Namerina ny fiarabàna an'i Rtoa Dlamini-Zuma ny filoha Marc Ravalomanana amin'izao nahalany azy ho filoha'ny commission'ny UA izao. Zava-dehibe izao hoy izy satria hitovy tanteraka ny feon'ny Sadc sy UA. Hiova tanteraka noho izany ny fandehan'ny raharaha politika eto Madagasikara sy ny famahàna ny krizy. Hisy fanapaha-kevitra aingana hoy izy ny momba ny firenentsika ary azontsika ho raisina toa ny fandresena satria hiova ny fomba fiasan'ireo vondrona rehetra manelanelana. Hisy noho izany hoy izy ny fifidianana malalaka andraisan'ny rehetra anjara ary hisafidianan'ny malagasy izay hitondra azy.
HENOY ETO NY ANTSO
http://www.tim-madagascar.org/
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire