RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est gadra politika. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est gadra politika. Afficher tous les articles

    HETSIKA FILONGOA


    Ho fitsinjovana ireo gadra politika mbola voatana any am-ponja.

    Ry havana, tapaka sy namana manerana ny Nosy, indrindra koa any am-pitandranomasina.Fijaliana no mianjady amin’ireo gadra politika mbola voatana any am-ponja ary fahasahiranana lalina no mahazo ireo vady aman-janany nohon’ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana : Karama tapaka, sakafo tsizarizary, fahasalamana marefo, aretina mikiky, fianaran’ny ankizy tsy mandeha amin’ny laoniny.Izany no hiainan’izy ireo,koa manainga ny rehetra haneho firaisan-kina hitondra izay foitsika mba ho fampaherezana azy ireo.Aoka isika haneho mandrakariva ilay fitiavana izay zava-dehibe amin’ny maha-malagasy antsika.

    Mankasitraka eram-po eran-tsaina sahady amin’izay fanampiana mety hatolotrao fa ho raisina am-pitiavana izany.Raha sitrakareo dia horaiketina anaty boky avokoa  ny anaran’ireo izay manolotra;hisy ny rosia omena anareo.

    Ny komitin’ny fianakavian’ny gadra politika

    Fomba andefasana ny vola:Antsoy ny laharana 034 79 861 97 -  034 37 476 66
    Arahinao email : filongoa.gp@gmai.com






    http://www.tim-madagascar.org

    Andian-tsary nanamarika ny fitsaràna ny raharaha BANI tetsy Anosy


    Vory maro be ireo vahoaka, tonga nanotrona sy nanome hery ireo miaramila sy olon-tsotra maro notsaraina mikasika ny raharaha BANI. Araho eto ambany ireo an-dian-tsary mirakitra izany:
     

    Hafatra fampaherezana sy fanentanana

    bani-gadra-politika.jpg

    Hafatra fampaherezana sy fanentanana

    Taorian'ny raharaha BANI Ivato sy ny fanagadràna ireo namana mpitolona sy mpitari-tolona maro,izay tsy fantatra izay toerana misy azy ireo ankehitriny (Atoa Fetison, Pasitera Edouard, Atoa Zafilahy), ny sasany indray tsy fantatra intsony izay fe-potoana hitazomana azy am-ponja sy lalàna mifehy azy fa voahosihosy tanteraka ny zo maha olona azy. Fa indrindra manoloana ny hirifirin'ny fiainana sy horohoro ary ny didy jadona goavana iainan'ny Malagasy ankehitriny,dia tsy hay ny tsy hitondra tena fampaherezana sy fanentanana kely ho atsika namana sy tapaka rehetra.