Nitondra hafatra maromaro ny Filoha Ravalomanana tamin’ny fidirany antariby teo amin’ny kianjan’ny Finoana androany, hafatra miantefa amin’ny Malagasy rehetra izay azo fintinina toa izao :
Miantso sy mangataka ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka hitondra am-bavaka ny fivoriana izay atao ankehitriny any Luanda mba hamaly ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy tokoa, dia ny famerenana ny ara-dalàna, hitondra vahaolana politika marina tokoa fa tsy ny resak’izao milaza ho mpanelanelana sy mpampihavana izao no izy. Manana tombotsoa manokana harovana izy ireo hoy izy fa hafa ny fanampahan-kevitra izay entina eo amin’Andriamanitra, izay mihaino sy manao izay mahasoa.
Vita izao hoy izy ny antontan-taratasy izay nomanina homena ireo filoham-pirenena mpivory ary koa ireo “observateurs”. Hita tokoa mantsy fa mitongilana ny fijerin’ny sasany, tsy rariny ny fanohanana ambadika ny fitondrana tsy ara-dalàna. Nangataka izy ireo mba hatao mazava tsara izany ary dia efa voarain’izy ireo soa aman-tsara eo ampelatanany izany.
Raha mpanelanelana marina I Simao dia tsy manao honohono fa milaza marina ny tena izy na manome torohevitra fa tsy manilikilika hoe “tsy izy ny 3 mouvances”. Sahia isika mijoro manohitra izany. Ny fahatongavan’I Simao any hoy izy dia tsy ara-dalàna. Tsy zazakely akory isika hoy izy ka ataony amin’izay tiany atao fa aoka isika Malagasy mba hanana hambom-po. Tsy rariny loatra raha fitondrana tsy ara-dalàna izao no lazaina fa io no izy.
Antso ho antsika rehetra tonga eo Behoririka na mihaino radio : samia mijoro fa tsy misy intsony izany fampihavanana sy fanelanelanana izany. Misy ireo manana fahaizana manokana momba ny mediation sy ny arbitrage izay gaga sy talanjona amin’ny zava-miseho amintsika. Mijery sy mandinika izany ny SADC hoy izy ary aza matahotra fa izy dia manaraka akaiky izany.
Antso ihany koa mba hiray hina manoloana ny fihetsika tsy fampiseho masoandro atao amin’ny firenentsika satria aim-pirenena no lalaoviny amin’izany. Efa fanapahankevitra re-tany sy ren-danitra izao fa tsy iray ny amendement natao, ilaina ny famoahana ny gadra politika rehetra sy ny fanaovana asan-gazety ary ny fametrahana ny tetezamita tena izy, inclusive…Aoka hoy izy tsy himenomenona ao am-po na am-pitoerana fotsiny isika fa ampiseho ny maha Malagasy amin’ny alàlan’ny firaisankina.
Miantso ireo mpanao politika mba handinka fa aim-pirenena no afoy ! ohatra ankehitriny ny vola fampidirana rano sns izay tokony ho antsika dia lasan’olona.
Mahalala ny tena zava-misy ny Filoha satria any ampotony. Nampahafantatra ireo firenen-dehibe mpiara-dia amitsika izy fa raha tsy nisy fanohanana ireo mpanongampanjakana dia efa nilamina hatry ny ela ity kirizy ity.
Tsy ady antrano no ilaintsika izao fa ny fanarenana an’I Madagasikara amin’ny lafiny rehetra.
Miantso ireo ray amandreny am-panahy koa ny Filoha mba hitondra ambavaka ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Miasa ny satana ary ampiadiany ny samy Malagasy. Ny sasany entin’ny tsy fananana experience dia amporisihina dia manaonao foana.
Aoka mba hiray hina isika ary hijoro hoe tsy mety aminay izao na izao fa izao no mety aminay. Raha ny tenany manokana dia nanamafy izy fa mijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena, manaja ny teny nomeny fa tsy mivadibadika toa ny lela may.
Raha tafaresaka amin’ireo mpitondra ao amin’ny sadc ny tenany dia vaky vava izy ireo hoy izy hoe maharitra izao ve ny vahoaka Malagasy ? dia tsy misy azo atao mihitsy ve ? mbola ho ekena ve…Samia mieritreritra hoy izy. Ny taranaka no tokony ho banjinina. Aoka tsy ho maika teren’ny fitiavan-tena.Raha nanao io rapport izay misy pejy 36 aho hoy izy dia misy antony dia ny filazana ny zava-misy : ireto no gadra mbola tokony havoaka, very ny hasiny izy ireo, ao ny miaramila, ao ny olona tsotra... Malagasy toa antsika ireo.
Manoloana ny filazan’ny sasany hoy izy fa mpamono olona aho dia sahy milaza eo anatrehan’Andriamanitra aho hoy izy fa tsy namono olona na iray aza.
Nolazaiko ireo mpivory fa lalaovin’ny sasany izahay fa raiso ny fanapahan-kevitrareo. Hifandray tànana amintsika izy ireo ary mino aho fa mamaly vavaka Andriamanitra. Tsy ny fifidianana no maika fa ny fampihavanana ny vahoaka Malagasy. Misy ny tsy manakohanina any atsimo any ilàna ny firaisankinatsika. Tsy hisy hankato izay fifidianana maimaika any na ny amerikana, na ny eropeana na ny afrikana. Izaho efa nilaza hoy ihany ny Filoha fa tsy hanelingelina raha ho tonga any.
Teo am-pamaranana dia nanamafy ny Filoha fa tsy misy mahazo tombotsoa amin’izao isika Malagasy fa ampitahorina fotsiny hoe raha miverina eo I Président dia izao no hitranga.
Fianakaviambe iray ny Malagasy hoy izy : ny ray amandreny hihaino ny zanaka, ny zanaka hanaja ny ray aman-dreny.
Fianakaviambe iray ny Malagasy hoy izy : ny ray amandreny hihaino ny zanaka, ny zanaka hanaja ny ray aman-dreny.
http://www.tim-madagascar.org/
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire