![]() |
| Asa mafy, asa tsara niteraka vokatra |
Iray volana androany izay no nangalàna an-keriny sy
nanagadràna ny Filoha Marc Ravalomanana any Antsiranana.Tany amboalohany dia
nofetsena sy nofitahina ny vahoaka fa ho fiarovana ny ainy no nanaovan’ny
fanjakàna an’izao fihetsika feno herisetra sy fanaovana tsinontsinona ny zo
mahaolona izao.Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia niova tsikelikely teny
an-dalana izany fampandriana adrisa marivo tototra izany ka vetivety dia
nahitàna antotan-taratasy hanenjehana azy eo anatrehan’ny lalàna tampoka ny
fanjakàna, ary mandraka androany dia lasa takalon’aina politika ny Filoha
Ravalomanana.
Raha ny zava-manjo ny Firenena sy ny fiainan’ny vahoaka
Malagasy ankehitriny no jerena, ary raha tena fanajakàna vonona hampandroso sy
hampihavana marina no misy eto, dia tsy tokony any amin’ny fomba nahafahan’ny
Filoha Ravalomanana niditra teto an-tanindrazana sy ny fikatsahana ny fomba rehetra hanapotehana azy no
handanian’ny fanjakàna fotoana fa kosa any amin’ny fitadiavam-bahaolana marina
izay nandrasan’ny Firenena an-taonany maro mba hialàna amin’izao fahantràna lalina
sy fahavoazan’ny Firenena izao.
Raha ny tena marina aza dia dingana lehibe mankany amin’ny
fampihavanam-pirenena izay fototry ny fampandrosoana an’i Madagasikara no
notontosain’ny Filoha Ravalomanana amin’izao fahatongavany eto an-tanindrazana izao satria anisan’ny fototra goavana takian’ny “Tondrozotra”
ny fiverenan’ireo sesi-tany rehetra tsy misy fepetra eto Madagasikara.
Tondro-zotra izay nodradradradraina nandritra ny dimy taona mahery na teto
an-toerana na teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitakiana amin’ny
fanatanterahana azy saingy indrisy fa nijanona teo amin’ny fitakiana sy ny
resa-be politika fampatoriana vahoaka fotsiny izany.
Manoloana izao dingana lehibe vitan’ny Filoha Ravalomanana
izao, izay marihina tsara fa adidy sy andraikitra goavana tsy vitan’ny
fianakaviam-be iraisam-pirenena (SADC, UA, UE, …) sy ny fitondràna teto Madagasikara
nandritra ny enin-taona ny fanatenterahana azy dia fanagadràna sy fanaovana
takalon’aina toy izao ve no mendrika azy ? Raha tsy hiresaka afa-tsy ny
maha Filoham-pirenena voafidim-bahoaka in-droa nisesy azy fotsiny aza isika dia
fanosihosena sy fanaovana tsinontsinona ny zo mahaolona toy izao ve no sahaza azy ?
Tsy efa ampy ve izay dimy taona ngarangidina poakatin’ny
tetezamitatra nateraky ny fanonganam-panjakàna izay ? Tetezamitatra izay
mbola mitohy mampitondra takaitra sy tarazo ratsy ho an’ny Firenena sy ny
fiainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny.
Raha tany
tan-dalàna marina i Madagasikara. Raha tsy misy tokoa ny fanaovana mizàna
tsindrian’ila amin’ny fampiasàna ny fitsaràna sy ny mpitandro ny filaminana mba
tsy hilazàna hoe fanaovana fitaovana politika ireo andrim-panjakàna roa ireo:
Moa ny Filoha Ravalomanana irery ve no mendrika ny fanenjehana sy fanaovana
tsindry hazo-lena toy izao? Maro ireo
tompon’andraikitra tena fototry ny olana sy nanapotika Firenena teto saingy
odiana tsy asian-teny mikasika azy ireny raha tsy hitanisa afa-tsy ireo
mpanongam-panjakàna izay mahakizo-fara ny fiainam-bahoaka toy izao sy fototry
ny krizy tsy mety voavaha mandraka ankehitriny isika. Ao koa ireo mpanondrana antsokosoko,
mpangalatra sy mpanao ampihi-mamba mihevitra ho fananan’izy ireo samy irery ny
harem-pirenena izay harenan’ny Malagasy rehetra toy ny andramena (bois de
rose), harena an-kibon’ny tany, ireo biby mitady ho lany taranaka rehetra,sns.
Maro ny porofo sy antotan-taratasy azo hanenjehana azy ireny araka ny lalàna
saingy toa jere-potsiny toy ny tany nahalavoana sy tsy mba voakitikitika izy
ireny. Rehefa ampiharina ny lalàna dia ampiharina sy ampiasaina amin’ny tokony
ho izy amin’ny rehetra fa tsy tokony hisy Malagasy zanak’Ikalahafa eto.
Lainga sy
fanambakàna ny Malagasy ny fanambaràna etsy sy eroa fa sehatra kely ao anatin’ireo
maro amin’ny fampihavanam-pirenena ihany ny anjara-toeran-dRavalomanana. Ny
tena marina dia tsy afa-miala amin’ity Filoha mamim-bahoaka ity ny fampihavanam-pirenena,
ary mitana andraikitra sy toerana goavana eo amin’ny fampandrosoana ny Firenena
sy ny ho avin’i Madagasikara ny Filoha Marc Ravalomanana. Tsy azo odian-tsy
hita ary tsy azo afenina izany.
Aleo hazava
ny resaka fa Madagasikara nandroso sy niroborobo tanteraka no nisy teto
nandritra ny fitondràn-dRavalomanana:
-Ambony dia
ambony ary tsy nitsaha-niakatra ny tahan’ireo zaza Malagasy niditra
an-tsekoly.
-Niroborobo
sy nihazakazaka ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa vaventy toy ny làlana,
sekoly, hopitaly, tetezana sns
- Tao anatin’ny
fotoana fohy dia niakatra avo ny tahan’ny harin-karena Malagasy ary nahatratra
7,5% izany izay tsy fahita firy aty Afrika.
- Natoky
tanteraka ary tsy nisalasala ireo Firenen-dehibe sy mpamatsy vola
iraisam-pirenena naira-nisa tamin’ny fitondràna Malagasy tamin’izany. Nisokatra
tamin’ireo Firenena vahiny matanjaka maro i Madagasikara ary nisy ny
fifaninanana teo amin’ny sehatra isan-karazany tamin’ny famatsiam-bola (Chine,
Canada, Japon, Allemagne, Afrique du Sud, Etats-Unis, France, sns)
- Nanara-dalàna
sy nizotra tsara ny fitantanana ireo orinasa goavana toa ny JIRAMA sy ny Air
Madagascar:
*Tsy nisy
ny olana ara-bola sy ara-teknika teo amin’ny fitaterana anabakabaka.
*Tsy
niferin’aina sy nitaraina tamin’ny fahatapahan-jiro lavareny (delestazy) ny Malagasy.
-Sy ny sisa
sy ny sisa
Ny azo
ambara sy tsy azo lavina dia nizotra soa aman-tsara tamin’ny lalan’ny
fampandrosoana, ary nihazakazaka niala tamin’ny fahantràna i Madagasikara fony
teo amin’ny fitondràna ny Filoha Marc Ravalomanana.
Azo atao ny
manonofy sy maka sary an-tsaina ny toerana nisy ity Firenentsika ity ankehitriny
raha nitohy soa aman-tsara izany fihazakazaky ny fandrosoana izany. Saingy
mijanona ho nofy ihany sisa izanyvokatry ny fanonganam-panjakàna nataon’ireo
fahavalom-pirenena.
Matoa
nanongam-panjakàna ireo tompon’andraikitra tamin’izany izay iarahan’ny Malagasy
rehetra mahafantatra hoe iza avy. Matoa nanova fitondràna tamin-kerisetra dia
manana antoka fa mahavita tsaratsara kokoa noho ilay fitondràna nahongana.
Mahavita mampandroso bebe kokoa ny Firenena noho ny fitondràna Ravalomanana.
Saingy inona no zava-misy ankehitriny? Aiza ho aiza no misy ny Firenena Malagasy
sy ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana izao? Anjaran’ny tsirairay no
mamakafaka sy mamaly izany.
Araka ny
voalaza etsy ambony dia feno iray volana androany ny nanagadràna sy nanaovana
takalon’aina ny Filoha Marc Ravalomanana. Tsy nitsahatra namerimberina ny
tenany fa vonona izy hitondra ny anjara-birikany amin’ny fanarenana ity
Firenena izay latsaka ankaterena loatra ity. “Tonga hitondra fandrosoana sy
fandriam-pahalemana” aho hoy izy ary "ny andro rehetra sisa iainako dia
hanasoavako ny Fireneko".
Ry
fanjakàna ô! Raha tena fampihavanam-pirenena marina no tanjona eto. Raha tena
fampandrosoana an’i Madagasikara marina no himasoana eto. Sao lahy tsy tokony
ho lany andro sy fotoana amin’ny fanapotehana ara-politika sy ara-ekonomika mba
tsy hilazàna hoe famonoana sy fanimbàna tsikelikely amin’ny fomba mamohehitra
rehetra olona iray izay nitondro soa sy fampandrosoana ity Firenena ity isika!
Samy
Malagasy, samy olom-belona. Tsy misy tsy diso ary tsy misy tonga lafatra. Sao
lahy dia fotoana tokoa izao hibanjinana ny ho avy ary hanararaotana
hanatanterahana ny tena fampihavanam-pirenena marina!
Ry Malagasy!
Maro isika no kivy sy miraviravy Tanana, very hevitra tanteraka manoloana ny
zava-misy ankehitriny. Raha misy ilàna ny firedaredan’ny
afom-pitiavan-tanindrazana ao anatintsika tsirairay dia amin’izao kihon-dalana
manokana andalovan’ny Firenentsika izao.
Aoka tsy ho
kivy na hitazam-potsiny isika satria antsika Malagasy rehetra i Madagasikara.
Ry Malagasy!
Aoka hijoro ka ho mendrika tanteraka ny antsoina hoe olom-pirenena isika.
Olom-pirenena tompon’andraikitra sy mandray anadraikitra eto amin’ny
Tanindrazantsika.
Mijoroa ry
Malagasy! Mitsangana ry Malagasy! Izao no andro sady ora satria mila antsika i
Madagasikara. Mila ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana miboiboika ao
anatintsika ny Firenena.
Efa niasa
mafy sy niady mafy ho antsika sy ny Firenentsika ny Filoha Marc Ravalomanana: Tsy avelantsika hiady irery izy manoloana ny sedra goavana lalovany ankehitriny.
Mifohaza ry
Malagasy!
Madagasikara
Malalako


Tena vitsy ny olona manana finiavana @ fitiavan-tanindrazana sy fasahiana ohatra an-dRavalomanana.Hazo avo halan-drivotra izy ka tsy mahagaga raha iharan'ny tsy rariny toy izao.Tena marina tokoa fa mandeha ny fotoana ka tsy tokony hovariana na hamela azy hiady irery ny vahoaka.Mijoroa ry Malagasy ô!!!
RépondreSupprimer