane ireo mandalo sy vetivety iany izany e fa ny tantara sy ny vahoaka dia hipetraka sy hitsara eo foana.Tsy ireo mpitarika mouvance ireo no hery sy tanjak'i Ravalomanana fa ny vahoaka izay tsy mety mivadika aminy sy manohana azy h@'izao.Ka aleo ho any izay mpitarika mouvance tia seza sy sadasada tsy azo atokisana @ tolona fa misy olona foana eo afaka miara-miasa @'i Ravalomanana.

      RépondreSupprimer