![]() |
| Mpitandron'ny filaminana sa mpitandron'ny fanakorontanana ara-politika? |
Mihazakazaka dia
mihazakazaka ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena ankehitriny. Miha mahazo
rehitra hatrany ny afo mandoro ny fitondràna
tetezamitan-dRajoelina Mampiaka-peo sy manao fihetsiketsehana maneho tsy
fankasitrahana ny fitondràna misy ankehitriny avokoa ny ankamaroan’ny hery
velona sy ny mpiasam-panjakàna ary ny fikambanana maro samihafa misy eto
amin’ny Firenena.
Eo ny raharaha Free FM sy ny fitakian’ny mpanao
gazety, Mananontanona ao koa ny fitokonam-ben’ny mpiasam-panjakàna izay efa
nialohavan’ny fitokonan’ny mpampianatra sy mpianatra ary ny mpitsabo mpanampy.Ankoatr’ireo
rehetra ireo dia tsy mijanona fa vao maika mahazo hery ihany koa ny tolona
ataon’ireo vahoaka « Zanak’i Dada » izay mitaky tsy misy hatak’andro
ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana eto an-Tanindrazana.Tato anatin’ny
herinandro vitsy izay dia mitohy ary mihamafy sy mahazo hery hatrany ny
hetsi-bahoaka sy fanehoan-kevitra an-dalam-be (Ambohijatovo) izay ahitàna
hatrany koa ny habibian’ireo mpitandron’ny filaminana izay zary lasa hery famoretana
sy biby fampitahora ary fitaovana politika sisa.
Manoloana ny hafanàna
ara-tsosialy sy ara-politika ankehitriny indrindra ary dia namoaka fanambaràna
ny EMMONAT(Etat-Major Mixte opérationnel national).Eo
anatrehan’izany fanambaràna izany nefa dia tsara ny mitondra ireto teboka
vitsivitsy ireto :
-Oviana moa no nisy
famoriam-bahoaka nahazo halalana teto indrindra tao anatin’izay telo taona
nisian’ny fanonganam-panjakàna izay ?Na ny kianja lazaina fa kianjan’ny
DEMOKRASIA aza basy sy tafondro no miaro azy mba tsy hahafahan’ny vahoaka
maneho hevitra.
- Ho an’ny vahoaka dia
lasa nofy ratsy sisa izany mpitandron’ny filaminana sy ny miaramila izany.Raha
hiady tombotsoa sy karama be ary voninahitra dia voalohany fa raha tena handray
andraikitra marina amin’ny maha mpitandron’ny filaminana sy tandroka aron’ny
vozona azy dia gisitra.
Mitombo isan’nadro ny tsy
fandriam-pahalemana,ary mitombo isan’andro koa ireo olo-tsotra
(maratra,voasambotra,maty,…)iharan’ny habibian’ireo miaramila sy mpitandron’ny
filaminana hany ka tsy matoky azy ireo intsony ny vahoaka ka na ny manavaka azy
amin’ny tena jiolahy sy dahalo aza lasa manahirana.
-Lasa fitaovana politika
sy biby fampitahorana eo am-pela-tanan’olo-bitsy sisa ny mpitandron’ny
filaminana sy ny miaramila.Very tanteraka ilay soatoavina ara-miaramila fahiny
manao hoe « Ho an’ny Tanindrazana » fa toa lasa izay
mahatolotolotra sy manam-bola ihany sisa no mibaiko.Tsy tandroka aron’ny vozona
intsony no misy fa « Tandroka aron’ny fahefàna sy fananan’olom-bitsy ».Manoloana
izany rehetra izany anefa dia mbola ilay vahoaka sy mpiray Tanindrazana efa
iharan’ny tsindry hazo-lena hatrany no mbola mandoa ny karama sy ny tombotsoa
mihoa-papana.
-Raha tena teknisiana
marina ny mpitandron’ny filaminana fa tsy mpanao politika araka ny voalazany
dia tsy tokony ho ny vahoaka no fahavalony fa ny mpanongam-panjakàna sy ireo
rehetra manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ankehitriny.
-Na inona ambara na inona
fanazavàna entin’ny EMMONAT ;io fanambaràna ataony io dia mampiseho fa efa
manomboka misy ny fivakisana eo amin’ny samy miaramila manoloana ny
fihoaram-pefy sy ny famoretam-bahoaka ataon’ireo miaramila sy mpitandron’ny
filaminana sasany izay mahazo baiko sy tombotsoa mivantana avy amin’ireo
olom-bitsy manao fitaovana azy ankehitriny.
-Raha ny vaovao farany dia tonga nandroba sy nangalatra ireo fitaovana sisa tavela sy tapa-porohana sisa tsy main'ny Radio Mada sy MBS ireo milaza azy fa mpitandron'ny filaminana io hariva io.Mpitandron'ny filaminana miaro ny fananam-bahoaka sy ny fananany marina ireo be basy mahery fihetsika ankehitriny sa sônegaly mahazo baiko mpandroba sy mpangalatra.Izay lalovany rehetra dia voaroba sy mitondra faisana avokoa.
Zary lasa mpitari-bato vilam-bava ireo mpitandron'ny filaminana ankehitriny,hafa ny lazain'ny vava,hafa ny ataon'ny tànany...Satria tsy mba ho an'ny Tanindrazana intsony no tarigetra fa lasa HO AN'NY VOLAN'NY TANINDRAZANA!!!
Fanambarana avy amin’ny Etat-Major Mixte opérationnel national (EMMONAT)
Manoloana ny famoriam-bahoaka tsy
nahazoana alalana nataon’ireo mpanao politika sy haino aman-jery
sasan-tsasany sy ny fanambarana nataon’ny vondron’olona vitsivitsy tao
ho ato, ary ireo vaovao tsy marim-pototra fampiadiana sy
fampisaraham-bazana ny mpitandro filaminana dia manao izao fanambarana
izao ny EMMONAT :
Voalohany,
misaotra sy midera ny fihetsika nasehon’ny mpitandro filaminana avy ao
amin’ny EMMOFAR, izay hitambaaran’ny zandarmariampirenena, ny tafika
malagasy ary ny polisim-pirenena, nanatanteraka ny asany an-tsakany sy
an-davany na dia nisy aza ireo fiantsiana maro samihava nandritra ny
fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana.
Mampafantatra ihany koa fa tsy olon-tokana araky ny fiheveran’ny sasany
azy no mandray fanapahan-kevitra eo anivon’ny mpitandro filaminana fa
fanapahana iraisan’ireo mpitarika ny EMMOFAR manerana ny nosy no
tanterahina manaraka ny baiko avty aminay EMMONAT araky ny lalana velona
eto amin’ny Firenena. Amin’ny maha leaddern’ny EMMO faritany
Antananarivo ny lehiben’ny frari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena
Antananarivo dia manao ny asa ampanaovina azy izy.
Ka na iza na iza no teo amin’ny toerany dia nitovy ihany ny fepetra
noraisina eo anatrehan’ireny zava-mitranga ireny satria Lalàna mitovy no
ampiharina ary mitovy ihany koa ny fihofanana atao mikasika ny
fitandrovana ny filaminam-bahoaka.
Teknisiana ny mpitandro filaminana fa tsy mpanao politika. Tsy hilefitra
amin’ny fampiharana ny Lalàna ny mpitandro filaminana satria natao ho
an’ny olon-drehetra ny Lalàna ka tsy maintsy hisy ny fisamborana ireo
minia mandika izany na mihoa-pefy fa indrindra ny fitondrana
fitavam-piadiana ao anaty famoriam-bahoaka.
Manome baiko sy mankahery ny mpitandro filaminana rehetra izahay telo
mirahalahy lehiben’ny EMMONAT mba hahatanteraka an-tsakany sy an-davany
ny asa iandreketan’izy ireo araky ny Lalàna sy ny baiko omena fa tsy
sanatria handairan’ny tsaho sy ny fampiadiana amin’ny alalan’ny haino
aman-jery izay mety hiteraka fisaraham-bazana sy fifankahalana.
Général Bruno Razafindrakoto, commandant EMMONAT

dain!!!! marikoriko be!!
RépondreSupprimer