RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Isika vahoaka sa i TGV ?

    Isika vahoaka sa i TGV ?


    Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

    I Mialy sy ny fananany no an’ i Andry TGV fa tsy I Madagasikara na ny vahoakany. Tsy mananjo hanapaka irery izay olona azon’ny Malagasy fidiana izy ary na izy aza tsy mananjo ny hilatsaka ho fidiana araka ny “accord de Cotounou”, izay tsy fantany angamba ary toa iniana tsy ampiharin’ireo mpanelanelana ihany koa. 

    Nanambara ampahibe maso koa izy fa hanao ny faraheriny rehetra tsy hampody ny Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana. Ireo mpanao politika iray vatsy taminy taloha ka mivoy ankehitriny ny hoe tsy mahazo mirotsaka na ilay mpanongana na ny Filoha izay voafidim-bahoaka, dia manao izany koa. Toa an’I Andry TGV dia mitady izay tsy hirotsahan’ny Filoha Ravalomanana ireo satria mahafantatra tsara izy ireo fa tsy hanandanja eo akaikin’ny Filoha Ravalomanana. Izay ihany fa resabe ny sisa. Raha resy lahatra izy ireo fa tsy hisy hifidy ny Filoha Ravalomanana dia hilaza toa antsika hoe milatsaha daholo izay te hilatsaka fa ny vahoaka no misafidy. Tadidio fa niara-nanongam-panjakana tamin’I Andry TGV ireo vondrona politika izay nanao sonia ny tondrozotra ireo ary hotsidihan’ny SADC atsy ho atsy. 



    Nahoana noho izao vao hisy ny fitsidihana ? Raha nilaina izy ireo, naninona no nandany andro sy vola niantso fihaonan’olondroa ? Sao dia fandrebirebena saim-bahoaka izany? Ao anatin'io hiraka io i Marius Fransman. Fantatsika ny aminy : tsy dia mazava loatra satria efa noesorina tsy hanana andraikitra amin’ny fanelanelanana momba an’ny Madagasikara intsony izy nefa dia io hitantsika io fa mbola eo ihany. Enga anie tsy ho fanaovana tsinontsinona antsika malagasy izany.  
    Inona tokoa moa no tsy hanontanian’izy ireo izay hevitry ny Malagasy ? Koa andao haneho ny hevitsika isika mandritra izany fivahinian’ny iraka SADC izany. 

    Izany rehetra izany dia tokony hanaitra ny ambompontsika Malagasy tsy misy hatak’andro ! aoka isika hifoha fa sao dia ho tara loatra ! tadidio fa raha manaiky hosihosena ianao anio dia fanandevozana no hahazo anao sy ny taranakao rahampitso ! aoka re isika hijoro  ! asehoy izao tontolo izao fa tsy hitany na iniany tsy jerena fa mila fahafahana isika ! alao hery ary ento ambavaka izany fijoroana izany handresena ny tahotra ny basy izay mitodika aty amintsika. Mbola marina ny tenin’ny razantsika hoe “ny mita be tsy lanin’ny mamba”. Mbola matahotra lavitra antsika ny mpanongam-panjakana. (...) HAMAKY NY TOHINY

    http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire