![]() |
| Antoko politika vaovao ve ny Foloalindahy? |
Araka ny
hevitr’ireo miaramila raha nihaona tamin’ingahy Maruis Fransman izy ireo dia
tsy hampisy fitoniana ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara,ary
mety hitarika korontana izany.
Efa nampoizin’ny maro izany satria iaraha-mahalala tsara ny fifandraisana misy eo amin’ireo miaramila nanao fanambaràna ireo sy ingahy Rajoelina nanomboka ny taona 2009.(1) (2) (3)
Ny
fanontaniana mipetraka dia tsotra ihany:”Misy fitoniana ve eto Madagasikara
nandritra izay tsy nahateto ny Filoha Ravalomanana izay?”
Mety tony
angamba ireo andian’olom-bitsy izay migoka tombotsoa goavana amin’izao
tetezamita izao fa ho an’ny Malagasy maro an’isa dia nofy ratsy no iainany isan’andro
nandritra izay efa-taona latsaka izay.
Ho an’ny besinimaro dia mazava tsara ny resaka fa ny miaramila sisa no hery ahafahan-dRajoelina mifikitra mafy eo amin’io
Raha ny
nambaran’Ingahy Maruis Fransman ,iraky ny vondrona SADC ,talohan’ny niaingany
teto Madagasikara dia hisy ny fihaonan’ny Malagasy rehetra na nanao na tsy
nanao Sonia ny tondro zotra (Feuille de route) mba hitadiavam-bahaolana amin’ny
krizy misy eto amin’ny Firenena.
-Hisy
fihaonana sy raharaha ho vanona ve eto raha mbola mitsabaka lalina amin’ny
raharaha politika toy izao ny miaramila?Aoka tsy hadino fa nandritra ny
efa-taona latsaka izay dia tsy nitsahatra nampiteny ny anarany tao anatin’ny
raharaha politika nisy teto ireo miaramila ireo.
-Hisy
fepetra manokana horaisin’ny vondrona iraisam-pirenena sy ny SADC ve manoloana
izany?Hatreto tokoa mantsy dia lasa mahakivy ny vahoaka ny fomba hitondran’ny
SADC ny famahana ny krizy misy.Ny fanambaràna sy fitanisàna sazy no betsaka fa
ny fanatanterahana izany sy ny tena fandraisana andraikitra marina toa tsy hita
maso hatramin’izao.
Toa vao
maika aza manome hery ny mpanongam-panjakàna izay tarihan-dRajoelina izany satria
arakaraky ny handrosoan’ny fotoana no toa mampalefaka sy mampiraviravy tànana
ny SADC.Tsy araky ny foto-kevitra nijoroan’ity vondrona iraisam-pirenena ity
tany amboalohany izay nanameloka tanteraka tsy misy ady hevitra ny
fanonganam-panjakàna sy ny tsy fanajàna ny zon’olombelona nataon’ny
mpanongam-panjakàna.
Sanatria ho
lasa angady tsy mahatapak’ahitra ve sisa ny SADC ka manakipy ny masony eo
anatrehan’ny safidin’ny Malagasy maro an’isa izay hetraketrahina sy
hitsakitsahin’ny mpanongam-panjakàna sy ny miaramilany?
Ho an’ny besinimaro,ho
an’ny vahoaka Malagasy rehetra izay efa lanaka sy vizaka tanteraky ny
fitaingenana tetezamitatra dia tsotra tanteraka ny vahaolana:Mody ary mirotsaka
amin’ny fifidianana filoham-pirenena I Ravalomanana.Afaka mifaninana amin’ny
daholo izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy indrindra fa i Andry Rajoelina ,izay
nanongana azy teo amin’ny fitondràna ary tsy mitsahatra milaza fa ny vahoaka no
nanongana an-dRavalomanana teo amin’ny fitondrana (Na dia voararan’ny
fifanarahana tany Cotonou aza ny filatsahan-kofidian’ireo mpanongam-panjakàna
rehetra).
Raha tanteraka izay dia hibaribary sy ho fata-poko fata-pirenena mazava tokoa hoe iza marina no tena Filoham-pirenena mamim-bahoaka sy safidin'ny Malagasy rehetra...Ary ho voahaja daholo koa amin'izay na ny zon'ireo mpanohana an-dRavalomanana na ny an'ireo mpankafy an-dRajoelina na ny an'ireo hery hafa.
(1) Révélations de Lalatiana de Free FM : « Andry Rajoelina avait soutenu financièrement et matériellement les mutins du CAPSAT en 2009 »
(1) Révélations de Lalatiana de Free FM : « Andry Rajoelina avait soutenu financièrement et matériellement les mutins du CAPSAT en 2009 »
(2) Anisan'ireo olona niara-niasa akaiky sy natokisan-dRajoelina tamin'ny fanonganam-panjakàna nataony ny mpanao gazety Fidele Razanapiera sy Lalatiana Rakotondrazafy.Ankehitriny araka ny vaovao farany,manoloana ny fifofoana ny ain'izy ireo sy ny fanenjehan'ny fitondràna FAT tarihan-dRajoelina azy dia miafina any amin'ny tranon'ny masoivoho vahiny iray eto Madagasikara izy ireo ary nanao fanambaràna sy fijoroana vavolom-belona avy any fa nanakaràma sy namatsy vola ny miaramilan'ny CAPSAT i Rajoelina tamin'ny fanonganam-panjakàna nataony izay nanonganany ny Filoha Ravalomanana.
D.Ranaivo

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire