Nizara ny
hafaliany tamin’ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny finoana ny Filoha
Ravalomanana tamin’ny antsony androany.
Nanamabara ny havononany tokoa
izy hampiasa ampanetre-tena ny talenta izay ananany sy anirahin’ny Tompo
azy, hanasoa ny mpiara-belona aminy amin’izany antso voarainy eo
anivon’ny fiangonana.
Naneho fankasitrahana an’Andriamanitra ihany koa
izy naneho ny heriny manoloana ny sakana isan-karazany tao anatin’ny
fifidianana.Manoloana ny antso izay voarainy ihany koa dia nangataka
fifonana teo anatrehan’Andriamanitra amin’izay mety ho fahadisoany.
Nanome toky ny vahoaka izy fa ho fifidianana malalaka no hanjaka : Andriamanitra no miasa ahatanteraka izany hoy izy.
Rehefa
izany dia nitatitra ny fandalovan’ny tompon’andraikitry ny
raharaham-bahinin’ny vondrona eropeana tao Prétoria izy. Nambarany ny
zava-misy fa misy ny fifaninana eo amin’ny samy firenena afrikana ka ny
fanampiana izay tokony ho antsika malagasy dia lasan’izay mila izany
koa raha toa ka mbola mihitatra ny tetezamita tsy ahazoana fankatoavana.
Koa miantso ny finiavana politika rehetra izy hieritreritra izay
hahasoa ny firenena.Vahoaka
liana fandrosoana hoy izy ny malagasy ary izy dia vonona hatrany amin’ny
fiaraha-miasa ahahasoa ny firenena.
Tsy maintsy ho tafaverina hoy izy
ny hasian’ny firenena, ny asan’ny malagasy very ary ny fahafahan’ny zaza
malagasy hianatra.
ARAHO SY HENOY ETO NY ANTSO SY VAOVAO
http://www.tim-madagascar.org/

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire