RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Ry Malagasy! Tsy avelantsika hiady irery ny Filoha Marc Ravalomanana


    Folo andro androany no nisamborana an-keriny sy nanagadràna ny Filoha Marc Ravalomanana. Voageja miaraka aminy ny fahafahana sy fanantenan'ireo vahoaka malagasy maro be miandrandra "Fampihavanam-pirenena" sy mangetaheta "Fandrosoana". Ho an'ireo mora manadino sy mody manadino dia tsarovy fa ny Filoha Marc Ravalomanana dia anisan'ny Filoham-pirenena nametrahan'ny vahoaka malagasy an-tapitrisa ny fitokisany in-droa nisesy tamin'ny alalan'ny fifidianana teto amin'ny Firenena.


    Ry vahoaka mpandala ny fahamarinana sy mangetaheta fandrosoana marina, efa nanaporofo ny fahasahiany iny ny Filoha Marc Ravalomanana satria dia notanterahiny ny teniny ary tonga soa aman-tsara eto an-tanindrazana izy.

    Dingana lehibe sy adidy makadiry izay tsy vitan'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena (ONU, UA, SADC, ...sns) nandritra ny enin-taona no notanterahin'ny Filoha Ravalomanana ankehitriny. Tonga izy rehefa avy niharan'ny sesi-tany nandritra ny taona maro. Hafaliana tanteraka tao anaty fitoniana no nandraisantsika vahoaka izany satria dia tanteraka ihany ny tolona nimatimatesantsika nandritra ny enin-taona.

    Fotoana vitsy monja taorian'ny nigadonany teto an-tanindrazana anefa dia niharan'ny fangalàna an-keriny ny Filoha Ravalomanana, ary efa folo andro androany izy izao no "migadra" any amin'ny toby miaramila iray any Antsiranana.

    Ry vahoaka! Tsy mbola vita ny tolona. Aoka tsy hatoritory manan'aretina isika. Sedra mafy no mahazo ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ankehitriny. Sedra mafy no mahazo ilay Filoham-pirenena nofidiantsika in-droa nisesy teto amin'ny Firenena. Sedra mafy no mahazo ny Firenena sy ny fiainan'ny vahoaka malagasy nandritra ny enin-taona ary indrisy fa mbola mitohy mandraka ankehitriny.

    ravalomanana_firaisan-kina.Madagasikara
    "Avoahy ny Filoha Marc Ravalomanana"

    Migadra sy tapenam-bava tsy afaka miteny na maneho hevitra ny Filoha Marc Ravalomanana any amin'ny toerana itazomana azy any. Ry mpitolona sy ry Malagasy tia Tanindrazana isany! Aoka isika ho sahy hiteny eo amin'ny toerany ka hidradradradra mafy hitaky ny fahafahany sy hitaky ny fahafahan'ny Firenentsika.

    Ry malagasy! Tsy avelantsika hiady irery ny izy. Efa vitan'ny Filoha Ravalomanana ny ampahany maro tamin'ny tolona saingy izao dia mila ahy, mila anao, mila antsika rehetra izy hijoro sy ho sahy: "Mitaky tsy misy atak'andro ny famoahana azy", "Mitaky tsy misy atak'andro ny famerenana azy eo anivon'ny ankohonany"


    Mifohaza ry Malagasy!

    Madagasikara Malalako

    3 commentaires:

    1. Isika vahoaka aloha dia aza manantena hiandry an'ireo mpitarika avy @ mouvance Ravalomanana ireo e! Olona kanosa ny ankamaroany,mpamadika tolona koa tena betsaka. Isika vahoaka no tena herin-dRavalomanana ka isika vahoaka ihany nno mila mikaroka fomba ahafahantsika mifanentana sy mandray andraikitra manoloana izao fanagadrana ny Filoha Ravalomanana izao. Azon'ireo députes TIM sy zanak'i Dada tsara no manao hetsika na dia symbolique sy feno fihatsaram-belatsihy fotsiny imason'ny vahoaka aza mba milahatra miaraka @ samboady saingy indrisy fa tsy nataony izany. Samy mihainohaino ny rehetra fa heverin-dry zareo hivoaka ho azy any angamba i Ravalomanana? Sa tsy misy fifidianana marina atoato ka tsy ilaina aloha ny mampiasa ny anaran-dRavalomanana? Raha ny minisitra Ravatomanga indray dia ireny karazan'olona ireny no tena atao hoe mpanera sy mpivaro-tena ara-politika aminy.Tsy misy vahaolana afa tsy isika vahoaka e!Samia mandini-tena ary aza ela loatra.

      RépondreSupprimer
      Réponses
      1. ka ny vahoaka ange atao fitaovana hitadiavana seza fa izay tonga eo toa ny vola ampaosiny ihany no fantany.vonona sahala ny mamono valala ny mpiray ra aminao dia ianao tsy mahatsapa ny fahantrany avy eo.

        Supprimer
      2. Ka isika vahoaka anie mba mila manana initiative koa fa angaha moa dia miandry antsoina na atao fitaovana foana vao hanao zavatra na handray andraikitra.Izay indrindra no ilana ny vahoaka hijoro satria tsy ny mpanao politika irerry no tompon'ity Madagasikara ity fa an'ny malagasy rehetra izy ity indrindra isika vahoaka.Tsy hoe @ fifidianana ihany akor vao handray andraikitra @ raharaham-pirenena fa ny tena tia tanindrazana sy olom-pirenena tompon'andraikitra dia manara-maso akaiky hatrany ny zava-misy. Ny tena marina tokony ny mpanao politika no fitaovana fa tsy isika vahoaka.

        Supprimer