![]() |
| "Maty aho vao maty ianao" |
Mandalo
kihon-dalana sarotra tsy manam-paharoa i Madagasikara ankehitriny.Vokatr’izany dia maro ireo Malagasy no miraviravy tanana sy
tsy mahatraka intsony ary very fanahy mbola velona ka mitady tsy hahatsapa
intsony ny lanjan’ny atao hoe Tanindrazana.
Hoy
indrindra Rado (Georges Andriamanantena):
“Boboka aho
ry Tanindrazako
Ka avela ianao ho eo !
Fa izaho sy ny hazakazako
handositra fa efa leo
izato fahorianao
sy ny fijalianao
izay manjary fahoriako
ary lamba fitafiako !
... Aiza ve k'izaho irery
sisa no natao hijery
izato endrikao mivava
sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nalazo famololona.
Tao ireo lasana sahady
fa trotraky ny lazon'ady.
Tao ireo tsy nahasehaka
resin'horaka sy tehaka.
Nisy matin-kenamaso
tamin-tsiron-tsaramaso.
Tao ireo lavo tsy tafarina
nivaro-boba irony marina
Ireny rehetra ireny
lasana any tsy niteny.
Ary izaho irery sisa
tamin'ireo an-tapintrisa
no nilanja ity tolàna
izay mivaona sy mibàna.
Eny, izaho, izaho irery
no mifofotra amin-kery
sady tsy tafandry mandry
mampijoro izato andry.
Nefa, itsy rindrina isty
efa tazako mihitsy
fa mivaona tsy mahitsy
k'afaka fotoana vitsy
dia hidaboka, hikoa
raha tsy indray vonjena koa !
Ny zana-tohatra efa tapaka
toy ny rihana sy rapaka.
Ny tafo izay nataon'Ikaky,
indreo miatomboka ho vaky.
Maina koa ny lava-bary :
Toa akaiky ny mosary.
Ny vy fahiny nampalesina,
indreo fa lanin-harafesina...
Te-ho folo izao ny tànako
hanamboatra anao, fananako.
Nefa dia tsy amboa tsy lambo,
Ka raha avy izay antambo,
haninona aho no ho faty irery
hanolo-tena hanao vivery ?
Fahafirin'iza aho
no hiari-dozabe mitraho :
hianjeran'ity vovonana
sy ho voafingana an-tokonana ?
O ! Mihidy izao ny vazako
k'eo ianao, ry Tanindrazako !
Avela ianao ho potipotika !
Avela ianao ho rotidrotika !
Izay mianjera, avela hianjera !
Izay te-hitsetra anao, mitsera !
Lasana aho ! Veloma ianao !
Izay mitranga ? Anao ny anao !
... Loza izato hasahiako !
Adray, iky, 'ty habibiako !
Nasiaka izato fitenenako !
O ! Ifonako, anenenako !
F'iza intsony, k'iza intsony
O, ry lovako ambony
no hiaraka aminao
hizaka izao rehetra izao,
raha lasana aho mandao ?
O ! Ianao irery sisa
no hany mba hamisavisa...
Eny, ianao, ianao irery
no hizaka ireto fery
sy ny kaikitry ny fositra,
raha lasana aho mandositra !
Fa ny andro takariva
amin'izay ho tena ziva.
Ny maraina dia ho haolo,
ny tanAna dia ho ntaolo,
ka ny vahiny izay mandady
no hanatsatoka ny kiady
ity tanAnako fahiny,
noheveriko mba ho "afaka" iny !
Tsia ! Fa hiova hevitra aho
Ka n'inon'inona fitraho
sy ny fanandindonao ho rava
hiorina eto lalandava
ny fisiako manontolo,
na lo ianao na bobongolo !
Ka avela hitsaoka izay hitsaoka !
Avela hipaoka izay hipaoka !
Avela hivadika ny rasa !
Avela ho lasa izay ho lasa !
Fa matokia ianao, ry Taniko,
ry Sampy tiako sy andrianiko !
Ny ahy, jereo, io tànako io
f'homeko hery indray anio,
hanohana ny vatan-trano
na dia hahitako angano !
Ka raha alina ny andro,
f'efa dila ny masoandro :
ny voloko eo, ho lahinjiro
ary ny aiko no amikiro,
mandra-piavin'ny maraina
efa tsinjoko ao an-tsaina !
Ary ny hamboko rehetra
sy ny dinitro no feta
hanamboarako izay triatra...
Raha tsy ampy ireo, ny rà tsy ritra
fa atosako, omeko
ho anao, ry Fireneko...
Ka na tokana ny tenako,
na voafetra ny harenako,
izao no hafatro aminao :
"Maty aho vao maty ianao".
Farafaharatsiny aza,
( aza atao hoe hevi-jaza )
miara-maty eto isika,
miara-rava sy mivika.
Fa tsy tohan'ny fisainako
ary tsy zakan'ny fiainako
izany ianao ho "rava irery"
tsy mba nisy mpampahery !”
Ka avela ianao ho eo !
Fa izaho sy ny hazakazako
handositra fa efa leo
izato fahorianao
sy ny fijalianao
izay manjary fahoriako
ary lamba fitafiako !
... Aiza ve k'izaho irery
sisa no natao hijery
izato endrikao mivava
sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nalazo famololona.
Tao ireo lasana sahady
fa trotraky ny lazon'ady.
Tao ireo tsy nahasehaka
resin'horaka sy tehaka.
Nisy matin-kenamaso
tamin-tsiron-tsaramaso.
Tao ireo lavo tsy tafarina
nivaro-boba irony marina
Ireny rehetra ireny
lasana any tsy niteny.
Ary izaho irery sisa
tamin'ireo an-tapintrisa
no nilanja ity tolàna
izay mivaona sy mibàna.
Eny, izaho, izaho irery
no mifofotra amin-kery
sady tsy tafandry mandry
mampijoro izato andry.
Nefa, itsy rindrina isty
efa tazako mihitsy
fa mivaona tsy mahitsy
k'afaka fotoana vitsy
dia hidaboka, hikoa
raha tsy indray vonjena koa !
Ny zana-tohatra efa tapaka
toy ny rihana sy rapaka.
Ny tafo izay nataon'Ikaky,
indreo miatomboka ho vaky.
Maina koa ny lava-bary :
Toa akaiky ny mosary.
Ny vy fahiny nampalesina,
indreo fa lanin-harafesina...
Te-ho folo izao ny tànako
hanamboatra anao, fananako.
Nefa dia tsy amboa tsy lambo,
Ka raha avy izay antambo,
haninona aho no ho faty irery
hanolo-tena hanao vivery ?
Fahafirin'iza aho
no hiari-dozabe mitraho :
hianjeran'ity vovonana
sy ho voafingana an-tokonana ?
O ! Mihidy izao ny vazako
k'eo ianao, ry Tanindrazako !
Avela ianao ho potipotika !
Avela ianao ho rotidrotika !
Izay mianjera, avela hianjera !
Izay te-hitsetra anao, mitsera !
Lasana aho ! Veloma ianao !
Izay mitranga ? Anao ny anao !
... Loza izato hasahiako !
Adray, iky, 'ty habibiako !
Nasiaka izato fitenenako !
O ! Ifonako, anenenako !
F'iza intsony, k'iza intsony
O, ry lovako ambony
no hiaraka aminao
hizaka izao rehetra izao,
raha lasana aho mandao ?
O ! Ianao irery sisa
no hany mba hamisavisa...
Eny, ianao, ianao irery
no hizaka ireto fery
sy ny kaikitry ny fositra,
raha lasana aho mandositra !
Fa ny andro takariva
amin'izay ho tena ziva.
Ny maraina dia ho haolo,
ny tanAna dia ho ntaolo,
ka ny vahiny izay mandady
no hanatsatoka ny kiady
ity tanAnako fahiny,
noheveriko mba ho "afaka" iny !
Tsia ! Fa hiova hevitra aho
Ka n'inon'inona fitraho
sy ny fanandindonao ho rava
hiorina eto lalandava
ny fisiako manontolo,
na lo ianao na bobongolo !
Ka avela hitsaoka izay hitsaoka !
Avela hipaoka izay hipaoka !
Avela hivadika ny rasa !
Avela ho lasa izay ho lasa !
Fa matokia ianao, ry Taniko,
ry Sampy tiako sy andrianiko !
Ny ahy, jereo, io tànako io
f'homeko hery indray anio,
hanohana ny vatan-trano
na dia hahitako angano !
Ka raha alina ny andro,
f'efa dila ny masoandro :
ny voloko eo, ho lahinjiro
ary ny aiko no amikiro,
mandra-piavin'ny maraina
efa tsinjoko ao an-tsaina !
Ary ny hamboko rehetra
sy ny dinitro no feta
hanamboarako izay triatra...
Raha tsy ampy ireo, ny rà tsy ritra
fa atosako, omeko
ho anao, ry Fireneko...
Ka na tokana ny tenako,
na voafetra ny harenako,
izao no hafatro aminao :
"Maty aho vao maty ianao".
Farafaharatsiny aza,
( aza atao hoe hevi-jaza )
miara-maty eto isika,
miara-rava sy mivika.
Fa tsy tohan'ny fisainako
ary tsy zakan'ny fiainako
izany ianao ho "rava irery"
tsy mba nisy mpampahery !”
…Koa aza
avela ho faty ry Malagasy ny afom-pitiavan-Tanindrazana (Ni) MIREDAREDA ao anatinao,ary raha sendra nitsilopilopy omeo hery hahazo rehitra sy tanjaka
indray!!!
Mifohaza ry
Malagasy!!!
Mitsangana
ry Tanora!!!

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire