![]() |
«Lohany samy misy, ditra samy misy. Raha io
ataon-dRajoelina io, dia izy mihitsy no mampirisika antsika hitady fomba
hafa hitolomana. Na taiza na taiza teto ambonin’ny tany dia “forfait
d’office” amin’ny fifidianana ny mpanongam-panjakana koa ianao
nandeferana indray no be vava», hoy i Constant Raveloson avy amin’ny MFM
omaly raha nandaha-teny tao amin’ny kianjan’ny Magro nanoloana ny
tenin’ny filohan’ny FAT nialoha ny niaingany ho any Seychelles ny talata
07 aogositra teo.
Telo taona taty aoriana, hoy ity mpanao politika ity, dia mbola toy ilay kabary teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ihany no natao kanefa efa nahazo an’Ambohitsorohitra. Raha ny tenin’i Andry Rajoelina, dia toy ny mbola hanongam-panjakana indray no foto-diany any Seychelles fa tsy hifampiraharaha. Fanontaniana moa no napetrak’i Constant Raveloson ny amin’izay tena nalehan’i Andry Rajoelina tany raha ireny no fomba firesany. Momba ny resaka datim-pifidianana indray dia nambaran’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa nazava ny tenin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa miankina indrindra amin’ny filaminana sy fitoniana politika ny hitazonana ny datim-pifidianana na tsia, ny famatsiana ara-bola izany na tsia.
Tsy adala ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy, ka hamatsy vola fifidianana handamoka. Raha ny tenin-dRtoa Razanamahasoa Christine, minisitry ny fitsarana FAT, mikasika ny hoe olo-meloka ara-pitsarana ny filoha Marc Ravalomanana dia novalian’i Constant Raveloson fa tsy any intsony ny resaka satria iaraha-mahalala fa “zavatra foronina sisa ireny” fa any amin’ny resaka politika. Ny andininy faha-16 ao amin’ny sori-dalana, hoy izy, dia mahafoana tanteraka ny andininy faha-45. Rava ho azy izany, araka ny fanazavany, satria hitsahatra daholo ny fanenjehana nataon’ny mpanongam-panjakana. Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa «ireo tsy hary saina sy mangorohoro amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ireo nihomehy sy nitehatehaka teny Ivato ny andron’ny talata ihany».
Raha olona tonga saina, hoy ihany izy dia tokony hahatsapa fa tonga amin’ilay hoe fanjakana tsy mahita ny asiana ny lohany ny FAT amin’izao. Fanjakana very hevitra, hoy ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM ity. «Ny fahatongavan-dRavalomanana eto no handamina ny tetezamita hanarina ny fahefa-panjakana», hoy i Constant Raveloson. Nohamafisiny fa dia eny amin’ny Kianjan’ny Magro irery ihany no handrasaina ny fomba hitolomana manaraka ho avy eo fa izay manakorontana ety ivelany dia tahaka ny manohitra mivantana ny filoha Marc Ravalomanana.
http://tiatanindrazana.com

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire