![]() |
| Tafi-bahoaka sa mpanafi-bahoaka? |
Homamiadan'ny tetezamitatra: Mikiky sy mamono tsikelikely ny Malagasy sy ny toe-kareny ary ny harem-pireneny (vatosoa,hazo,biby,kolo-tsaina...).
Vao niandoha fotsiny ny fanonganam-panjakàna dia efa AFO,BASY,Rà,AINA LATSAKA...no nisantaran-dRajoelina sy ny forongony ny fahefàna sandoka azony tamin-kery.
Mihazakazaka ny fotoana,ary efa ho telo taona mahery sahady izay no nahatafiditra an'i Madagasikara tao anaty fahantràna lalina sy tsy fandriam-pahalemana ary horohoro isan'andro.
-Riapaka ny Andramena (BOIS DE ROSE),may sy nikatona ny ORINASA maro namelona fianakaviana an'alin-kisa,kila forehitra sy nihidy avokoa ny haino aman-jery maro manerana ny Nosy,(Raha ny vaovao farany dia mahery ny 8O ny isan'ireo haino aman-jery nakaton'ny fitondran-dRajoelina manerana ny Nosy)
-Migadragadra amin'ny tsy misy antony toy ny jiolahy rain-dahiny avokoa ireo rehetra izay sahy mijoro maneho ny heviny sy mahasahy manohitra mivantana ny asan-dahalo ataon'ny FATn-dRajoelina eo amin'ny tetezamitatra (sivily,miaramila,mpanao gazety,mpitondra fivavahana,...).
-Atao varo-boba amin'ireo karàna sy sinoa ary frantsay avokoa (Tany,harena an-kibon'ny tany,Orinasa MALAGASY maro),
-Lasa fitaovan'olo-tokana hiarovany ny fahefàna sandoka eo am-pela-tànany sy ny halatra azony sisa ny FITSARANA sy ny TAFIKA MALAGASY,...sns...
Manoloana izany rehetra izany anefa dia toa mitaza-potsiny sy toy ny very fanahy mbola velona sisa ny Malagasy.Mijery fotsiny amin'alahelo toy ny tany nahalavoana ireo harem-pireneny ataon'ireo FATn-jiolahy tantely afa-drakotra.
Miraviravy tanana tanteraka eo anatrehan'ny fanosihosena ny Zon'olom-belona ataon'ireo mpanorom-pahefàna sy mpangoron-karena eo ambony fahatràm-bahoaka sy herisetram-basy satria ireo tompon'andraikitra sy mpitandro ny filaminana nantenain-kanirina hatreto toa vao maika mampivandravandra avokoa.
Tsy misy fanampahan-kevitra mivaingana sy matotra raisin'izy ireo fa lasa angady tsy mahatapak'ahitra avokoa na ny eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany (SADC,ONU,UA...) na ireo mba nantenaina ho tandroka aron'ny vozona (Miaramila,Zandary,Polisy) na ireo noheverina fa mba arofanina mpiaro ny madinika sy ny malemy eo amin'ny sehatry ny lalàna(Mpitsara,...).
Fahanginana sy tsy fandraisana andraikitra toa midika firaisana tsikombakomba manoloana ny Fanjakan'Ibaroa ataon'ny tetezamitatra eto amin'ny Firenena ankehitriny.
Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ireo mpangalatra sy mpandroba ary tsy mpanara-dalàna ary mahazo vahana isan'adro ny mpanao ratsy sy ny fahantràna ary ny tsy fandriam-pahalemana.
Tsy mba atenda intsony ny ranom-bary ho an'ny vahoaka fa efa mandifotr'olona mihitsy,ary tsy mba loza manambana intsony ny rivo-doza n'ny FAT fa efa tena
Mazava izao fa tsy mba misy azo antenain'ny vahoaka izany hafa tsy ny herin'ny tenany ihany(Ny miaramila sy ny mpitandro ny Filaminana tsy antenaina fa lasa fahavalo aza).Ary eo anatrehan'izany dia tsy maintsy mijoro sy mandray andraikitra ny Malagasy raha tsy te ho ringan'ny asa-ratsin'ireo MAFIA nahazo fitondràna.
Tsy maintsy mandray andraikitra ny Malagasy raha te hamerina indray ny fahafahana sy fandrosoana nisy teto amin'ny Firenena.
Mifohaza ry Malagasy hanakana sy hisambotra ireo mpangalatra sy mpandroba ny harem-pirenenao!!!Aoka tsy handrihandry manan'aretina isika satria ny FATn-jiolahy dia tsy mandry andro mandry alina manohy ny asa ratsiny sy mandentika ny fakany any amin'ny lalin-dalina kokoa hatrany eto amin'ny Firenena.
Mifohaza ry Malagasy!!!Mijoroa ho tompon'andraikitra eto amin'ny Firenenao!!!
D.R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire