![]() |
| "Maty aho vao maty ianao" |
Mandalo
kihon-dalana sarotra tsy manam-paharoa i Madagasikara ankehitriny.Vokatr’izany dia maro ireo Malagasy no miraviravy tanana sy
tsy mahatraka intsony ary very fanahy mbola velona ka mitady tsy hahatsapa
intsony ny lanjan’ny atao hoe Tanindrazana.
Hoy
indrindra Rado (Georges Andriamanantena):
“Boboka aho
ry Tanindrazako
Ka avela ianao ho eo !
Fa izaho sy ny hazakazako
handositra fa efa leo
izato fahorianao
sy ny fijalianao
izay manjary fahoriako
ary lamba fitafiako !
Ka avela ianao ho eo !
Fa izaho sy ny hazakazako
handositra fa efa leo
izato fahorianao
sy ny fijalianao
izay manjary fahoriako
ary lamba fitafiako !


