
Mitabataba ny mpitati-bilana sy mpitati-bolana mpanao gazety fafy laingan'ny FAT fa i tgv hono no nisolo-tena ny Malagasy tatsy Afrika atsimo t@ fankalazàna ny faha 100 taonan'ny ANC fa i Ravalomanana hono ny tenany ihany no nosoloiny tena tany.
Tsara asiana fanitsiana kely angamba satria Malagasy iza moa no nosoloin'i tgv tena tany?Malagasy iza no nifidy an'i tgv?Niaraha-nahita,niaraha-nahalala fa ny basy sy ny CAPSAT no nifidy azy ary mahatonga azy hisora-tena toy ny voatango mandraka ankehitriny hoe filohan'ny FAT.Ary mandraka ankehitriny dia mbola ny basy sy ny hery famoretana ihany no mihazona azy eo @ fahefàna sandoka izay ataony toy ny voron'azon'adala io ankehitriny.
Ny adian'olom-bitsy mahazo tombotsoa mihoa-papana sy nanakarena tampoka nandritra izao fanjakan'Ibaroa izao angamba no Malagasy nosoloiny tena tany.Olom-bitsy izay sady mpivaro-tena ara-politika no mpijangajanga ara-politika ka nanakipy tanteraka ny feon'ny fiheritreretany manoloana ny fahoriana sy fahantràna ary ny hirifiry lalina iainan'ny Malagasy 20 tapitr'isa mpiray tanindrazana aminy manoloana ny VOLA MORA, GALONA SY GRADY MORA, FAHEFANA MORA izay mena haraviravin'ny FATn-drajoelina aminy.
Ny azo antoka dia ny Filoha Ravalomanana no Filoham-pirenena ara-dalàna farany sy fantatry ny Malagasy rehetra manerana an'i Madagasikara ka hatrany andafin'ny riaka.Ny Filoha Ravalomanana no nofidian'ny Malagasy.Ny Filoha Ravalomanana no Filoha nampahafantatra be indrindra an'i Madagasikara manerana izao tontolo izao tamin'ny alalan'ny asa tsara,asa mafy nataony;tamin'ny alalan'ny fampandrosoana sy fitadiavana fiaraha-miasa amin'ireo Firenen-dehibe matanjaka hafa(USA, JAPON, CANADA, ALLEMAGNE, AFRIQUE DU SUD,...) ka nahavelom-pialonana mafy ny firenena frantsay ary niaraha-mahalala ny tohiny avy eo.
Vokatry ny asa fampandrosoana nataon'ny Filoha Ravalomanana (Lalana an'aliny KM maro manerana ny Nosy,Orinasa goavana maro toa an'i QMM, SHERIT,...,AGOA,...) no mbola "sérum" sy "oxygène",ambim-bava mampihodina ny toe-karen'i Madagasikara ankehitriny na dia efa mitsilopilopy mafy aza izay taorian'ny fanonganam-panjakàna sy krizy mafy tsy manam-paharoa misy nandritra ny telo taona izay.Ny tiana ambara dia tsotra ihany satria raha lava ny teny very ny soa,raha lava ny bozaka very ny kisoa.
Ny Filoha Ravalomanana no mbola Filoha fantatry ny Malagasy hatramin'izao,ary tsy adala ny Malagasy na kisendrasendra ny nahatonga azy ireo hifidy an-dRavalomanana indroa nisesy ary vita fihodinana voalohany foana izany(1è tour dia vita).Na inona na inona fafy lainga sy fanaratsiana ataon'ny FAT,na inona na inona fanandrata-tena amin-kery sy amim-basy ataon-drajoelina dia volamena latsaka ambovoka ny Filoha Ravalomanana,mamiratra hatrany.Ary arakaraky ny hanaratsiana sy hanapotehana azy vao maika mampatanjaka sy manome hery azy hanoy hatrany adidy masina miandry azy sy ny tolona iaombonany miaraka amin'ny vahoaka Malagasy.
Ravalomanana no nofidiko,izy no misolo-tena ahy!Ravalomanana no nofidian'ny Malagasy,izy no misolo-tena ny Malagasy!!!Ary aleo ho avy ny fifidianana manaraka hahafahan'ny rehetra mandray anjara.Fifidianana madio sy ara-dalàna handraisan'ny hery rehetra anjara sy manomana dia ho hita eo marina hoe iza no tena solo-tena sy voafidin'ny Malagasy.
Malagasy iray
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire