RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est Madagasikara. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est Madagasikara. Afficher tous les articles

    Dingana lehibe vaovao miaraka amin-dRtoa Lalao Ravalomanana



    Lalao-ravalomanana-filoha.jpg
    Lalao Ravalomanana ho Filoha ...
    Na dia eo aza ny sedra sy tsindry hazo-lena maro isan-karazany mahazo azy dia nasehon’ny Filoha Ravalomanana sy ny ankolafy tarihany indray izao fa sahy ary tsy mihemotra ry zareo amin’ny tolona ataony ho fanavotana sy famoahana indray ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy ao anatin’izao krizy sy fahantràna lalina misy izao.

    Sakanan'i Madagasikara tsy hody ao Frantsa ny filoham-pirenena frantsay teo aloha



    angano-madagasikara.jpg
    Miaramila Malagasy manome fihofanana ireo miaramila frantsay izay sarotiny dia sarotiny amin'ny fiandrianam-pirenena manara-penitra

    Taorian’ny fanonganam-panjakàna feno habibiana niseho tao Frantsa dia voatery nitsoaka sy nanao sesi-tany ny tenany ny filoham-pirenena frantsay rehefa nataon’ireo andiana miaramila frantsay mpanongam-panjakàna haza-lambo tao Parisy.

    Fifidianana mora sy manara-penitra ???



    fifidianana mora sy manara-penitra
    Safidin'ny basy sy ny safidim-bahoaka...

    Mihazakazaka dia mihazakazaka ny fizotran’ny raharaham-pirenena satria dia efa hamaramparana ny volana janoary sahady isika izao amin’ity taona vaovao ity.Taona izay hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.Taona izay manamarika ihany koa ny faha efa-taona nisian’ny fanonganam-panjakàna mavaivay teto amin’ny Firenena.

    Ny minisitry ny foloalindahy,ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, sy ny dahalo

     
    Hay va re ka ny ministry ny Foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien no isan’ireo nanao sonia ilay didim-pitondrana hanondranana omby miisa 50.000 mankany ivelany fa tsy ny ministry ny Fiompiana, Ihanta Randriamandranto e! Dia ny tena no menatra hoy ny fomba fiteny ! Fifandrifin-javatra ve sa misy hifandraisany amin’io sonia natao io, ny antony nitenenan’ity jeneraly ity teo aloha teo nanao hoe “aleo mifampiraharaha amin’ireo dahalo”? Nanaitra ny sain’ny maro tokoa mantsy izay fehezanteny nambaran’ny ministry ny Fiarovana izay. Efa am-polony anefa ireo miaramila sy zandary lavon-dRemenabila tamin’izany fotoana izany.

    Vahoaka Malagasy...Vatolampy angeren'ny vorona ?



    Toy ny mahazatra nandritra izay efa-taona latsaka nisian’ny fanonganam-panjakàna izay dia zary lasa tandra vadi-koditra amin’ingahy Andry Rajoelina ny fandaingàna sy fiheverana ny vahoaka ho zazakely sy bado.

    Fomba mahazatra izay tsy hitan’ny mpanongam-panjakàna izay maharatsy azy satria nahafahany nifikitra teo amin’ny tetezamitatra tetezamita nandritra ny taona maro ka dia tohizany mandraka ankehitriny.

    Farany teo ary dia tsy nisalasala indray ny filohan’ny FAT nilaza fa mamitaka sy mampanantena tsy misy ny vahoaka mpanara-dia azy fotsiny hono ny Filoha Ravalomanana raha milaza ombieniombieny fa hody eto antanindrazana ary handray anjara feno amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy izao.

    Izany hoe te hiteny izany Ingahy Andry Rajoelina fa safidy sy sitra-pon’ny Filoha Ravalomanana no manao sesi-tany ny tenany sy mijanona atsy Afrika Atsimo hatramin’izao,ary:

    -Tongatonga ho azy amin’izao ireny NOTAM mateti-piavy toy ny sotro kely nandrara ny fodian’ny Filoha Ravalomanana sy ny vady aman-janany teto Madagasikara ireny,

    -Fifanadrifian-javatra fotsiny ireny hery famoretana (EMMOREG,FIS,DST,...) mandrakotra sy mameno ny seranam-piaramanidin’Ivato ireny raha vao mahare siotsion-dresaka fotsiny ny mpanongam-panjakàna fa ho avy Ravalomanana,

    -Kisendrasendra ny nahatongavan’ny raharaha AV7 ,(fikambanana izay sady nataon'ny mpanongam-panjakàna sorona mba fihakarana teo amin'ny fitondràna no lasa fitaovana politika koa ankehitriny noho ny fatahorana ny safidim-bahoaka),atsy Afrika atsimo indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao,…

    Adala sy tsy misy saina daholo ny vahoaka tsy mahatakatra ny zavatra ao ambadika sy fonosin'ireny teti-dratsy sy sarimihetsika rehetra ireny.

    Ho an’ny mpanara-baovao sy ireo vahoaka vita vaksiny amin’ny lainga sy sarimihetsik'i Rajoelina nandritra izay efa-taona latsaka izay dia mazava ny resaka fa tahotra tsotra izao ny hifaninana amin’ny Filoha Ravalomanana no antony.Tsy misy fanazavana hafa ankoatr’izay.


    Raha dinihina sy tomorina akaiky ny fanambaràna nataon’ity filohan’ny FAT ity tato ato izay tsy miambahamba milaza fa tsy mino ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara dia mazava ny resaka fa efa vonona tanteraka amin’ny fomba rehetra ny tenany (Rajoelina) amin’ny fanakanana ity Filoham-pirenena nahongany ity mba tsy ho tafaverina intsony eto Madagasikara farafaharatsiny mialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena.

    Ahatarafana koa izany fomba fiteny izany fa efa matoky tanteraka ny tetika sy drafitra maty paika efa vonona sy nomaniny any ambadika any i Rajoelina mikasika ny fisakanana ny fiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara.

    Ny fanontaniana mipetraka dia hoe:Nahoana no mbola matahotra an-dRavalomanana amin'ny fifidianana foana i Rajoelina sy ny forongony na dia efa nangalatra "depart"amin'ny propagandy nandritra ny efa-taona latsaka aza?

    Tsy maharesy lahatra vahoaka ve ny kianja manara-penitra sy ny tetezamita mora ka mahatonga an-dRajoelina tsy hatoky tena hatramin'izao raha resaka fifidianana sy safidim-bahoaka no resahina?

    Ho an’ny mpanara-baovao ohatra dia tsy tongatonga ho azy ny fanendrena ny Jeneraly Richard Ravalomanana ho kaomandy vaovaon’ny Zandarimariam-pirenena.

    Ny Jeneraly Ravalomanana dia tsy iza fa iray amin’ireo manamboninahitry ny tafika atokisan-dRajoelina indrindra,ary anisan’ireo miaramila mihazakazaka indrindra amin’ny fisondrotana galona nandritra izao tetezamita izao.

    Ary farany fa tsy ny kely indrindra dia ity Jeneraly ity no anisan'ny mafana fo indrindra amin'ny fanenjehana ny mpanara-dia sy mpomba ny Filoha Ravalomanana.Hatreny an-tanim-bary eny Tsimbazaza izany,mandalo an'Ambohijatovo ary hatreny Ivato dia tsy miala ity farany manenjika vahoaka sy izay rehetra mety manelingelina ny fitondràna FAT rehetra.

    Ho an’ireo vahoaka tsy manaiky na tsy mankasitraka izao fanjakanan-dRajoelina sy ny tetezamitany izao dia mahafantatra tsara fa tsy tongatonga ho azy ilay anaram-bositra hoe”Richard Baomba” fa ao raha.Ary na ireo mpiasam-panjakàna eo amin’ny sehatry ny fahasalamana nanao fitokonana faraparany teo koa dia manana ny antony mazava matoa nanome anarana ity Jeneraly malaza ity ihany koa hoe “Profesora Ravalomanana”.
    Galona (mora) sady haingam-pandeha (TGV)

    Malaza ho nanao “Ecole de guerre” ny Jeneraly Ravalomanana,ary mety anisan’ny antony nisafidian’ny filohan’ny FAT azy izany.

    Ny azo antoka sy voaporofo anefa aloha hatreto dia “guerre” tsy misy farany amin’ny vahoaka mpanohitra ny fitondràna FATn-dRajoelina no mampalaza sy mahakinga ary mampihakatra galona azy matetika.Tsy lazaina intsony ny fahitàna Baomba volana alohan’ny biby…Efa hain’ny rehetra ny tohiny.

    Ny tiana hahatongavana dia tsotra ihany.Mandady ny trambo,ary efa miha lalina hatrany ny faka nahoriny nandritra ny efa-taona latsaka izao.

    Vohizina mafy fa ny fifidianana ihany no hahafahatsika Malagasy miala amin’izao krizy sy fahantràna lalina nateraky ny fanonganam-panjakàna izao.

    Marina tokoa izany,vahaolana ny fifidianana,saingy inona moa no maha fifidianana azy raha toa ka tsy ho voahaja ny safidim-bahoaka izay fototra voalohany sy antom-pisian’ny Demokrasia?

    Inona no maha Fifidianana sy safidim-bahoaka azy raha toa ka ny kandidà iray izay mbola tena atokisana andrandrain’ny maro an’isa no tsy avela hirotsaka sy sakanana amin’ny fomba rehetra mba tsy handray anjara?

    Sa tsy mba isan’ny vahoaka intsony ireo Malagasy maro be manerana ny Nosy midradradradra sy miandrandra mafy ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana antanindrazana ary maniry ny filatsahan-kofidiany?

    Tsy misy ngeza sy mafy toy ny vatolampy hono ry VAHOAKA;saingy rehefa tsy miteny dia izao karazam-borokely rehetra izao mahavita manao maloto eo antampon-dohany daholo…

    Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby,atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.Mba tsy ho zaza saina sy mora handairan’ny lainga araka ny fiheveran’ny sasany azy daholo (intsony) anie ny Vahoaka Malagasy…!



    D.R.

    HETSIKA FILONGOA


    Ho fitsinjovana ireo gadra politika mbola voatana any am-ponja.

    Ry havana, tapaka sy namana manerana ny Nosy, indrindra koa any am-pitandranomasina.Fijaliana no mianjady amin’ireo gadra politika mbola voatana any am-ponja ary fahasahiranana lalina no mahazo ireo vady aman-janany nohon’ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana : Karama tapaka, sakafo tsizarizary, fahasalamana marefo, aretina mikiky, fianaran’ny ankizy tsy mandeha amin’ny laoniny.Izany no hiainan’izy ireo,koa manainga ny rehetra haneho firaisan-kina hitondra izay foitsika mba ho fampaherezana azy ireo.Aoka isika haneho mandrakariva ilay fitiavana izay zava-dehibe amin’ny maha-malagasy antsika.

    Mankasitraka eram-po eran-tsaina sahady amin’izay fanampiana mety hatolotrao fa ho raisina am-pitiavana izany.Raha sitrakareo dia horaiketina anaty boky avokoa  ny anaran’ireo izay manolotra;hisy ny rosia omena anareo.

    Ny komitin’ny fianakavian’ny gadra politika

    Fomba andefasana ny vola:Antsoy ny laharana 034 79 861 97 -  034 37 476 66
    Arahinao email : filongoa.gp@gmai.com






    http://www.tim-madagascar.org

    Be galona nahazo seza: Miasa ho an’iza marina ?

    Movansa Rajoelina vaovao???


    Tsy tonga teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina raha tsy nanampy azy ny miaramila. Nisy karazany moa ny endrik’io fanampiana io.

    Tao ireo niseho nivantana ka efa niambina an’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Nisy koa ireo nivonona ny hiady mihitsy tahaka ny CAPSAT, fa teo kosa ireo mody nangina kanefa tsy nety nandray baiko avy amin’ny fitondrana Ravalomanana intsony. Vantany vao tonga teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina dia nokarakarainy fatratra ny foloalindahy. Nisesy mihitsy ny fampisondrotana grady sy fizarana galona. Nahazo ny anjarany avokoa ireo manamboninahitra nanampy azy.

    US Embassy Madagascar:Fanambarana mikasika ny fikasan-dRtoa Lalao Ravalomanana hody eto Madagasikara

    US Embassy Madagascar


    Fanambarana mikasika ny fikasan-dRtoa Lalao Ravalomanana hody eto Madagasikara
    Tohananay hatrany ny ezaka rehetra ataon’ny Communauté de Développement de l’Afrique Australe (SADC) amin’ny fijoroana ho mpanelanelana amin’ny fitadiavana vahaolana amin’ny krizy politika eto Madagasikara. Tianay marihina fa voalaza ao amin’ny Tondrozotran’ny SADC hoe “mody tsy misy fepetra ireo mialokaloka any ivelany.” Tokony hataon’ny mpitondra ara-politika eto amin’ny firenena izay hizorana mankany amin’ny fifidianana malalaka, ara-drariny ary eken’ny fianakaviana iraisam-pirenena mba hamerenana ny fitondrana demokratika eto Madagasikara. Manainga ny mpandry anjara rehetra izahay mba hanaja ny andraikitra tandrify azy araka ny voalazan’ny lalàna iraisam-pirenena, indrindra ny mahakasika ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna.

    https://www.facebook.com/usembassy.madagascar

    Fiaraha-miasa ara-miaramila"Frantsay sy Malagasy"-Inona no mahamaika?

    miaramila-frantsay-madagasikaraTonga omaly eto Madagasikara ireo miaramila frantsay mpampihofana 42 lahy hizara ny trai-kefany sy hanome fampianarana ny miaramila Malagasy.Voalaza fa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-miaramila”Frantsay sy Malagasy”( Coopération militaire France - Madagascar) izao hetsika izao taorian’ny nandraisan’ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy an’Atoa Andry Nirina Rajoelina tany Parisy volana vitsy lasa izay.Hahazo fihofanana amin’izany ny toby miaramila 1°RFI Ivato, 2°RFI Antsiranana, 1°RTS Fiadanana, CAPSAT ao Soanierana ary ny EMGAM Andohalo.

    Zo sy andraikitry ny vahoaka ny mamerina ny fitondràna nesorina taminy !

    Roa taona mahery izao no miaina ao anaty fijaliana sy fahantràna ny vahoaka Malagasy. Vokatry ny fanonganam-panjakàna nataon-dRajoelina sy ireo mpiakarama an’ady nanohana azy dia ao anaty aizina ankehitriny ny firenena. Na teo aza ny fampitahorana sy ny fampijaliana tao anaty jadona dia tsy nitsahatra ny mpandala ny ara-dalàna nitaky hatrany ny famerenana ny laoniny eto amin’ny Tanindrazana.(...)
    TOHINY

    http://www.tim-madagascar.org/