RADIO LONGO MADAGASIKARA
Filoha Marc Ravalomanana:"Manambàra amin'ny fomba ofisialy aho fa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ary tsy hihemotra amin'izany!"
...Manambàra amin'ny fomba ofisialy aho fa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ary tsy hihemotra amin'izany!
Nanombohany ny kabary androany dia ny fitondràna fampiononana hoan'ny fianakavian'izay mana-manjo, izay no maha-malagasy, koa mamangy ny fahoriana hoan'i Rajoelina sy ny fianakaviany aho hoy izy.
Nanazava ny fahitàny ny zava-misy eto Madagasikara izy ary malahelo noho izao zava-mitranga izao satria tena latsaka ankaterena tokoa ny malagasy. Manana zina ny olombelona hoy izy ihany, ka tokony jerena ireo olona izay ao anaty fahantràna tanteraka ka lasa mifandripaka ny samy malagasy ka na ireo niara-dia teo aloha aza dia efa tsy mifampatoky intsony. Misaraka izy ireo ankehitriny ka raha tsy tonga ny fampihavanana dia hifamono eto ny samy malagasy ka diso tanteraka izany satria isika samy isika no hifandripaka eto. Tokony handini-tena ny tsirairay fa tsy afaka ny samy hiteny fa manana ny rariny daholo.
Ny tatitra izay voaraiko tamin'ireo delegasiona Sadc hoy izy dia mahamenatra satria navoakan'izy ireo tamin'ny haino aman-jery ny fahantràn'ny malagasy.
Maro ny anton'izany hoy izy fa indrindra ny tsy fanampian'ny avy any ivelany intsony , satria tsapan'izy ireo ny tsy finiavana hitady famahana olana.
Ampy izay hoy izy ka tsy maintsy miroso amin'izany fifamelàna izany satria izay no fepetra ahafahana miroso haingana amin'ny famahàna ny krizy. Miantso ireo tompon'andraikitra izy mba ampiseho ny fahavononany hiroso tokoa amin'ny fifidianana tena mangarahara ary ny fandraisany anjara dia tsy azo hidivirana.
Izaho ihany koa hoy izy no hilaza aminareo ny andro hiverenako izay tsy ho ela. Efa mitovy hevitra avokoa ny firenen-drehetra momba izany. Esory ao an-tsain'ny sasany hoy izy izany "ni ni " izany satria tsy maintsy hilatsaka aho. Anjaran'ny vahoaka malagasy hoy izy no misafidy izay filoha hitantana ny fireneny.
Koa manao fanambaràna ho re-tany sy re-danitra aho izy fa amin'ny fomba ofisialy no hilazako ny firotsahako amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena. Tsy hisy fifidianana eto Madagasikara hoy izy raha tsy mody aho. Tsy azo vidiana vola izany hoy izy.
Aleho alalaka ny fanehoan-kevitra ary toa izany koa ny fampielezan-kevitra hanazava ny programa hoan'ny fampandrosoana. Aoka isika hitandro hatrany ny firaisan-kina sy fampisehoana ny fijoroantsika hatramin'ny farany. Tombotsoam-pirenena no jerena fa tsy an'olon-tokana.
Teo ampamaranana dia nilaza izy fa tsy hamitaka ny vahoaka malagasy izy! Samia vonona ny tsirairay, aza matahotra ny masony raha toa hividy ny lohany!
Mananjina ny zanak'olombelona, asehoy ny fahatapaha-kevitra hiroso amin'ny fifidianana tena mangarahara ary amin'ny fomba demokratika, malalaka ary andraisan'ny firenena rehetra amin'ny fanampiana ara-bola!
http://www.tim-madagascar.org
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire