RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Filoha Marc Ravalomanana: "Tsy mila amnistia aho!"


    ravalomanana-amnistia.jpg
    Ny Filoha Marc Ravalomanana
    Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Filoha Ravalomanana rehefa tsy nandrenesam-peo nandritra ny fotoana elaela.Tamin-kafaliana tanteraka no nadraisan’ireo vahoaka vory tao amin’ny kianjan’ny finoana Magro an’izany androany raha nitafa mivantana tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia ny tenany.


    Nambaran’ny Filoha Ravalomanana androany fa nisy antony lehibe matoa nisafidy ny hangina ny tenany tato ato. Tamin’izany koa no nilazàny fa tsy mila amnistia izy satria fahefàna tsy mahefa no nitsara azy.Tsy nanao ratsy tamin’ny Fireneko aho hoy ny Filoha Ravalomanana ary aza matahotra ianareo fa tsy maintsy tafaverina any Madagasikara aho ary tsy maintsy miasa miaraka isika.

    Teo am-pamaranana dia nanantitrantitra ny Filoha Ravalomanana fa tsy misy mihitsy afaka hamono ny afom-pitiavany ny Firenena ao anatiny.

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire