FANAMBARANA
Manoloana
ny zavanisy mikasika ny fihetsiketsehana nataon’ny vahoaka ho
fanehoan-kevitra teto amin’ny firenena nandritra izao krizy izao, dia
tsy hainay Manamboninahitra Jeneraly sy Manamboninahitra ambony misotro
ronono, nivory teny Ankerana ny volana Mey 2010 ny hangina koa manao
izao fanambarana izao izahay :
1.
Anisan’ny fotokevi-dehibe tamin’izany fivoriana teny Ankerana izany ny
tokony hisian’ny fitoniana eo anivon’ny Foloalindahy sy ny Firenena ;
2. Notsiahivina tamin’izany fotoana izany ihany koa ny fanarahana ny
lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana, amin’ny fanatanterahana
ny andraikitra ;
3. Anisan’ny
zava-nokendrena tamin’izany ny fampiharana sy fanatsarana ny
fehinkevitra izay tapaka tamin’ny « Assises militaires » teny Ivato
tamin’ny taona 2009 hikendrena ny maha-iray tsy mivaky ny Foloalindahy ;
4. Averina etoana fa ny antom-pisian’ny Foloalindahy dia ny fiarovana
ny ain’ny olona sy ny fananany sy ny fampanajana ny sata repoblikana «
Ho an’ny Tanindrazana ».
Noho izany :
1. Tsindrianay mafy etoana fa anisan’ny zo fototra iraisam-pirenena ny
fahafahana maneho hevitra ankalalahana, eo anivon’ny firenena.
2. Tsy tokony hampiasaina ho Herim-pamoretana ny vahoaka ny Foloalindahy.
3. Arakan’ny voadidin’ny lalàna velona, ny manampahefana sivily izay
manome baiko ny mpitandron’ny filaminana handrava fihetsiketsehana ka
hampiasa hery no tsy maintsy manatrika ny fanatanterahana izany.
Amin’izany andraikitra izany dia mitondra ny marika maha-manampahefana sivily azy izy (fanamiana na samboady).
Izy ihany koa no manome fampitandremana mialoha ny fampiasan-kery.
Koa manainga sy mampahatsiahy ireo zandry tompon’andraikitra ankehitrio
izahay ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny lalàna velona ho fiarovana
ny tsy hisian’ny rà mandriaka sy tsy hisian’ny hantsana mampisaraka ny
vahoaka sy ny Foloalindahiny.
Natao teto Antananarivo androany faha-23 mey 2012
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire