RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est US embassy. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est US embassy. Afficher tous les articles

    Fanambaran'i Etazonia momba ny fandrahonana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara


    us-embassy-madagascar.jpg

    Amim-panahiana lehibe no anamarihan'i Etazonia izay nataon'ny mpikambana ao amin'ny fitondram-panjakana misy ankehitriny tamin'ny mpanao gazety, singanina amin'izany Atoa Harry Laurent Rahajason. Herinandro maromaro izay dia nosamborina ireo mpanao gazety, nandefasan' ny Ministeran'ny Fifandraisana taratasy fampitandremana ary nalan'ny manam-pahefana taminy ny fahazoan-dalana mampandeha onjam-peo. Tsy mifanaraka amin'ny fanao iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona, ary mifanipaka amin'ny fahavononan'ny vondrona rehetra hizotra amin'ny fahatoniana, fifandeferana, tsy fanavakavahana sy fampihavanana mba hamahana izao krizy politika izao.

    Tohananay ny antso rehetra hampihatoana tsy misy hatak'andro ny asa fanakatonana gazety na fanesorana fahazoan-dalana hampandeha onjam-peo. Ny fahefana ara-drariny dia mitady fampivoarana ny fifanakalozan-kevitra fa tsy fanakatonana ny lalan'ny fanehoan-kevitra. Tsy maintsy atsahatra ny fampitahorana atao amin'ny mpanao gazety amin'ny alalan'ny taratasy fampitandremana, na fisamborana, na famelivelezana. Ireny asa manakana ny fahafahana maneho hevitra ireny dia fandikana ny zon'olombelona fototra izay fanalahidy amin'ny fahazoana ny AGOA.