RADIO LONGO MADAGASIKARA
Hafatra fampaherezana sy fanentanana
Hafatra fampaherezana sy fanentanana
Taorian'ny raharaha BANI Ivato sy ny fanagadràna ireo namana mpitolona sy mpitari-tolona maro,izay tsy fantatra izay toerana misy azy ireo ankehitriny (Atoa Fetison, Pasitera Edouard, Atoa Zafilahy), ny sasany indray tsy fantatra intsony izay fe-potoana hitazomana azy am-ponja sy lalàna mifehy azy fa voahosihosy tanteraka ny zo maha olona azy. Fa indrindra manoloana ny hirifirin'ny fiainana sy horohoro ary ny didy jadona goavana iainan'ny Malagasy ankehitriny,dia tsy hay ny tsy hitondra tena fampaherezana sy fanentanana kely ho atsika namana sy tapaka rehetra.
Amin'ny maha olom-belona dia tsy mahagaga tokoa raha somary kivy indraindray,nefa kosa manoloana ny adidy goavana(fanalàna an'i Madagasikara eo ambany ziogan'ny frantsafrika sy ireo mpitondra mpampihorohoro ankehitriny)dia tokony hiverina hahery sy hatanja-tsaina haingana isika satria tsy manana safidy hafa tsy ny ady sy tolona ho an'ny Tanindrazana(raha tsy izany dia voageja tanteraka,efa manomboka izy io,sy ho faty tsikelikely eto). Aza adino fa ny tanjon'ny fahavalo dia ny hahaketraka sy hahakivy atsika tanteraka ary tsy hananatsika hery intsony amin'ny tolona izay ataotsika.
Ny olana goavana izao dia ny tsy fananatsika haino aman-jery mivohy ny hevitra ara-dalàna intsony,na misy aza voafetra ny azo ampiasaina azy(izay tsy may sy nodorana dia nakatona ary izay mbola tsy nakatona dia nahazo fampihorohoroana sy fampitandremana daholo);maro nefa ny Malagasy no somary kivy sy ketraka koa indrindra taorian'iny raharaha BANI Ivato iny satria mba nametraka ny fanantenany tamin'ireo miaramila ireo ny vahoaka mpitolona(Indrisy,tantara lava ny amin'iny,ary mbola tsy hay izay tena marina aminy: aoka tsy hanao tsoa-kevitra tsy faingana isika(conclusion hâtive)). Ny tiako hahatongavana dia tsotra. Aoka isika hahery ary hitarika ireo namatsika somary ketraka ka hampahery azy ireo koa.isika afaka mampiasa tranokala(internet) mba afaka mifampahery sy mifampilaza vaovao, koa anjaratsika koa ny mampahery ireo namatsika tsy mba afaka mampiasa tranokala sy tsy mba mahita vaovao hafa tsy amin'ny haino aman-jery anjakàn'ny fafy lainga sy fanodikodinana saina (manipulation).
Mahereza daholo;mitrakà ary misikina hery!!!Mitsangana ry namana; Mifohaza ry Malagasy fa ilain'ny firenenao ianao!
Mitohy ny tolona mandra-pahazoana ny fandresena farany.
Masina ny Tanindrazana!
Gasykely
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)

AOKA SAMY HO RESY LAHATRA FA ADY AMIN'NY DEVOLY NO ATAO ....MITARIKA ANTSIKA HAKA HERY BE DIA BE AVY AMIN'ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY IZANY.....MITARIKA ANTSIKA HIANTEHITRA MANONTOLO AMINY NY TOE-JAVATRA MISEHO......REHEFA TENA MATOKY AZY ISIKA DIA HO VALIANY NY VAVAKA ATAONTSIKA.....
RépondreSupprimer99 ANDRO IHANY NO AN'NY MPANGALATRA.....MISY FARANY ZAVATRA REHETRA.....NY ATAO NO TSY MAINTSY HIVERINA ARY JEHOVAH NO HANAO IZANY MBA HANDRAISAN'NY REHETRA LESONA......MAHARETA KELY FOTSINY KANEFA AOKA HO TOTFANA VAVAKA IZANY....