
Fanambarana avy amin’ny Masoivoho Amerikana mikasika ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny fivoriana
Manahiran-tsaina an’i Etazonia ny herisetra nampiasain’ireo mpihazona ny fahefana ankehitriny sy ny mpitandro filaminana mpiara-dia aminy ho fandravana fihetsiketsehana ara-politika. Na ny tondrozotra na ny lalàna iraisam-pirenena anefa dia manindrahindra ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny fahalalahan’ny fivoriana, anisan’izany ny fanehoana tsy fitovian-kevitra ara-politika, ho zo fototra ananan’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka. Efa nisy tranga mampahalahelo toa izany nomarihinay tao anatin’ny Tatitra mikasika ny Zon’olombelona tamin’ny taon-dasa. Mampanahy anay hatrany ny rahon’ny tahotra, fandrahonana ary herisetra mitatao sady vao mainka miavosa vokatry ny disadisa politika ankehitriny. Satrinay ny hampahatsiahy hatrany ny ankolafy politika rehetra mikasika ny tokony hanajana hatrany ny zon’olombelona fototra – anisan’izany ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny fahalalahan’ny fivoriana – izay arovan’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara sy ny lalàna iraisam-pirenena rahateo.
US Embassy Madagascar
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire