RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Ravatomanga Roland «Antomotra ny fahatongavan’ny Filoha Ravalomanana»


    Mitety Faritra ireo lohandohany mpitarika ny ankolafy Ravalomanana. Tany Toamasina ny Me Hanitra Razafimanantsoa.

    Nitety toerana maromaro tao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa iny ny ekipa nahitana an-dRavatomanga Roland minisitry ny fambolena raha tany Vatovavy Fitovinany ny ekipa niaraka tamin’ny minisitry ny varotra, Olga Ramalason. Tsy mpiseho ny tahaka izany, fa ao raha. Manomana ny olony amin’ny fiavian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny fifidianana ho avy ny ankolafy Ravalomanana.
     
    Tao Ambositra ny harivan’ny sabotsy 14 jolay teo dia nilaza mazava ny Minisitry ny fambolena, Atoa Ravatomanga Rolland, niaraka tamin’ireo Parlemantera ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana fa vonona hiatrika fifidianana ary tsy matahotra amin’ny fandraisana anjara amin’ny filatsahan-kofidiana ny ankolafy Ravalomanana. “Tonga izao ny fotoana handraisana andraikitra, ho avy tsy ho ela ny Filoha Marc Ravalomanana, izay nandray anjara tamin’ny fivoriana tany Addis-Abeba ny tenany ny sabotsy lasa teo”, hoy izy. 
     
    Feno hipoka ny efitrano malalaka tao amin’ny Kaominina Ambositra, ary mbola noporofoin’ny vahoaka ao Amoron’i Mania fa maro mpanohana ity Filoham-pirenena teo aloha ity. Efa eo am-pandinihana ny fomba hiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana ny SADC sy ny firaisambe iraisam-pirenena ary tsy maintsy milatsaka hofidiana izy ka tsy maintsy ho lany ho Filoham-pirenena amin’ny «1er TOUR DE VITA», hoy Atoa Ravatomanga Roland, ity farany izay tompon’andraikitry ny Ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Faritra dimy ao anatin’ny Faritany Fianarantsoa teo aloha miampy ireo Faritra Itasy sy Bongolava.
     
    Nandritra ity fihaonambe tao Antamponivinany Ambositra ity koa ny fanentanana ireo rantsamangaikan’ny Antoko Tiako I Madagasikara ao Amoron’i Mania hivonona amin’ny famelomana ireo rafitra isan’ambaratongany miainga any amin’ny Fokontany, Kaominina, Distrika ary Faritra izay hatao fiaraha-mitantana na «Direction Collégiale». Tsy mbola resy tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania tamin’ny fifidianana efa nisy teto amin’ny firenena ny Filoha Ravalomanana, hoy ny mpitarika ny Tiako I Madagasikara ao an-toerana ka hanohy izany. Maro ireo Parlemantera Zanak’i Dada tonga tao Ambositra nahitana ny CST Rakotonirina Lova, CST Randrianjatovo Henri, ny CT isany Guy Maxime Ralaiseheno, Andriambelosoa Barijaona, Nirina Lamboarivelo Rakoto Joseph, niaraka tamin’ireo Parlemantera avy any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.
     
    Rado
    http://tiatanindrazana.com/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire