RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Ny minisitry ny foloalindahy,ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, sy ny dahalo

     
    Hay va re ka ny ministry ny Foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien no isan’ireo nanao sonia ilay didim-pitondrana hanondranana omby miisa 50.000 mankany ivelany fa tsy ny ministry ny Fiompiana, Ihanta Randriamandranto e! Dia ny tena no menatra hoy ny fomba fiteny ! Fifandrifin-javatra ve sa misy hifandraisany amin’io sonia natao io, ny antony nitenenan’ity jeneraly ity teo aloha teo nanao hoe “aleo mifampiraharaha amin’ireo dahalo”? Nanaitra ny sain’ny maro tokoa mantsy izay fehezanteny nambaran’ny ministry ny Fiarovana izay. Efa am-polony anefa ireo miaramila sy zandary lavon-dRemenabila tamin’izany fotoana izany.


    Voalaza mazava tsara tao amin’ilay didim-pitondrana nosoniavin’ny ministry ny Fiarovana hatramin’ny lanjan’ny omby haondrana sy ny seranana hanatanterahana izany fanondranana izany. Ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien ange izany no mahafantatra bebe kokoa mikasika io zava-mitranga any Atsimo io e! Fa nahoana anefa no nanekeny handefasana andian-tafika mirongo fiadiana mahery vaika tany Atsimo? Ianareo Foloalindahy ihany tokoa mantsy no niteny ampahibemaso fa misy hifandraisany amin’ny fanondranana omby mankany ivelany ny raharaha Remenabila. Iza anefa araka ny porofo nasehon’ny vondrona Ravalomanana no nanao sonia sy nanafoana ilay didim-pitondrana nandràra izany fanondranana omby velona izany? Dia ny tena no menatra e!

    Omby voafantina tsara mihitsy no voalazan’ilay didim-pitondrana nosoniavin’ny ministry ny Fiarovana fa azo haondrana; tsy maintsy mihoatra ny 300 kg. Izany hoe tsy ireo omby mirenireny fotsiny tsy misy mpikarakara fa tsy maintsy omby ampy sakafo ary salama tsara vao mahatratra izany lanja takiana amin’ny fanondranana izany. Ao anatin’ny 18 volana no hanatanterahana izany fanondranana omby 50.000 izany, araka ny voalazan’ny andininy faha-2 amin’ity didim-pitondrana ity. Ny volana jona 2011 no nanaovana sonia ilay didim-pitondrana ka raha atao ny kajikajy tsotsotra dia mifanojo tamin’ny fotoana nampanamivay ny halatra omby tany Atsimo ilay 18 volana voalaza etsy ambony. Enga anie tokoa ka fifanojoan-javatra fotsiny ihany izany.

    Dia ny tena no menatra e! Milaza hitory moa ny vondrona Ravalomanana noho ireny fanalam-baraka sy fanosoram-potaka ireny. Fahefam-pitsarana iza ary mpitandro filaminana iza no ho sahy haka am-bavany ireo manamboninahitra mety ho voakasik’izany fitoriana izany? Ny fitoriana napetraky ny filoha lanim-bahoaka teo aloha aza nanjavona tsy hita!

    http://lanation.mg

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire