RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana anio sabotsy 20 aogositra 2011

    antso-ravalomanana-aogositra-2011.jpg

    Nanao antso mivantana tamin'ireo vahoaka tonga maro be tao amin'ny kianjan'ny Finoana Magro ny Filoha Marc Ravalomanana androany.Nitondra hafatra sy vaovao ny tenany,ary toy ny mahazatra dia ampifaliana sy ankaravoana hatrany no nandraisan'ireo vahoaka maro an'isa an'izany. ARAHO ETO NY ANTSO

    Toa izao ny famintinana ny antson’ny Filoha Ravalomanana anio teo amin’ny kianjan’ny finoana anio:


    Tanteraka soa aman-tsara hoy izy ny fihaonana tao Luanda ary dia nifanojo tsara tamin’ny fanirian’ny vahoaka malagasy mpandala ny ara-dalàna ny fanapahankevitra tao na dia teo aza ny sakantsakana nataon’Atoa Denis Andriamandroso. Tsy ny filazana ny zava-misy, izay tokony nataony no nataony fa nanaratsy ny 3 mouvances. Efa tena niova fijery tokoa izy hoy ny olona satria nolazainy fa isika hono no tsy manana finiavana politika hamaha ny krizy. 



    Misaotra an’Andriamanitra fa tsy nisy nino azy ny mpivory fa nazava tsara ny rapport izay natao milaza ny antsipirihany ny asa fanelanelanana nataon’I Simao sy Salomao izay nifandray tsy tapaka taminy.Toa izany koa I Andriamatoa Zina Andrianarivelo izay nanao hatrany ny ahatongavan’ireo mambran’ny mpanongam-panjakana eo anivon’ny fivorian’ny ONU.

    Nanao antso ny fianakaviany ny Filoha mba hiteny azy. Mihevitra tokoa ireo olona ireo fa tsy mifandray amiko hoy izy ireo firenena ao izay nanambara fa ny olona akaiky ahy no mamadika.
    Tsara sy mifandray mivantana amin’ny hetahetsantsika ny tany Luanda : Manamafy ny fanapahakevitra tany Sandton dia ny fiverenan’ny nitsoa-ponenana noho ny resaka politika, ny handraisan’izy ireo anjara feno amin’ny raharaha politika ary ny fikarakarana ny fifidianana mba ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Tsy maintsy miresaka ihany koa isika Malagasy.Manomboka izao hoy ny Filoha Ravalomanana dia ny Troika izay misahana ny politika sy ny sécurité ao amin’ny SADC ary tarihin’ny Afrique du sud ankehitriny no mitantana ny fanelanelanana entina manatanteraka ny ny fanapahankevitra noraisina.

    Manamafy nefa ny Filoha Ravalomanana fa manana andraikitra lehibe ny Malagasy indrindra ny mpitondra, ireo mpanao politika. Koa miantso ny tsirairay hijery ny tombotsoa ambonin’ny firenena ka hametraka ny hambo-po diso toerana. Fotoana handinihan’ny tsirairay tena sy hapa-kevitra.Tsy hisy mihitsy hoy ny Filoha Ravalomanana izay fankatoavana iraisam-pirenena raha tsy tafaverina any Madagasikara izy tenany. Miantso ny tsirairay izy mba ahatonga saina ny hafa na tsy hampiroaroa saina amin’ny resaka fankatoavana. Miverina any aloha ny nitsoa-ponenana dia hisy ny sommet andinihina ny rehetra ary ny vondrona iraisam-pirenena no hanampy amin’ny fantanterahana. Lasa very fanahy tokoa ny Malagasy satria ny mpilaza vaovao tsy milaza ny marina, ny mpanelanelana lasa mpitsara ka milaza fa tsy ilaina ny fanaovan-tsonian’ny 3 mouvances.


    Nanolotra fisaorana ny Filoha Zafy Albert ny Filoha Ravalomanana satria mijoro sy misolo tena azy mirahalahy mampisy ny fanantenan’ny vahoaka. Fisaorana ho an’ny mpitarika ary ny ray amandreny ampanahy mitaiza.


    Tena sahirana ny Malagasy koa dia samia mandini-tena, miteny ireo olona diso lalana. Manantena sy mino isika fa ho avy tsy ho ela ny mpanelanelana amin’ny fiverenan’ny ara-dalàna amin’ny alalan’ny fifidianana mahaleo tena. Vola avy aty ivelany no hantanterahana izany. Mbola ho sarotra ny famerenana ny fitokisan’ny mpamatsy vola. Ankehitriny dia lasan’ny firenena hafa ny vola satria tsy matoky ny fitondrana nalaina ankeriny izy.


    Antso ihany koa ho an’ireo mpanongam-panjakana eo amin’ny fitondrana fa fotoana mandalo izy ireo no eo ary olombelona ohatra azy ireo ny vahoaka izay mijaly.


    Teo ampamaranana dia nanamafy izy fa manao izay azony atao, tsy mitsahatra manao izay azo atao miasa amin’ny famerenanana ny ara-dalàna, ary dia mba hijoro ny tsirairay.

    Sary:Mydago.com

    http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire