Nanao
fialan-tsiny tamin’ny Malagasy ny Filoha Ravalomanana tamin’izay mety ho
fahadisoana vitany ka niteraka ny krizy misy ankehitriny.Maro ny nandray izany
fihetsika izany ho mahate hidera sy mendrika indrindra manoloana ny fikatsahana
fitoniana mba hanjaka eto amin’ny Firenena mialohan’ny fifidianana izay
andrandrain’ny rehetra mba hivoahana amin’ny olana goavana mahazo an'i Madagasikara
ankehitriny.
hafa dia hafa anefa ny fomba fijerin’ny mpomba sy mpanohana an’i Andry Rajoelina an'izany.Nanambara mantsy Rtoa Lanto Rakotomavo ,izay anisan’ny mpitarika ao amin’ny antoko TGV fa tara loatra hono ny fifonan-dRavalomanana.Ary Andriamanitra hono no mety hamela ny helony fa ny Malagasy kosa tsy hamela azy.
![]() |
| Rtoa Lanto Rakotomavo |
Fa iza moa
Rtoa Lanto Rakotomavo no mahasahy miteny amin’ny anaran’ny Malagasy?Na ny olona
tohanany eo amin’ny fitondrana tetezamitatra tetezamita aza mbola ny herisetra
sy miaramila no nametraka azy teo ary nahavita nanao tsinontsinona sy nanosihosy
ny zo sy safidin’ireo Malagasy tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakàna.
Tsara koa
ny manamarika ary ho an’ireo mpanara-baovao dia mahalala tsara izany fa tsy vao
izao ny Filoha Ravalomanana no naneho fialan-tsiny toy izao fa fony mbola teny
Iavoloha niaraka tamin'ny vahoaka nisedra ny fampiasan-kery sy fampihorohoroana nataon'ireo andiana miaramila notarihan'i Kolonely Charles ny tenany dia efa nanao izany.
Fa ankoatr’izany,mba
inona ny fihetsika sy fandraisana andraikitra noraisin’i Andry Rajoelina
manoloana ny krizy ankehitriny izay mampijaly tanteraka sy mampaory ny
Malagasy?Raha ny zava-doza iainan'ny Firenena ankehitriny tokoa mantsy no resahina dia milaza miara-mahita ny rehetra ary tsy misy maty harika akory ka tsy hahatadidy ny fanonganam-panjakàna nivaivay sy feno herisetra nataon'Ingahy Andry Rajoelina teto amin'ny Firenena telo taona mahery lasa izay.Tsy ririnin-dasa iny ka tsy hotsaroana fa tantara mipetraka hotsarain'ny rehetra.Koa raha nanao fialan-tsiny sy fifonana i Ravalomanana dia aoka hazava ny resaka ary tsy hohadino fa i Andry Rajoelina koa no anisan'ny tena tompon'andraikitra voalohany amin'ny kizo sy haizina mikitroka misy an'i Madagasikara ankehitriny mba tsy hilazàna hoe vato misakana mihitsy aza mba tsy hivoahan'ny Firenena sy ny vahoaka malagasy amin'izany.
Ny azo
antoka Rtoa Lanto Rakotomavo,raha nihaiky ny hadisoany sy nampiseho fihetsika
toy ny nataon-dRavalomanana toy izao i Andry Rajoelina dia efa ela izao
fahorian’ny Malagasy izao no tsy nisy intsony. Saingy indrisy fa ny iray mifona sy
mandefitra fa ny iray kosa ,asa na amin’ny maha tanora saina azy angamba dia
manohy hatrany ny fatokisany ny herin’ny basy sy miaramila hatrany.Asa,azo
heritreretina ve izany Rajoelina mihaiky heloka sy mifona amin’ny Malagasy
izany indray andro any?
Ankoatr’izay,manoloana
ny fihazakazaky ny fotoana makany amin’ny fifidianana dia mihazakazaka toy
izany koa ireo mpanao politika maniry hilatsaka hofidiana Filoham-pirenena
manao fanambaràna etsy sy eroa.Anisan’ireny ry Monja Roindefo sy ry Voninahitsy
Jean Eugene izay maniry mafy sy mitady ny fomba rehetra koa toa an'ireo mpanara-dia an'i Andry Rajoelina mba hanakanana ny Filoha
Ravalomanana tsy hilatsaka.
![]() |
| A.N.Rajoelina sy Monja R. teo @ kianja 13 Mai 2009 |
Matoa
milatsaka hofidiana Filoham-pirenena izany dia mahafantatra tsara ny zo sy
anjara-toeran’ny vahoaka Malagasy eo anivon'ny Firenena;fa indrindra mahafantatra
tsara sy manaja ny atao hoe demokrasia.Koa mba aiza ho aiza ny fijerin’Ingahy
Monja Roindefo sy ny namany ny zon’ireo Malagasy maro izay tsy nitsahatra
nitolona nandritra izay telo taona mahery izay mba hiverenan-dRavalomanana
antanindrazana sy mba hahafahany hilatsaka hofidiana indray?
Mbola
ilaina ve ny mamerina fa in-droa nisesy ny Filoha Ravalomanana no napetraky ny
vahoaka Malagasy teo amin’ny fitondràna tamin’ny alalan’ny fifidianana saingy
tamin-kery kosa no nanongana-dRajoelina sy ny andiana miaramilany azy teo.
Koa na ho
an-dRajoelina,na ho an’i Monja Roindefo na ho an’i Voninahitsy Jean Eugene,raha
fanovàna marina no katsahina,raha demokrasia marina no resaka ary raha
fampihavanana sy fitoniana marina no tanjona dia tsotra dia tsotra ny
vahaolana:Sahia lehilahy marina,sahia mijoro mifanandrina sy miatrika an'Atoa Marc Ravalomanana amin’ny alalan’ny fifidianana sy safidim-bahoaka mba hohita
miharihary sy mazava marina amin’izay hoe iza tokoa no tena Filoha safidy sy
eken’ny vahoaka Malagasy hitondra azy.
Rehefa voahaja ny safidim-bahoaka amin'ny alalan'ny fifidianana madio sy mangarahara ary handraisan'ny rehetra anjara dia azo antoka fa hanjaka ho azy ny demokrasia sy ny fihavanana.
D.R.


Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire