| Movansa Rajoelina vaovao??? |
Tsy tonga teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina raha tsy nanampy azy ny miaramila. Nisy karazany moa ny endrik’io fanampiana io.
Tao ireo niseho nivantana ka efa niambina an’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Nisy koa ireo nivonona ny hiady mihitsy tahaka ny CAPSAT, fa teo kosa ireo mody nangina kanefa tsy nety nandray baiko avy amin’ny fitondrana Ravalomanana intsony. Vantany vao tonga teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina dia nokarakarainy fatratra ny foloalindahy. Nisesy mihitsy ny fampisondrotana grady sy fizarana galona. Nahazo ny anjarany avokoa ireo manamboninahitra nanampy azy.
Isan-karazany ny fanampiana ara-pitaovana azon’ny zandary sy ny polisy, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Frantsay indrindra indrindra. Nanamarika ny tetezamita koa anefa ny fikomiana tamina toby miaramila maromaro teto an-drenivohitra. Re matetika fa toa hoe mimenomenona ireo vatamiaramila any an-dakazerina any noho ny fahitan’izy ireo ny tombontsoa mihoapampana azon’ireo be galona. Nisy mihitsy moa ny fotoana efa nijoro ny manamboninahitra lefitra sy andiana manamboninahitra nitaky ny hamerenana ny hasin’ny foloalindahy, satria dia manjaka loatra ao, araka ny filazan’izy ireo ny vola sy ny politika.
Hatramin’izay fitondrana nifandimby teto angamba dia nandritra izao fitondrana tetezamita izao no tena nahitana savorovoro be indrindra tao amin’ny foloalindahy malagasy, porofon’izany ny fisian’ny miaramila maro any am-ponja izay manamboninahitra ny ankaroany, ary nahitana manamboninahitra ambony, am-perinasa ihany koa tsy misalasala intsony manao fanambarana politika. Nataon’i Andry Rajoelina fitaovana nandrombahany fahefana ny foloalindahy, nampiasainy mba hifehezana ny mpanohitra ary mbola ampiasainy hiarovana ny fahefany ihany koa. Misy manamboninahitra ambony eto, izay hita amin’ny fomba firesany fa toa mitanila amin’i Andry Rajoelina tsotra izao na dia miezaka ny milaza fa tsy momba ny atsy na ny aroa aza, toy ny natao tao amin’ny tamin’ny 01 aogositra 2012 teo, ka namorian’ny CMDN mpanao politika tao amin’ny CEMES Soanierana.
Samy manaiky ny rehetra fa mila filaminana sy fitoniana eto ary tsy
ekena ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra. Ny tsy maharesy
lahatra ny maro kosa dia ny fanizingizinan’ireo manamboninahitra ambony
sasany fa tsy maintsy hiteraka korontana ny fiverenan’ny filoha teo
aloha eto. Toa mitovy tanteraka amin’ny hevitry ny filohan’ny tetezamita
sy ny mpomba azy ny fanambaran’ireo be galona ireo. Nahoana moa no tsy
maintsy niandry ny fivorian’ny SADC tany Maputo farany teo, vao
hanadihady ny mahamety, na tsia ny fodian-dRavalomanana ? Vantany vao
voasonia ny tondrozotra dia efa afaka nanao izany tsara ny foloalindahy
sy ny mpitandro ny filaminana. Tsy tongatonga ho azy akory ny
fimenomenomana any anaty lakazerina, fa misy antony mazava ao. “Nahoana
no misy ampahana manamboninahitra nihazakazahana ny fampiakarana grady
azy, izay tsy araka ny tokony ho izy mihitsy ?”, hoy ireo mpiray andiany
aminy.
Tetezamita anefa no misy eto fa tsy fitondrana lanim-bahoaka
tamin’ny fomba demokratika ka mipetraka ara-dalàna. Ny zava-misy hita
any anaty fiarahamonina any koa dia misy ny be galona manorina trano be,
mampitolagaga ny mpiray vodirindrina aminy. Ny olona sahirana noho ny
krizy, kanefa misy be galona mbola mahavita manangana “villa” ihany.
Mbola miasa ho an’ny tanindrazana marina ve ireo manamboninahitra ambony
sasany, mamono tena miaro ny tetezamitan-dRajoelina ? Ny hisian’ny
fitoniana marina ve no manahiran-tsaina azy ireo sa ny fanakanana olona
iray mba tsy hiverina eto intsony mandrakizay ? Nahoana ny foloalindahy
no tsy hahavita hifehy ny filaminana eto raha tena misy tokoa
antokon’olona mieritreritry ny hanakorontana ? Fa ny adihevitry ny olona
etsy sy eroa koa dia hoe : sahy mihaniana ve ireo be galona nahazo seza
ireo, fa tena manao ny asany ara-dalàna sy ara-drariny tokoa, ary tsy
mahazo tsindry bokotra na fampanantenana avy amin’i Andry Rajoelina ?
RTT
http://tiatanindrazana.com
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire