![]() |
| Filoha Ravalomanana sy ny Filoha James Michel tatsy Seychelles |
Niompana tamin’ny fandalinana ny zava-nitranga niseho
rehetra teto amin’ny firenena ny adihevitra tao amin’ny Magro Antsirabe
ny sabotsy 11 aogositra lasa teo taorian’ny fihaonana tany Seychelles
iny.
Raha ny fanazavana nentin’Atoa Frederick, mpampianatra sy mpandalina tantara avy amin’ny antoko MFM dia mazava ny azy fa tandindon’ny Frantsay no tsy nampamokatra iny fihaonana iny, hoy izy. Tsy azo adinoina fa matahotra mafy ny fiverenan-dRavalomanana ny Frantsay satria ny tanjony dia ny hiverina hanjanaka eto amintsika indray toy ny nanaovana ny nosy Mayotte mba ho eo ambany fiahiany tanteraka ahafahany migoka ny harentsika ka ampiasainy avokoa ny olony sy ny saribakoliny hanatratra ny tanjony.
Nanentana ny vahoaka izy tsy ho variana fotsiny. Raha isa, hoy izy, dia tsy ampahafirin’ireo Malagasy nitolona sy niady tamin’ny mpanjanatany isika ankehitriny izay efa 20 tapitrisa amin’izao fotoana kanefa lefona aza nahavitan’ireo razantsika nandroaka ny mpanjanatany taloha. I Monja Jaona aza tamin’ny fotoan’androny naharoaka ireo voanjo Renioney teto Madagasikara. Fa nitondra fanamarihina feno ihany koa i Dadamanana tamin’ny tenin-dRajoelina teny Ivato hoe “Tsy miova ilay rangahy iny”.
Nolazainy fa tena marina izany fa tsy miova sy tsy hiova ho an’ny fanasoavana sy fampandrosoana an’i Madagasikara ny filoha Ravalomanana na dia naongan-dRajoelina teo amin’ny fitondrana aza. Hatramin’izao dia izay mahasoa ny vahoaka sy ny firenena ihany no katsahiny fa tsy ny tombontsoan’ny tenany sy ny firenena hafa. Nohamafisiny ihany koa fa raha firotsahana ho kandidà amin’ny fifidianana dia i Andry Rajoelina nanongam-panjakana no tsy afaka mirotsaka noho ny sazy iraisam-pirenena mihatra aminy fa tsy ny filoha naongana. Fa nanamarika ny hetsika tao amin’ny Magro Antsirabe ity koa ny fandraisam-pitenenana nataon-dRtoa Sahondra, mpampianatra, ka nilazany fa ny zafikeliny tsy tokony mbola nanao CEPE aza nampanaovina dia nahay ny fanadinana farany teo noho ny hamoran’ny laza adina.
Nitsikera ihany koa ny olona miantso an-tariby amina onjampeo iray eto an-drenivohitra ihany koa ny tenany ka nilaza fa misy olona mitaky ny fahanginan’ny filoha Marc Ravalomanana toy ireo filoha niongana talohany, ka nitondrany fanazavana fa tsy mitovy ny tantara satria ireny filoha teo aloha ireny dia tsy mamim-bahoaka fa ny filoha Ravalomanana dia nanana ny vahoaka sy ny olona nanohana azy izay betsaka lavitra amin’ireo tsy tia azy ka izay no tsy ahazoan’ny tetezamita fankatoavana hatramin’izao. Nohamafisiny fa na tsy tian-dRajoelina aza dia tsy maintsy voatonona isan’andro amin’ny gazety sy radio ny anaran’ny filoha Marc Ravalomanana ka na mpomba azy na tsy tia azy dia miantso hatrany io anarany io.
Caïus Raharison
Zafilahy Stanislas «Aoka haneho malalaka ny heviny ny Malagasy» - Tsipaky ny miala aina ny an’i Andry Rajoelina, hoy ny CST Randrianjatovo Henri manoloana ireo vavabe navoakan’ny filohan’ny FAT nialoha sy taorian’ny dinika tany Seychelles.
«Ampiharo manomboka amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny farany, ao anatin’izany ny andininy faha-45 ny sori-dalana fa tsy misy matahotra izany», hoy ity depioten’i Faratsiho teo aloha ity. Tsy afaka hiala amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ihany Randrianjatovo Henri satria ny tanjona dia ny hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. «Ravalomanana mody, mirotsaka hofidiana filoham-pirenena», izy ihany no fantatry ny mpandala ny ara-dalàna, hoy ny CT Ralaiseheno Guy Maxime nanamafy ary nanentana ireo mpiara-dia aminy hiomana amin’ny fitsenana ny filoha sy ny fampandaniana azy indray amin’ny fifidianana ho avy.(...) Hamaky ny tohiny
http://tiatanindrazana.com

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire